Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 27 Jona 2011. Hanao famerenana maharitra 20 minitra ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 2 Mey ka hatramin’ny 27 Jona 2011 izy io.
1. Nasain’i Jehovah nivavaka ho an’ireo olona nanota taminy i Joba. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Joba 42:8) [w98 15/8 p. 30, feh. 5]
2. Mila ‘manolotra sorona amim-pahamarinana’ ny Kristianina. Inona no dikan’izany? (Sal. 4:5) [w06 15/5 p. 18, feh. 9]
3. Nahoana no lazaina fa nananatra an’i Davida ny voany? (Sal. 16:7) [w04 1/12 p. 14, feh. 9]
4. Nahoana no azo lazaina hoe ‘manambara ny voninahitr’Andriamanitra ny lanitra’? (Sal. 19:1) [w04 1/10 p. 10, feh. 8]
5. Inona no ifandraisan’ny fanantenana sy ny herim-po, araka ny Salamo 27:14? [w06 1/10 p. 26-27, feh. 3, 6]
6. Ahoana no tokony hampiharantsika ny Salamo 37:21 eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahy sy anabavy? [w08 15/9 p. 24, feh. 17]
7. Inona no ianarantsika momba ny fankasitrahana, rehefa mandinika ny nataon’ny Levita iray tany an-tsesitany isika? (Sal. 42:1-3) [w06 1/6 p. 9, feh. 3]
8. Inona no afaka manampy antsika ho tia ny fahamarinana sy hankahala ny faharatsiana? (Sal. 45:7) [cf p. 58-59, feh. 8-10]
9. Nahoana no mampahery an’ireo mpanota mibebaka ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 51:17? [w10 1/5 p. 30, feh. 6]
10. Ahoana no hataontsika raha tiantsika ny ho toy ny hazo oliva ao an-tranon’Andriamanitra? (Sal. 52:8) [w00 15/5 p. 29, feh. 6]