Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 25 Febroary
HERINANDRON’NY 25 FEBROARY
Hira 120 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 6 § 1-6 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Marka 5-8 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: “Tena Mila Mijanona ve Ianao?” Lahateny misy fiaraha-midinika.
10 min: Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika: “Ny Filazana An’i Jesosy.” Lahateny miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 275, feh. 4–p. 278, feh. 4). Tokony hafana fo ilay mpandahateny.
15 min: Manome Hery Antsika i Jehovah mba Hahavitantsika Hitory. (Fil. 4:13) Manadinadìna mpitory roa na telo mazoto manompo, na dia marary aza. Inona avy no zavatra mafy aminy? Inona no manampy azy tsy ho kivy be? Inona no ataon’ny fiangonana mba hanampiana azy? Inona no soa azony noho izy mazoto manompo?
Hira 42 sy Vavaka