Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Jona
Faly izahay milaza aminareo fa mizotra tsara ny fanitarana ny sampana. Vita izao ireo birao vaovao. Efa hatomboka ilay trano fonenana misy efitra 19. Niasa tsara koa isika teny amin’ny saha, satria nahapetraka gazety 550 000 teo ho eo, ary nitarika fampianarana Baiboly 66 000 teo ho eo. Tena ankasitrahanay ny asa mafy ataonareo ho an’i Jehovah!