Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Febroary: Boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana na bokikely Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay? Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana. Raha efa manana boky ilay olona, nefa tsy manaiky hianatra Baiboly, dia omeo gazety tranainy izy na bokikely mety hahaliana azy. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Raha liana ilay olona, dia omeo an’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina?, ary miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha koa hanao toy izany rehefa mitsidika olona liana. Anisan’izany ireo nanatrika Fahatsiarovana na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana.
◼ Izao no lohatenin’ny lahateny manokana amin’ity taona ity: “Mihevitra ve Ianao fa Mbola ho Ela ny Farany?” Hatao ny faran’ny herinandro aorian’ny Fahatsiarovana izy io.
◼ Raha mikasa ny ho any an-tany hafa ianao, nefa tsy hita ao amin’ny Diary farany ny anaran’ilay tany (ao amin’ilay tatitra maneran-tany na any amin’ireo adiresy any amin’ny farany), dia anontanio ny biraon’ny sampana, sao misy zavatra mila tandremanao na toromarika mila arahinao. Mety ho voarara mantsy ny asantsika any amin’ilay tany. (Mat. 10:16) Tsy dia tsara indraindray ny mitady Vavolombelona na fiangonana, any amin’ny tany toy izany. Mety homena toromarika hafa koa ianao raha te hitory tsy ara-potoana na hitondra boky sy gazety. Araho tsara ireny toromarika ireny. Tsy hahita olana ianao amin’izay, ary tsy ho sahirana ireo rahalahy ao amin’ilay tany.—1 Kor. 14:33, 40.