Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 31 Oktobra
HERINANDRON’NY 31 OKTOBRA
Hira 104 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 12 § 1-8, efajoro p. 96 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Ohabolana 22-26 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fampandrenesana. “Madio sy Milamina ve Ilay Izy?” Lahateny. Rehefa vita ilay lahateny, dia ataovy fampisehoana ilay fomba fitory modely eo amin’ny pejy 8, mba hanombohana fampianarana Baiboly ny asabotsy voalohany amin’ny volana Novambra.
15 min: Zava-dehibe ny Fisehoana Ivelany Tsara Rehefa Manompo. Lahateny misy fiaraha-midinika ataon’ny anti-panahy iray, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 131-134.
10 min: Miomàna Hanolotra ny Gazety Amin’ny Novambra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritaninareo. Anontanio avy eo ny mpanatrika hoe inona no fanontaniana sy andininy azo ampiasaina amin’ireo lahatsoratra mifampitohy asongadin’ny fonon’ilay Tilikambo Fiambenana sy ilay Mifohaza! Ataovy toy izany koa ny lahatsoratra iray hafa, raha ampy ny fotoana. Asio fampisehoana roa ahitana ny fomba hametrahana ireo gazety.
Hira 90 sy Vavaka