Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Febroary: Iray amin’ireto bokikely ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (natao ho an’ny Silamo), Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (natao ho an’izay te hanaporofo fa diso ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa miverina mitsidika. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Martsa sy Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina, rehefa miverina mitsidika. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Mey: Iray amin’ireto taratasy mivalona ireto: Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana, Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao, Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!, Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity?, Iza moa i Jehovah?, Jesosy Kristy—Iza moa Izy?, Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?, Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?, ary Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Raha liana ilay olona, dia miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina, na iray amin’ireto bokikely ireto: Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao.
◼ Niova ny lahatenin’ny Fahatsiarovana nanomboka tamin’ity taona 2013 ity. Izao no lohateniny amin’ity taona ity: “Ankasitraho Izay Nataon’i Kristy ho Anao.”
◼ Izao no lohatenin’ny lahateny manokana ho an’ny besinimaro aorian’ny Fahatsiarovana, amin’ity taona 2013 ity: “Tsy Misy Azo Antenaina Intsony ve Rehefa Maty ny Olona?”
◼ Zavatra vaovao misy:
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro 2013 (es13) frantsay, malagasy
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro 2013, Soratra Lehibe (eslp13) malagasy
Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2001-2010 (dx01-10) frantsay
Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?—MP3 (mpbh) frantsay
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—MP3 (mpbi12) frantsay