Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 5 Novambra
HERINANDRON’NY 5 NOVAMBRA
Hira 115 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 1 § 1-7 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Joela 1-3 (10 min.)
No. 1: Joela 2:17-27 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ahoana avy no Azontsika Ampiharana ny Ohabolana 22:3? (5 min.)
No. 3: Ahoana no Anajantsika ny Fandaminan’i Jehovah?—rs p. 180 § 6-10 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Tafika Lehibe ny Vehivavy Manambara ny Vaovao Tsara. (Sal. 68:11) Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny Diary 2012 (p. 118, feh. 2–p. 119, feh. 1; p. 130, feh. 1–p. 131, feh. 2). Asao ny mpanatrika avy eo hilaza izay lesona noraisiny.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny Novambra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana no mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo ireo gazety ireo. Ampiasao avy eo ireo lahatsoratra voalohany amin’ilay Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary asao ny mpanatrika hilaza izay fanontaniana mahaliana azo apetraka sy izay andininy azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia asaivo miresaka lahatsoratra iray hafa izy ireo. Ataovy fampisehoana ny fanolorana ny gazety tsirairay.
Hira 105 sy Vavaka