Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 7 Aprily
HERINANDRON’NY 7 APRILY
Hira 15 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 5 § 9-17 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Eksodosy 7-10 (10 min.)
No. 1: Eksodosy 9:20-35 (4 min. na latsaka)
No. 2: Amin’ny Fomba Ahoana no Hiverenan’i Jesosy, ary Inona no Dikan’ny hoe Hahita Azy ny Maso Rehetra?—rs p. 266 § 1–p. 267 § 2 (5 min.)
No. 3: Nampitomboina ny Ezaka mba Hitoriana Momba ny Fiverenan’ny Tompo—jv p. 55 § 5–p. 60 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Manolora Gazety Amin’ny Volana Aprily. Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana aloha ny fanolorana an’ireo gazety, ka ampiasao ny fomba fitory modely eto amin’ity pejy ity. Iaraho midinika hatramin’ny farany avy eo ireo fomba fitory modely. Eo am-pamaranana, dia ampirisiho ny rehetra mba hamaky tsara an’ireo gazety sy hazoto hizara azy ireo.
10 min: Raiso Tsara Ireo Vahiny. (Heb. 13:1, 2) Lahateny ataon’ny anti-panahy. Resaho izay fandaharana efa ataon’ny fiangonana momba ny Fahatsiarovana. Lazao izay azon’ny rehetra atao mba handraisana tsara ny vahiny, anisan’izany ireo tsy mitory intsony. Asio fampisehoana fohy mizara roa. Alohan’ny fandaharana: Mpitory iray mandray olona nisy nanasa. Rehefa mirava: Mifanao fotoana amin’ilay olona izy mba hitsidihana azy.
10 min: Ahoana no Nampiharantsika Azy? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny rehefa nampihatra ny soso-kevitra tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Hatsarao ny Fanompoanao: Fomba Amaliana ny Olona Tsy Te Hiresaka.” Asao izy ireo avy eo hitantara zavatra mampahery mifandray amin’izany.
Hira 20 sy Vavaka