FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/11 p. 8
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 4/11 p. 8

Fampandrenesana

◼ Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa mitsidika olona liana. Anisan’izany ireo nanatrika Fahatsiarovana na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Jona: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Raha efa manana ilay olona, dia ny boky Apokalypsy no atolory. Ilay boky amin’ny soratra lehibe omena, raha tsy mahita tsara ilay olona. Jolay: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (natao ho an’ny Silamo), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?

◼ Azo ahitsy ny fandaharam-pivoriana amin’ny herinandro alohan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritrareo, mba handinihana an’ireo torohevitra sy fampahatsiahivana momba ny fivoriambe. Mandritra ny zavatra ilain’ny fiangonana, iray na roa volana aorian’ny fivoriambe, dia azo atao famerenana ireo hevitra azo ampiharina eny amin’ny fanompoana.

◼ Hanao ezaka hanombohana fampianarana Baiboly ny fiangonana rehetra isaky ny asabotsy voalohany amin’ny volana, manomboka amin’ity volana Mey ity. Natao hanampiana ny mpitory amin’izany ny lahatsoratra hoe “Ianaro ny Tenin’Andriamanitra.” Hisy soso-kevitra hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny asabotsy voalohany eo amin’ny pejy farany amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, miaraka amin’ny fomba fanolorana gazety ho an’ny volana manaraka.

◼ Raha mitory amin’ny Sinoa ianao, dia asehoy azy ny bokikely Firenena, izay misy hafatra amin’ny teny sinoa nentim-paharazana (CH) sy sinoa notsorina (CHS), ka asaivo fidiny izay tiany hovakina. Mazàna ireo avy any Hong-Kong na Taïwan no tia mamaky amin’ny teny sinoa nentim-paharazana (CH). Ireo avy any Chine kosa, tia kokoa ny sinoa notsorina (CHS). Raha te hanome video na CD indray ianao, dia fantaro ny fitenim-paritra tena fampiasany. Mahazo teny sinoa mandarin (CHM) ireo avy any Chine sy Taïwan, amin’ny ankapobeny. Ireo avy any Hong-Kong kosa mahazo teny sinoa kantôney (CHC).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara