Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 1 Aprily
HERINANDRON’NY 1 APRILY
Hira 38 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 7 § 7-13 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Lioka 7-9 (10 min.)
No. 1: Lioka 7:18-35 (4 min. na latsaka)
No. 2: Iza Ilay Firenena Vaovao Niforona Tamin’ny Pentekosta Taona 33, ary Nahoana Izy io no Noforonina?—Gal. 6:16; 1 Pet. 2:9 (5 min.)
No. 3: Iza no Vadin’i Kaina?—w10 1/9 p. 25, izay fanitsiana ny rs p. 231 § 4-6 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny Aprily. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana no mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo ireo gazety ireo. Ampiasao avy eo ny matoan-dahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ka asao ny mpanatrika hilaza izay fanontaniana mahaliana azo apetraka sy izay andininy azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia mbola asaivo miresaka lahatsoratra hafa izy ireo. Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana ny gazety tsirairay.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Ampiasao Tsara ny Diary 2013. Lahateny misy fiaraha-midinika. Diniho ny “Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana.” Asaivo miomana mialoha ny mpanatrika sasany mba hilaza izay tantara nampahery azy. Asao ny mpanatrika hiresaka izay zavatra miavaka ao amin’ny tatitra maneran-tany. Ampirisiho ny rehetra mba hamaky ilay Diary hatramin’ny farany.
Hira 75 sy Vavaka