Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 16 Septambra
HERINANDRON’NY 16 SEPTAMBRA
Hira 21 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 14 § 8-13 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Korintianina 1-7 (10 min.)
No. 1: 2 Korintianina 1:15–2:11 (4 min. na latsaka)
No. 2: Inona no Tsy Itovizan’ny Fampanantenan’ny Baiboly sy ny Finoana hoe Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa ny Olona?—rs p. 392 § 1-2 (5 min.)
No. 3: Inona no Tsy Maintsy Ataon’ny Olona Iray Raha Tiany ny Hialoka Amin’ny Anaran’i Jehovah?—Zef. 3:12 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana?—Fizarana 2. Lahateny miorina amin’ilay taratasy mivalona hoe Tanjon’ny Tanora, fehintsoratra faha-10 ka hatramin’ny farany. Adinadino vetivety ny mpitory iray nanomboka nanompo manontolo andro tamin’izy mbola tanora. Inona no nahatonga azy handray an’izany fanapahan-kevitra izany? Inona avy ny fitahiana azony?
10 min: Matetika Mandeha Irery ve Ianao Rehefa Manompo? Lahateny misy fiaraha-midinika. 1) Inona no hanampy antsika ho faly foana na dia tsy misy namana aza isika rehefa manompo? 2) Inona avy ny zavatra tsy maintsy tandremantsika rehefa manao fiverenana mitsidika irery isika? 3) Raha tsy misy fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ny andro andehanantsika manompo, ahoana no hataontsika mba hahazoana namana? 4) Nahoana no tsara indraindray ny manompo irery rehefa azo antoka hoe tsy hampidi-doza ny toerana sy ny fotoana hanaovana an’izany?
10 min: “Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?” Fanontaniana sy valiny. Diniho vetivety izay mampiavaka an’ilay bokikely.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2013, pejy 3.
Hira 107 sy Vavaka