Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 11 Martsa
HERINANDRON’NY 11 MARTSA
Hira 68 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 6 § 13-18, efajoro p. 74 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Marka 13-16 (10 min.)
No. 1: Marka 14:22-42 (4 min. na latsaka)
No. 2: Inona no Hevitry ny Fahatsiarovana?—rs p. 134 § 3–p. 135 § 2 (5 min.)
No. 3: Mifanitsy Amin’inona ny Mofo sy ny Divain’ny Fahatsiarovana?—rs p. 135 § 3-4 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao aloha ny mpanatrika hamaky ny Matio 10:7-10 sy Lioka 10:1-4. Diniho avy eo hoe inona no azo ianarana avy amin’ireo andininy ireo ka azo ampiharina eny amin’ny fanompoana.
10 min: Fomba Anitarana ny Fanompoana, Fizarana Voalohany. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Voalamina (p. 111, feh. 1 sy p. 112, feh. 2). Manadinadìna mpitory iray na roa nankany amin’izay nilana mpitory maro kokoa, na nianatra teny hafa, mba hanitarana ny fanompoany. Inona no olana tsy maintsy natrehiny? Inona no nataon’ny fianakaviany na ny fiangonana mba hanampiana azy? Inona no fitahiana azony?
10 min: “Aoka Ianao ho Falifaly Rehefa Manomana ny Fahatsiarovana!” Fanontaniana sy valiny. Resaho izay fandaharana efa ataon’ny fiangonanareo momba ny Fahatsiarovana, sy ny fizotran’ny fizarana fanasana.
Hira 8 sy Vavaka