Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 28 Septambra
HERINANDRON’NY 28 SEPTAMBRA
Hira 73 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 31 § 1-12 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 23-25 (8 min.)
No. 1: 2 Mpanjaka 23:8-15 (3 min. na latsaka)
No. 2: Inona no Anjara Asan’ny Anjely eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra?—Fanondroana Teny, bi12 p. 1776; w07 15/3 p. 22 (5 min.)
No. 3: Fitoriana Tany Eoropa Nandritra ny Fanenjehana Tamin’ny Ady—jv p. 448 § 4–p. 455 § 1; raha ampy ny fotoana dia resaho kely ny momba an’ireo Vavolombelona tsy mivadika, eo amin’ny pejy 451-453 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: ‘Torio amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’—Asa. 20:24.
10 min: Nitory Tamin’ny Fomba Feno ry Paoly Tany Filipy. Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hamaky ny Asan’ny Apostoly 16:11-15. Diniho izay azo ampiharina amin’izy io, rehefa mitory na mampianatra.
20 min: “Ampiasao Hampianarana Baiboly ny Bokikely Vaovao Tsara.” Fanontaniana sy valiny. Rehefa vita ny fehintsoratra faha-3, dia asio fampisehoana voaomana tsara: Mpitory iray manolotra ny bokikely Vaovao Tsara sy miara-midinika fehintsoratra iray amin’ilay olona itoriany.
Hira 114 sy Vavaka