Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 4 Martsa
HERINANDRON’NY 4 MARTSA
Hira 62 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 6 § 7-12, efajoro p. 73 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Marka 9-12 (10 min.)
No. 1: Marka 11:19–12:11 (4 min. na latsaka)
No. 2: Mbola Tokony Hosazina Noho ny Fahotany ve ny Olona Iray Aorian’ny Fahafatesany?—rs p. 35 § 5–p. 36 § 2 (5 min.)
No. 3: Nahoana no Mahasambatra ny Manokan-tena ho An’Andriamanitra?—Asa. 20:35 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Ahoana no Azo Anolorana ny Gazety Amin’ny Martsa? Lahateny misy fiaraha-midinika. Anontanio ny mpanatrika hoe: Rehefa mizara fanasana ianao isaky ny faran’ny herinandro, ahoana no hahafantaranao raha azo omena gazety koa ilay olona na tsia? Ary raha hitanao hoe azo omena gazety izy, inona no holazainao mba hitohy tsara ny fomba fanolorana an’ilay fanasana sy ireo gazety? Ahoana no hataonao mba ho fohifohy ny resakao, na dia misy andinin-teny sy fanontaniana aza amin’ilay fomba fanolorana Mifohaza! sy Tilikambo Fiambenana? Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana ny gazety tsirairay miaraka amin’ilay fanasana.
10 min: Ampiasao ny Bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro 2013 fa Mahasoa Anao. Lahateny misy fiaraha-midinika. Hazavao vetivety ilay andinin-teny ho an’ny taona eo amin’ny pejy 3-4 sy ilay hoe “Ahoana no Fampiasana An’ity Bokikely Ity?”, eo amin’ny pejy 5. Asao ny mpanatrika avy eo hilaza hoe isaky ny inona izy no manao teny vakina, ary inona no soa noraisiny. Ampirisiho ny rehetra amin’ny farany mba hanao teny vakina isan’andro.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
Hira 119 sy Vavaka