Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
4-10 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 36-37
“Nialona An’i Josefa Ireo Rahalahiny ka Nampijaly Azy”
“Mba Henoy Kely Izao Nofiko Izao”
Hoy ny Baiboly: “Rehefa hitan’ny rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahala azy izy ireo, ka tsy nahavita niresaka taminy tamin-katsaram-panahy.” (Genesisy 37:4) Ara-dalàna raha nialona azy ny zokiny, kanefa tokony ho nifehy ny fihetseham-pony ihany izy ireo. (Ohabolana 14:30; 27:4) Efa nialona koa ve ianao satria hoe lasan’olon-kafa ny voninahitra na zavatra hafa tianao ho azo? Tadidio ny zokin’i Josefa. Lasa nanao zavatra nanenenany mafy izy ireo noho ny fialonana. Aleo foana àry ‘miara-mifaly amin’izay mifaly.’—Romanina 12:15.
Azo antoka fa hitan’i Josefa hoe tsy tia azy maizina ny zokiny. Asa raha nieritreritra ny hanafina an’ilay akanjo izy, rehefa teo akaikikaiky teo ry zareo. Fantatsika anefa fa porofom-pitiavan’i Jakoba an’ilay zanany ilay akanjo. Nanaovan’i Josefa foana àry ilay izy satria mba te hampiseho koa izy hoe azo atokisana. Ohatra tsara ho antsika izy. Marina fa tsy miangatra ilay Raintsika any an-danitra, kanefa misy mpanompony ataony miavaka amin’ny hafa ihany indraindray. Milaza koa izy hoe tokony hiavaka ny mpanompony, fa tsy ho ratsy fitondran-tena toy ny olona eto amin’izao tontolo izao. Ny an’i Josefa ny akanjony no nampiavaka azy, fa ny an’ny tena Kristianina ny fitondran-tenany. Mahatonga ny olona hialona sy tsy ho tia azy ireo izany indraindray. (1 Petera 4:4) Kristianina anefa izy ireo ka tsy tokony hanafina an’izany, hoatran’ny tsy nanafenan’i Josefa ny akanjony.—Lioka 11:33.
“Mba Henoy Kely Izao Nofiko Izao”
Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ireo nofy ireo. Faminaniana ilay izy ary tian’Andriamanitra holazain’i Josefa amin’ny olona. Mitovitovy amin’ny nataon’ny mpaminany tatỳ aoriana no nataon’i Josefa. Nasain’Andriamanitra niresaka hafatra sy didim-pitsarana ho an’ny mpanompony nivadika koa mantsy izy ireny.
Nitandrintandrina erỳ i Josefa niteny tamin’ny zokiny hoe: “Mba henoy kely izao nofiko izao.” Azon’ny zokiny tsara ilay nofy ary tsy tiany maizina. Hoy izy ireo: “Dia tena hanjaka aminay tokoa ve ialahy? Dia tena hifehy anay tokoa ve ialahy?” Lasa “vao mainka nankahalan’ireo azy ny nofiny sy ny teniny.” Mbola hoatr’izay ihany no nitranga rehefa nitantara an’ilay nofy faharoa tamin’izy ireo sy ny dadany i Josefa. “Niteny mafy azy ny rainy hoe: ‘Inona no dikan’izany nofinao izany? Ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?’” Nosaintsainin’i Jakoba ihany anefa ilay nofy. Mety ho i Jehovah mantsy, hoy izy, no niresaka tamin’io zaza io.—Genesisy 37:6, 8, 10, 11.
Tsy i Josefa ihany no mpanompon’i Jehovah nirahina hilaza hafatra tsy tian’ny olona hoatr’izany. Ny mpitory sasany aza nenjehina mihitsy noho ny hafatra notoriny. I Jesosy no lehibe indrindra amin’ireny mpitondra hafatra ireny. Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy. “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Afaka ny hanam-pinoana sy ho sahy, toa an’i Josefa kely, ny Kristianina rehetra na tanora izy na antitra.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Edoma” § 1
Edoma
(Edôma) [Mena], Edomita (Edômita).
