FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/14 p. 2-3
  • Fampianarana Baiboly Mandaitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampianarana Baiboly Mandaitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 2)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Tandremo Tsara ny ‘Fahaizanao Mampianatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 12/14 p. 2-3

Fampianarana Baiboly Mandaitra

1. Inona no andraikitry ny mpitory rehefa mampianatra Baiboly?

1 Tsy misy afaka manompo an’i Jehovah raha tsy ‘taominy.’ (Jaona 6:44) Na izany aza, dia tokony hanao ny anjarany ny mpitory ka hanampy ny mpianany hifandray tsara amin’ilay Rainy any an-danitra. (Jak. 4:8) Mila manomana tsara àry izy. Tsy ampy ny mamaky ny fehintsoratra tsirairay sy mametraka ny fanontaniana ao anaty boky, raha tiana hahazo ny hevi-dehibe sy handroso ilay mpianatra.

2. Inona no ho vokany raha mandaitra ny fampianarantsika?

2 Raha tiantsika handaitra ny fampianarantsika, dia tokony hampiana ilay mpianatra mba 1) hahazo izay ampianarin’ny Baiboly, 2) hanaiky izay ampianarin’ny Baiboly, ary 3) hampihatra izay ampianarin’ny Baiboly. (Jaona 3:16; 17:3; Jak. 2:26) Mety ho amam-bolana maro vao hahavita an’ireo dingana ireo ilay olona. Mihakaiky an’i Jehovah anefa izy isaky ny mahavita dingana iray, sady mampiseho hoe te hanokan-tena ho azy.

3. Nahoana isika no mila mahay mametraka fanontaniana?

3 Fantaro ny hevitr’ilay mpianatra: Ahoana no ahalalanao hoe azon’ilay mpianatra sy ekeny ve ny zavatra ianarany sa tsia? Aza mibodo resaka fa ampirisiho izy hilaza ny heviny. (Jak. 1:19) Azony ve izay lazain’ny Baiboly momba an’ilay foto-kevitra ianarana? Hainy ve ny manazava an’ilay izy amin’ny fomba fiteniny? Inona no tsapany momba ny zavatra nianarany? Mino ve izy fa mitombina izay ampianarin’ny Baiboly? (1 Tes. 2:13) Azony ve hoe tokony hisy vokany eo amin’ny fiainany ny zavatra ianarany? (Kol. 3:10) Mila mahay manontany ny heviny isika, mba hahalalana an’izany, ary mihaino azy avy eo.—Mat. 16:13-16.

4. Inona no tokony hataontsika raha sarotra amin’ilay olona ny mahatakatra na mampihatra an’ilay zavatra ampianarina azy?

4 Efa lalim-paka ao amin’ny olona matetika ny fomba fisainany sy ny fahazarany, ka mila fotoana izy mba hiovana. (2 Kor. 10:5) Ahoana raha tsy eken’ilay mpianatra na tsy ampihariny ny zavatra ianarany? Mila manam-paharetana isika ka hamela fotoana ampy tsara, mba hahafahan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina hiasa ao am-pony. (1 Kor. 3:6, 7; Heb. 4:12) Raha sarotra aminy ny mahatakatra na mampihatra an’ilay zavatra ampianarina azy, dia aza terena izy fa aleo mianatra foto-kevitra hafa. Mety hiova ihany izy raha manam-paharetana sy be fitiavana isika rehefa mampianatra azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara