Madio sy Milamina ve Ilay Izy?
Ny boky na gazety na taratasy mivalona omentsika ny olona no tiantsika holazaina amin’izany. Hanjary halaza ratsy ny fandaminantsika raha miforitra, maloto, vasoka, na rovitra ny zavatra atolotsika. Mety tsy hifantoka amin’ilay hafatra kanto mamonjy aina raketin’izy ireny koa ny olona, raha izany.
Ahoana àry no hitandremantsika an’ireo boky na gazety mba hadio sy hilamina foana? Mpitory maro no mahita hoe tsara raha misy fizarany ny kitapo entina mitory. Misy, ohatra, fitoerana boky, ka mitokana ny gazety sy bokikely, ary misy koa toerana ho an’ny taratasy mivalona, sy ny sisa. Mitandrina tsara izy ireo rehefa mamerina ny Baiboly na boky ao anaty kitapo, mba tsy ho simba ilay izy. Misy koa mpitory mametraka an’ireo zavatra hatolotra ao anaty fitoerany manokana vita amin’ny plastika na baoritra, izay vao ataony anaty kitapo. Na inona na inona fomba ampiasaintsika, dia tsy hanolotra zavatra simba isika mba tsy hanana antony hanomezan-tsiny ny fanompoantsika ny olona.—2 Kor. 6:3.