Nantsoina koa hoe Edoma i Esao, kambana amin’i Jakoba. (Ge 36:1) Nomena an’io anarana io izy, satria nivarotra ny zony amin’ny maha lahimatoa azy ho takalon’ny lantihy mena. (Ge 25:30-34) Mena koa ny vatany tamin’izy teraka (Ge 25:25), ary feno tany mena ny faritra sasany nonenan’izy sy ny taranany.
it “Zavatra sy Olona Nambenana” § 3-4
Zavatra sy Olona Nambenana
Toy ny hoe nanao fifanarahana ara-dalàna tamin’ny tompom-biby ny mpiandry izay nanaiky hiambina ny ondriny na biby fiompy hafa. Nanome toky azy izy fa homeny sakafo ireo biby, ary honerany raha misy mangalatra. Tsy notanana ho tompon’andraikitra anefa izy raha sendra ny toe-javatra tsy azo anoarana, toy ny fanafihan’ny bibidia. Tsy maintsy nisy porofo nasehony an’ilay tompom-biby anefa, ohatra hoe ny fatin’ilay biby efa rotidrotika. Tsy tokony hanameloka azy ilay tompom-biby, rehefa avy nandinika an’ilay porofo.
Nihatra foana io toro lalana io, na dia tsy biby aza ilay napetraka tamin’olona. Andraikitry ny lahimatoa teo anatrehan’ny lalàna, ohatra, ny niambina ny zandriny. Tsy mahagaga àry raha natahotra ny amin’ny ain’i Josefa i Robena lahimatoa, rehefa nitady hamono azy io ny rahalahiny, araka ny Genesisy 37:18-30. “Hoy izy: ‘Aoka isika tsy hamely azy ho faty.’ ... ‘Aza mandatsa-dra ... aza mikasi-tanana azy.’ Te hamonjy an’i Josefa teo an-tanan’ireo mantsy izy, mba hamerenany azy tany amin-drainy.” Rehefa tsy hitan’i Robena intsony i Josefa, dia nitebiteby be izy ka ‘norovitiny ny akanjony.’ Hoy izy: “Tsy ao intsony ilay zaza! Aiza re ny tany halehako e?” Fantany fa azo natao ampamoaka izy raha very i Josefa. Nampiasa hafetsena àry ny rahalahin’i Josefa mba hialana andraikitra, ka mody nilaza fa novonoin’ny bibidia izy io. Natsobok’izy ireo tao anaty ran’osy ny akanjo lava mitsipitsipika nanaovan’izy io, ary iny no porofo nasehony an’i Jakoba rainy, izay mpitsara koa. Rehefa hitan’i Jakoba ilay akanjo feno ra, dia niaiky izy fa matin’ny bibidia tokoa i Josefa ka tsy nataony ampamoaka i Robena.—Ge 37:31-33.
Famakiana Baiboly
11-17 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 38-39
“Tsy Nanary An’i Josefa Mihitsy i Jehovah”
“Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”
“Ary i Josefa nentina nidina tany Ejipta. Ary i Potifara Ejipsianina, izay tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiaro azy, dia nividy an’i Josefa tamin’ireo Ismaelita nitondra azy nidina tany.” (Genesisy 39:1) Eritrereto ange izay tsapan’i Josefa e! Nahatsiaro ho tsy nisy dikany izy satria namidy indray. Lasa entam-barotra izy. Alao sary an-tsaina izy mamakivaky tsena be olona, manaraka ny tompony, izay tandapa ejipsianina. Any aminy i Josefa no hipetraka manomboka izao.
Tsy nitovy tamin’ny tranon’i Josefa hatramin’izay mihitsy ilay tranony vaovao. Nipetraka tamin’ny tranolay foana izy mianakavy satria nifindrafindra monina, sady niandry ondry. Tsara tarehy sy marevaka kosa ny tranon’ny Ejipsianina mpanankarena toa an’i Potifara. Milaza ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa tian’ny Ejipsianina fahiny ny zaridaina mifefy misy alokaloky ny hazo, sy dobo ambolena zozoro sy voahirana ary zavamaniry hafa. Voahodidina zaridaina ny trano sasany, ary nisy fidirana mitafo ankafizana tsiotsio-drivotra, sy varavarankely avo be fidiran’ny rivotra. Nisy efitra maro koa izy ireny, sady nisy efitra lehibe iray fisakafoana sy efitra maro ho an’ny mpanompo.
“Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”
Tsy haintsika tsara hoe hoatran’ny ahoana ny fonja tamin’izany. Hitan’ny mpikaroka hoe tranobe voahodidina manda, misy efitrefitra sy lakaly figadrana, ny fonja tamin’izany. Nilaza i Josefa, tatỳ aoriana, hoe “lavaka” ilay nisy azy, izany hoe toerana maizina sady mahakivy. (Genesisy 40:15) Hoy ny Salamo 105:17, 18 momba ny fampijaliana hafa natao taminy: “Nogejaina ny tongony, ary nasiana gadra vy izy.” Izao no nataon’ny Ejipsianina tamin’ny voafonja, indraindray: Alaina ny tanany roa, alefa any aoriana, ary gejaina avy eo amin’ny kihony. Ny hafa kosa asiana gadra vy ny tendany. Tena tsy maintsy ho nijaly be i Josefa, nefa tsy nanao ratsy akory.
Nijanona tany maharitra koa izy. Milaza ny Baiboly fa “tao am-ponja tao foana” i Josefa. Nijanona tao an-taonany maro izy, ary tsy fantany na ho tafavoaka ao izy na tsia. Rehefa nandeha teny ny andro sy ny volana ary ny taona, inona no nanampy azy tsy ho kivy mihitsy?
Mamaly toy izao ilay fitantarana: ‘Nomba an’i Josefa foana i Jehovah, sady tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy.’ (Genesisy 39:21) Tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpanompony na fonja, na gadra vy, na efitra maizim-be. (Romanina 8:38, 39) Azonao sary an-tsaina ve i Josefa mitantara amin’ilay Rainy any an-danitra ny fahoriany? Milamin-tsaina sy tony tsara izy avy eo. Ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” ihany no afaka manao an’izany. (2 Korintianina 1:3, 4; Filipianina 4:6, 7) Inona koa no nataon’i Jehovah ho an’i Josefa? Nataony foana izay hahazoan’i Josefa “sitraka tamin’ny lehiben’ny fonja”, hoy ihany ilay fitantarana.
“Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”
Mamaly toy izao ilay fitantarana: ‘Nomba an’i Josefa foana i Jehovah, sady tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy.’ (Genesisy 39:21) Tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpanompony na fonja, na gadra vy, na efitra maizim-be. (Romanina 8:38, 39) Azonao sary an-tsaina ve i Josefa mitantara amin’ilay Rainy any an-danitra ny fahoriany? Milamin-tsaina sy tony tsara izy avy eo. Ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” ihany no afaka manao an’izany. (2 Korintianina 1:3, 4; Filipianina 4:6, 7) Inona koa no nataon’i Jehovah ho an’i Josefa? Nataony foana izay hahazoan’i Josefa “sitraka tamin’ny lehiben’ny fonja”, hoy ihany ilay fitantarana.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Onana”
Onana
(Onàna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “hery ahafahana manana anaka; tanjaka”].
Zanakalahy faharoa naterak’i Joda tamin’ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita. (Ge 38:2-4; 1Ta 2:3) Nanao ratsy i Era zokin’i Onana ka novonoin’i Jehovah. Mbola tsy niteraka anefa i Era tamin’izay. Lasa mpitondratena àry i Tamara vadiny. Nasain’i Joda nanambady an’i Tamara i Onana mba hitondra loloha an’i Tamara. Tsy ho razamben’ny fianakaviamben’i Onana anefa ny zaza hateraka, raha lahy. Ho lasany ny lovan’ny lahimatoa satria izy no ho mpandova an’i Era. Ho lasan’i Onana kosa ilay lova raha tsy misy mpandova i Era. Rehefa nanao firaisana tamin’i Tamara àry i Onana, dia “nariany tamin’ny tany ny tsirinainy.” Tena nanao firaisana mihitsy i Onana, fa tsy hoe nikasikasika ny filahiany. Milaza mantsy ny Baiboly fa “nanao firaisana tamin’ny vadin-drahalahiny” izy ary nariany ny tsirinainy. Toa niniany najanona talohan’ny handehanan’ny tsirinainy ny fanaovany firaisana, mba tsy ho lasa any amin’ny taovam-pananahan’i Tamara ny tsirinainy. Tsy nankatò an-drainy i Onana, sady naniry mafy te hanan-karena. Nanota koa izy: Tsy hoe fikasikasihana ny filahiany izany ota izany, fa fandikana ilay didy nomen’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Novonoin’i Jehovah àry izy, ka maty tsy niteraka.—Ge 38:6-10; 46:12; No 26:19.
Fanontanian’ny Mpamaky
Tsy nety ny nataon’i Joda satria tsy nomeny ho vadin’i Tamara i Sela zanany lahy, araka ny nampanantenainy. Nanao firaisana tamin’ny vehivavy iray noheveriny ho mpivaro-tena koa izy. Nifanohitra tamin’ny sitrapon’Andriamanitra izany, satria ny vadiny ihany no tokony hanaovan’ny lehilahy firaisana. (Genesisy 2:24) Tsy nanao firaisana tamin’ny mpivaro-tena anefa i Joda, raha ny marina. Naka tsy nahy ny toeran’i Sela zanany izy, ka nitondra loloha an’i Tamara. Noho izany, dia zanany ara-dalàna ny zaza naterak’i Tamara.
Tsy nijangajanga i Tamara rehefa nanao firaisana taminy. Tsy noheverina ho zanaky ny fijangajangana ny zanany kambana roa lahy. Rehefa nitondra loloha an’i Rota moabita i Boaza avy any Betlehema, dia nilaza zavatra tsara momba an’i Fareza zanak’i Tamara ny anti-panahin’i Betlehema, ka niteny tamin’i Boaza hoe: “Ho tahaka ny taranak’i Fareza, izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’i Jehovah anao amin’ity vehivavy ity.” (Rota 4:12) Tafiditra ao amin’ny lisitry ny razamben’i Jesosy Kristy koa i Fareza.—Matio 1:1-3; Lioka 3:23-33.
Famakiana Baiboly
18-24 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 40-41
“Nanafaka An’i Josefa i Jehovah”
“Tsy Andriamanitra ve no Mahalaza ny Hevitry ny Nofy?”
Nanadino an’i Josefa ilay mpandroso zava-pisotro, fa i Jehovah kosa tsy nanadino azy mihitsy. Nataony nanonofy indroa i Farao, indray alina. Hitan’i Farao tao amin’ilay voalohany hoe nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy tao amin’ny reniranon’i Neily. Nisy ombivavy fito ratsy tarehy sady mahia koa nanaraka azy ireo. Nohanin’ireo omby mahia ireo matavy. Nanonofy indray izy avy eo hoe nisy salohim-barimbazaha fito vaventy nipoitra tamin’ny tahony iray. Nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, ary mahia sady main’ny rivotra izy ireo. Natelin’ireo salohy fito mahia ireo fito vaventy. Nitebiteby i Farao nony maraina, ka nantsoiny daholo ny olon-kendry sy ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina, mba hilaza ny dikan’ireo nofy. Tsy nisy nahay anefa izy ireo. (Genesisy 41:1-8) Tsy haintsika na tsy nahita hotenenina izy ireo na tsy nitovy hevitra. Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango àry i Farao, nefa tsy nilavo lefona.
Teo ilay mpandroso zava-pisotro vao nahatsiaro hoe nisy tovolahy tany am-ponja nahay nanazava ny nofiny sy ny an’ilay mpanao mofo, roa taona lasa izay! Nanenjika azy ny eritreriny, ka noresahiny i Farao. Teo no ho eo ihany, dia nampanantsoin’i Farao i Josefa!—Genesisy 41:9-13.
“Tsy Andriamanitra ve no Mahalaza ny Hevitry ny Nofy?”
Tian’i Jehovah ny olona manetry tena sy manam-pinoana toa an’i Josefa. Izy àry no nilazany ny dikan’ireo nofy nahavery hevitra ny olon-kendry sy mpisorona. Nilaza i Josefa fa mitovy ihany ny dikan’ireo nofin’i Farao. Nataon’i Jehovah roa ilay nofy mba hanasongadinana fa “mafy orina” ilay izy, izany hoe tsy maintsy ho tanteraka. Ireo omby fito matavy sy salohim-bary fito vaventy, dia midika hoe ho tondraka ny vokatra any Ejipta mandritra ny fito taona. Ireo omby fito mahia sy salohim-bary fito mahia kosa, dia midika hoe hisy mosary fito taona aorian’izay, ka ho toy ny tsy nisy ilay vokatra be teo.—Genesisy 41:25-32.
“Tsy Andriamanitra ve no Mahalaza ny Hevitry ny Nofy?”
Nitana ny teniny tokoa i Farao. Nampitafiana lamba rongony tena tsara i Josefa sady nomena rojo volamena sy peratra fanombohan-kase ary kalesim-boninahitra. Nomena fahefana feno hitety an’i Ejipta koa izy mba hanatanterahany an’ilay heviny. (Genesisy 41:42-44) Lasa nipetraka tao anaty lapa tampoka teo àry i Josefa, nefa mbola tany am-ponja ny marainan’iny. Mbola gadra izy rehefa nifoha, fa lasa manam-pahefana faharoa ambony indrindra, rehefa hatory. Hita mihitsy hoe tsy diso izy nino an’i Jehovah Andriamanitra. Nahita ny tsy rariny rehetra niaretany an-taonany maro i Jehovah, ary efa nieritreritra ny hanala an’izany. Hainy tsara ny nandamina an’ilay izy tamin’ny fotoana mety. Ho hitantsika any amin’ny lahatsoratra any aoriana fa nitsinjo ny hoavin’ny firenen’Israely koa izy rehefa nanao izany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fantatrao Ve?
