Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 25 Febroary 2013. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay fanontaniana, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.
1. Nahoana i Jesosy no nilaza hoe “sambatra” ny ory? (Mat. 5:4) [7 Jan., w09 15/2 p. 6, feh. 6]
2. Inona no dikan’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”? (Mat. 6:13) [7 Jan., w04 1/2 p. 16, feh. 13]
3. Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny tamin’ny mpianany izy hoe: “Tsy ho tapitra voatetinareo daholo ny tanànan’ny Israely, mandra-pahatongan’ny Zanak’olona”? (Mat. 10:23) [14 Jan., w10 15/9 p. 9, feh. 12; gt p. 50, feh. 6]
4. Inona no hevitra roa misongadina ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny voan-tsinapy? (Mat. 13:31, 32) [21 Jan., w08 15/7 p. 17-18, feh. 3-8]
5. Inona no tian’i Jesosy hampianarina tamin’ilay hoe: “Tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy miova ho toy ny zaza”? (Mat. 18:3) [28 Jan., w07 1/2 p. 9, feh. 3-4]
6. Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe: “Voalazanao”? (Mat. 26:63, 64) [11 Feb., w11 1/6 p. 18]
7. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “Tompon’ny sabata”? (Mar. 2:28) [18 Feb., w08 15/2 p. 28, feh. 7]
8. Inona no tian’i Jesosy holazaina eo amin’ny Marka 3:34, 35, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Mar. 3:31-35) [18 Feb., w08 15/2 p. 29, feh. 5]
9. Nahoana no nampahiratin’i Jesosy tsikelikely ny mason’ilay lehilahy jamba, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Mar. 8:22-25) [25 Feb., w00 15/2 p. 17, feh. 7]
10. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jesosy, rehefa niteny mafy azy i Petera? (Mar. 8:32-34) [25 Feb., w08 15/2 p. 29, feh. 6]