Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 31 Oktobra 2011.
1. Nahoana isika no tokony hifikitra amin’ny fampahatsiahivan’i Jehovah? (Sal. 119:60, 61) [w00 1/12 p. 14, feh. 3]
2. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Salamo 133:1-3? [w06 1/9 p. 16, feh. 3]
3. Ahoana no ‘nandinihan’i Jehovah’ an’i Davida tamin’ny “an-tsipiriany”, ka ‘nandrefesany ny dia nalehany sy ny toerana nitsotsorany’? (Sal. 139:1, 3) [w06 1/9 p. 16, feh. 6; w93 1/10 p. 11, feh. 6]
4. Amin’ny zava-tsarotra inona avy i Jehovah no “manohana” sy “mampitraka” ny mpanompony? (Sal. 145:14) [w04 15/1 p. 17, feh. 11]
5. Nahoana ilay olona voaresaka ao amin’ny Ohabolana 6:12-14 no lazaina fa tsy manjary? [w00 15/9 p. 26, feh. 5-6]
6. Nahoana ny hendry no afaka ‘mankatò ny didy’? (Ohab. 10:8) [w01 15/7 p. 26, feh. 1]
7. Inona no maha samy hafa ny hendry sy ny adala raha misy maneso na manakiana tsy ara-drariny izy ireo? (Ohab. 12:16) [w03 15/3 p. 27, feh. 3-4]
8. Nahoana isika no ho toy ny “manao fety foana”, raha mijery lafy tsaran-javatra? (Ohab. 15:15) [w06 1/7 p. 16, feh. 6]
9. Inona no tafiditra amin’ny hoe “miezaka hanana fo hendry”, ary amin’ny ahoana no lazaina fa “tia ny tenany” ny olona toy izany? (Ohab. 19:8) [w99 1/7 p. 18, feh. 4; lv p. 108, feh. 24]
10. Nahoana no mitondra soa ho an’ny ao an-tranony ny olona mahay manavaka? (Ohab. 24:3) [w06 15/9 p. 27, feh. 11; be p. 32, feh. 1]