Nahoana i Josefa no niharatra aloha vao niseho teo anatrehan’i Farao?
Nanonofy i Farao indray mandeha ka nitebiteby be. Nasainy nentina tany aminy haingana ilay gadra hebreo atao hoe Josefa, mba hilaza ny hevitr’ilay nofy. Efa ela i Josefa tamin’izay no nigadra. Niharatra aloha izy na dia nasain’i Farao ho tonga haingana aza. (Genesisy 39:20-23; 41:1, 14) Hoatran’ny hoe tsy ilaina tantaraina akory izany tsipiriany izany. Hita avy amin’izany anefa fa nahafantatra tsara ny fomba amam-panaon’ny Ejipsianina ilay mpanoratra ny bokin’ny Genesisy.
Tia nanalava volombava ny olona tany amin’ny firenena sasany fahiny, anisan’izany ny Hebreo. “I Ejipta ihany no firenena tatsinanana nandrara ny olona tsy hanalava volombava”, araka ny Rakipahalalana Momba Ireo Boky Manazava ny Baiboly sy ny Teolojia ary ny Fiangonana (anglisy) nosoratan’i McClintock sy Strong.
Ny volombava ihany ve no nesorina? Milaza Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy) fa tsy maintsy niomana toy ny ho any amin’ny tempoly ny lehilahy iray rehefa hiseho teo anatrehan’i Farao, araka ny fombafomba sasany fanaon’ny Ejipsianina. Tsy maintsy ho nesorin’i Josefa àry ny volo rehetra tamin’ny lohany sy ny vatany.
Mahalala Fomba ny Mpanompon’Andriamanitra
14 Nampianatra ny zanany hahalala fomba ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra fahiny. Hitantsika ao amin’ny Genesisy 22:7, ohatra, fa nifanaja i Abrahama sy Isaka rehefa nifampiresaka. Nampianarin’ny ray aman-dreniny hahalala fomba koa i Josefa, ka nohajainy na dia ireo voafonja niaraka taminy aza. (Gen. 40:8, 14) Nahay ny fomba firesaka amin’ny olona ambony koa izy, raha jerena izay nolazainy tamin’i Farao.—Gen. 41:16, 33, 34.
Famakiana Baiboly
25-31 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 42-43
“Tena Nahay Nifehy Tena i Josefa”
“Izaho Angaha Solon’Andriamanitra?”
Ary i Josefa? Tonga dia fantany ny rahalahiny! Tadidiny koa ilay zava-nitranga tamin’izy mbola kely, rehefa hitany niankohoka teo anatrehany izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Tsaroan’i Josefa avy hatrany ny nofiny.” Efa nasehon’i Jehovah azy tamin’ny nofy mantsy, tamin’izy mbola kely, fa hiankohoka eo anatrehany ny rahalahiny. (Genesisy 37:2, 5-9; 42:7, 9) Dia io tokoa fa miankohoka izy ireo izao! Hanoroka sy hamihina azy ireo ve izao i Josefa sa hamaly faty?
Na inona na inona tsapany, dia niezaka nifehy tena izy. I Jehovah mantsy no nahatonga an’izao fiovana be izao mba hanatanterahana ny fikasany. Efa nampanantena izy fa ho lasa firenena matanjaka ny taranak’i Jakoba. (Genesisy 35:11, 12) Raha mbola nahery setra sy tia tena ary mafy fo anefa ny rahalahin’i Josefa, dia mety tsy ho tanteraka amin’izy ireo ilay fikasan’Andriamanitra. Raha maika nanao zavatra koa i Josefa dia mety ho nisy fiantraikany tamin’ny fifandraisan’izy ireo tany an-trano izany, ary mety ho nampidi-doza an’ny rainy sy Benjamina mihitsy aza. Tsy hainy akory na mbola velona na efa maty izy mianaka. Naleon’i Josefa àry tsy nitsotra hoe iza izy mba hahafahany hitsapa azy ireo sy hahitana ny toetrany. Ho fantany avy eo hoe inona no tian’i Jehovah hataony.
