Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 29 Aogositra
HERINANDRON’NY 29 AOGOSITRA
Hira 33 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 8 § 17-24, efajoro p. 67 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Salamo 110-118 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fampandrenesana. Asio fampisehoana: Fomba hanombohana fampianarana Baiboly ny asabotsy voalohany amin’ny volana Septambra, ampiasana an’ilay fomba fitory modely eo amin’ny pejy 8. Ampirisiho ny rehetra mba hazoto handray anjara amin’izy io. Ataovy lahateny ilay lahatsoratra hoe “Manolora ‘Gazety Tranainy’ na ‘Bokikely Mety Hahaliana’ An’ilay Olona.”
15 min: Be Zotom-po na dia efa Be Taona Aza. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny Diary 2011 (p. 61, feh. 1-2; p. 67, feh. 1; ary p. 135, feh. 3–p. 136, feh. 1). Asao ny mpanatrika hilaza ny fianarana noraisiny, aorian’ny fitantarana tsirairay.
10 min: Miomàna Hanolotra ny Gazety Amin’ny Septambra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay raketin’ireo gazety. Mifidiana lahatsoratra roa na telo, ary anontanio ny mpanatrika hoe inona no fanontaniana sy andinin-teny azo ampiasaina. Ataovy fampisehoana ny fomba azo anolorana an’ilay Tilikambo sy ilay Mifohaza!
Hira 122 sy Vavaka