Fampandrenesana
◼ Martsa sy Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mey sy Jona: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na ny taratasy mivalona: Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?, Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?, Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?, Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?, Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina?, ary Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Hatao ny alatsinainy 14 Aprily 2014 ny Fahatsiarovana. Raha mivory alatsinainy ny fiangonanareo, dia ovao andro hafa ny fivoriana amin’io, raha malalaka ny Efitrano Fanjakana. Raha tsy maintsy foanana anefa ny fivoriana, dia tokony hojeren’ny anti-panahy mpandrindra raha misy anjara tena ilain’ny fiangonana amin’ilay fivoriana nofoanana. Azony ampidirina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’io volana io izany.
◼ Izao no lohatenin’ny lahateny ho an’ny besinimaro hataon’ny mpiandraikitra ny faritra, mandritra ny fitsidihana faharoa hataony, amin’ny taom-panompoana 2014: “Ho Afaka Amin’ny Fahoriana ny Olombelona.”