FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/13 p. 8
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 3/13 p. 8

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa sy Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa mitsidika olona liana. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Mey sy Jona: Iray amin’ireto taratasy mivalona ireto: Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana, Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao, Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!, Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity?, Iza moa i Jehovah?, Jesosy Kristy—Iza moa Izy?, Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?, Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?, na Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Raha liana ilay olona, dia miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina, na amin’ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao.

◼ Hatao ny talata 26 Martsa 2013 ny Fahatsiarovana. Raha mivory talata ny fiangonanareo, dia ovao andro hafa ny fivoriana amin’io. Raha misy mampiasa foana anefa ny Efitrano Fanjakana, dia azo foanana ny fivoriana. Tokony hojeren’ny anti-panahy mpandrindra raha misy anjara tena ilain’ny fiangonana amin’ilay fivoriana nofoanana. Azony ampidirina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’io volana io izany. Raha mitsidika ny fiangonanareo ny mpiandraikitra ny faritra amin’io herinandro io, dia ovao andro hafa ny fivoriana fa aza atao talata.

◼ Zavatra vaovao misy:

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro 2013 (es13) anglisy

Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2013 (ca13) anglisy, frantsay, malagasy

◼ DVD vaovao misy, ary azo alaina ao amin’ny Internet ao amin’ny jw.org:

Afaka ny ho Naman’Andriamanitra Ianao! (dvgf-TTM) tenin’ny tanana malagasy

Mankatoava An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao (dvll-TTM) tenin’ny tanana malagasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara