Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 21 Martsa
HERINANDRON’NY 21 MARTSA
Hira 47 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 1 § 10-15, tabilao p. 12 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Joba 6-10 (10 min.)
No. 1: Joba 8:1-22 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ampy ve ny Mino An’i Jesosy Kristy mba ho Voavonjy?—rs p. 296 § 5 (5 min.)
No. 3: Ahoana no Azontsika Ampiharana ny Matio 10:16? (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
15 min: Mampiasà Baiboly Rehefa Mamaly Fanontaniana. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 143-144. Asio fampisehoana roa, ahitana mpitory iray mamaly fanontaniana mety hapetraky ny olona eny amin’ny faritany. Milaza ny valiny marina fotsiny ilay mpitory amin’ny fampisehoana voalohany, fa tsy mampiasa Baiboly. Amin’ilay fampisehoana faharoa kosa izy mamaky andinin-teny. Asao ny mpanatrika hanazava hoe nahoana no tsara kokoa ilay fomba faharoa.
15 min: “Hizara Fanasana Fahatsiarovana Isika Manomboka ny 2 Aprily.” Fanontaniana sy valiny. Omeo fanasana iray ny mpitory rehetra, ary resaho izay raketiny. Lazao izay fandaharana hataon’ny fiangonana mba hizarana azy io. Asio fampisehoana iray ahitana ny fomba azo ametrahana azy.
Hira 109 sy Vavaka