Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Tena niezaka mafy isika rehetra, ka nahatratra 26 503 ny isan’ny mpitory tamin’ny Aogositra 2012. Ahoana kosa ny tamin’ny taom-panompoana iray manontolo? Nitombo enina isan-jato ny isan’ny mpitory. Nisy 115 958 ny nanatrika ny Fahatsiarovana, ary 67 405 teo ho eo ny isan’ny fampianarana Baiboly. Misaotra fa tena niasa tsara ianareo!