“Izaho Angaha Solon’Andriamanitra?”
Mety tsy hitranga aminao mihitsy io nahazo an’i Josefa io. Be dia be anefa izao ny fianakaviana tsy miray saina sy miady. Mety ho entim-po isika ka hanao izay hitantsika fa mety fotsiny rehefa tratran’izany. Hendry anefa isika raha manahaka an’i Josefa ka miezaka hahafantatra hoe ahoana no tian’i Jehovah handaminantsika an’ilay olana. (Ohabolana 14:12) Tadidio koa fa na zava-dehibe aza ny mihavana amin’ny fianakaviana, dia mbola zava-dehibe kokoa noho izany ny mifandray tsara amin’i Jehovah sy Jesosy.—Matio 10:37.
“Izaho Angaha Solon’Andriamanitra?”
Nisy zavatra maromaro nataon’i Josefa mba hahafantarana ny toetran’ny rahalahiny. Nampiasa mpandika teny aloha izy sady nasiaka tamin’izy ireo ka nilaza fa mpitsikilo izy ireo. Te hiaro tena ireo rahalahin’i Josefa ka notantarainy ny mombamomba ny fianakaviany. Nilaza izy ireo fa mbola manana zandrilahy. Mody tsy taitra mihitsy i Josefa, nefa tena faly be. Mbola velona tokoa ve ilay zandriny? Fantatr’i Josefa izao izay tokony hataony. Hoy izy: “Izao no hitsapana anareo”, dia noteneniny tamin’izy ireo hoe tsy maintsy entin’izy ireo any aminy ilay zandriny. Navelan’i Josefa nandeha nody ireo rahalahiny mba haka an’ilay zandriny fa ny iray amin’izy ireo kosa notazoniny.—Genesisy 42:9-20.
it “Josefa”: “Tonga hividy sakafo ireo rahalahiny” § 2
Josefa
Nihevitra ireo rahalahin’i Josefa fa sazy avy amin’Andriamanitra no nahazo azy ireo noho ny nivarotany an’i Josefa ho andevo, taona maro talohan’izay. Nahatsiaro ho meloka izy ireo, ary niresadresaka momba izany teo imason’i Josefa. Mbola tsy fantany hoe i Josefa io. Nihetsi-po be i Josefa rehefa nandre izany. Hitany izao fa nibebaka izy ireo. Niala teo àry izy ary nitomany. Niverina teo indray izy avy eo ka nasainy nofatorana i Simeona, mandra-piverin’ireo rahalahiny niaraka tamin’ny zandrin’izy ireo faralahy.—Ge 42:21-24.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Robena” § 2
Robena
Tsara toetra i Robena satria nandresy lahatra an’ireo rahalahiny sivy izy mba tsy hamono an’i Josefa fa handatsaka azy tao anaty lavadrano ritra. Nikasa hiverina mangingina hamonjy an’i Josefa avy tao mantsy izy. (Ge 37:18-30) Maherin’ny 20 taona tatỳ aoriana, dia nihevitra ireo rahalahiny ireo, fa noho izy ireo nampijaly an’i Josefa no niampangana azy ireo ho mpitsikilo tany Ejipta. Nampahatsiahivin’i Robena fa tsy niray tetika tamin’izy ireo tamin’izany izy. (Ge 42:9-14, 21, 22) Rehefa tsy navelan’i Jakoba hiaraka tamin’ny rahalahiny i Benjamina, tamin’izy ireo nandeha fanindroany tany Ejipta, dia mbola i Robena no nanome antoka hoe: “Azonao vonoina ho faty ny zanako roa lahy raha tsy entiko miverina atỳ aminao [i Benjamina].”—Ge 42:37.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana II
43:32—Nahoana no naharikoriko ny Ejipsianina ny niara-nisakafo tamin’ny Hebreo? Nety ho vokatry ny fankahalana ny fivavahan’ny Hebreo, na ny fiheveran-tena ho avo razana no tena nahatonga izany. Fahavetavetana tamin’ny Ejipsianina koa ny mpiandry ondry. (Genesisy 46:34) Nahoana? Satria fotsiny angamba karazan’olona ambany teo amin’ny ejipsianina ny mpiandry ondry. Na koa, satria voafetra ny tany azo novolena, ka halan’ny Ejipsianina izay nitady kijana tao.
Famakiana Baiboly