FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 11
  • Ahoana Raha Lasa Tsy Atokisanao Intsony ny Zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana Raha Lasa Tsy Atokisanao Intsony ny Zanakao?
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Lasa maditra ve ilay zanakay?
  • Tsy te hankatò ahy fotsiny ve izy?
  • Iza no tokony homena tsiny?
  • Ahoana no hanampiako azy?
  • Ahoana no Hanomezana Fitsipika ny Tanora?
    Mifohaza!—2013
  • Miezaha mba Tsy Hifamaly Amin’ny Zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Ahoana no Hiresahanao Amin’ny Zanakao?
    Mifohaza!—2013
  • Ampio ny Zanakao mba Hankatò
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 11
Ray aman-dreny diso fanantenana amin’ny zavatra ataon’ny zanany lahy.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana Raha Lasa Tsy Atokisanao Intsony ny Zanakao?

Misy ankizy sasany tsy manaja ny ora fodiana, dia tara be vao miditra ny trano. Ny hafa indray mandainga amin’ny ray aman-dreniny, na mivoaka ny trano dia lasa miaraka amin’ny namany nefa tsy niera akory. Inona no hataonao raha lasa tsy atokisanao intsony ny zanakao?

  • Lasa maditra ve ilay zanakay?

  • Tsy te hankatò ahy fotsiny ve izy?

  • Iza no tokony homena tsiny?

  • Ahoana no hanampiako azy?

  • Ny hevitry ny ray aman-dreny sasany

Lasa maditra ve ilay zanakay?

Tsy voatery ho izany. Hoy ny Baiboly hoe: “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.” (Ohabolana 22:15) Hita amin’ny zavatra ataon’ny tanora hoe tena marina izany. Hoy ny Pr. Laurence Steinberg: “Matetika no mandray fanapahan-kevitra adaladala sady maimaika ny tanora. Dia mazava ho azy fa tsy maintsy hanao fahadisoana izy izany.”a

Tsy te hankatò ahy fotsiny ve izy?

Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy te hankatò anao ny zanakao. Hita tamin’ny fanadihadiana fa tena zava-dehibe amin’ny tanora ny mahafantatra hoe ahoana no mba fiheveran’ny ray aman-dreniny azy, na dia mody tsy asehony aza ilay izy. Na dia tsy asehon’ny zanakao aminao aza hoe nandiso fanantenana anao izy, dia tena izany mihitsy no tsapany. Ankoatra izay, dia kivy sady diso fanantenana tamin’ny zavatra nataony koa izy.b

Sary natambatambatra: 1. Tongotra tapaka atao radio. 2. Tongotra misy platra. 3. Lehilahy mandeha fa efa sitrana ilay tongony tapaka.

Mbola azo averina amin’ny laoniny ny taolana tapaka. Dia hoatr’izay koa fa mbola azo atao tsara indray ny mifampatoky raha nisy olana izany teo aloha.

Iza no tokony homena tsiny?

  • Ny manodidina azy ve? Milaza ny Baiboly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Tena misy vokany amin’ny tanora tokoa ny namany. Dia hoatr’izany koa ny Internet, tele, radio, ary ny dokam-barotra. Tsy mbola nandia fiainana koa ny tanora, dia tsy mahagaga izy raha mandray fanapahan-kevitra adaladala. Raha ekeny anefa hoe misy vokany ny fanapahan-kevitra raisiny, dia ho lasa olon-dehibe matotra izy any aoriana any.

  • Sao dia mba fahadisoako àry ilay izy? Mety hieritreritra ianao hoe hentitra be loatra angamba ianao, dia izay no nahatonga ny zanakao hanaonao foana. Na mety hoe nandefitra loatra taminy ianao, dia lasa nanao izay tiany izy. Aleo tsy mifantoka amin’ny hoe inona no nahatonga an’ilay olana fa aleo mieritreritra hoe inona no vahaolana.

Ahoana no hanampiako azy?

  • Mahaiza mifehy ny fihetseham-ponao. Mieritreritra izao ny zanakao hoe ho tezitra be aminy ianao. Maninona raha anontaniana tsotra fotsiny izy hoe inona no nahatonga an’ilay olana fa tsy tezitra aminy? Sao dia mba te hahalala zavatra fotsiny izy? Sa leo be? Sa manirery dia mila namana? Marina aloha fa tsy fialan-tsiny ireo, nefa mety hanampy anareo mianaka hahafantatra hoe inona no tena nahatonga an’ilay olana.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.”—Jakoba 1:19.

  • Ampio izy mba ho tonga saina. Anontanio, ohatra, izy hoe: Inona izany izao no nianaranao tamin’iny? Dia ahoana no hataonao amin’ny manaraka raha mbola mitranga ny hoatran’iny? Mety hanampy ny zanakao hampiasa ny sainy sy hieritreritra tsara ireo fanontaniana ireo.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, manomeza torohevitra, ary aoka ianao hahari-po tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao izany rehetra izany.”—2 Timoty 4:2.

  • Sazio izy. Ataovy mifandray amin’ilay zavatra tsy nety nataony ihany ny sazy omenao azy. Ho tsapany amin’izay hoe diso izy, dia tsy mamerina an’ilay izy intsony amin’ny manaraka. Raha nitondra ny fiaranao, ohatra, izy nefa tsy niera taminao, dia aza avela mitondra fiara mandritra ny fotoana elaela izy.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

  • Ataovy takany hoe mbola afaka ny hatoky azy indray ianao. Tsy maintsy mila fotoana aloha izany e! Na izany aza anefa dia tokony ho tsapan’ny zanakao hoe mbola afaka ny hatoky azy indray ianao, rehefa mandeha ny fotoana. Raha ohatra mantsy ka mieritreritra ny zanakao hoe tena tsy hatoky azy intsony ianao, dia ho kivy izy, dia tsy hiezaka intsony.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

Jiro ampola.

Soso-kevitra: Ataovy hitan’ny zanakao hoe mahay miala tsiny koa ianao rehefa misy fanapahan-kevitra na zavatra tsy mety nataonao.

Ny hevitry ny ray aman-dreny sasany

Joseph sy Lisa.

“Raha miteny fotsiny ny ray aman-dreny hoe tokony ho azo atokisana ny ankizy, nefa ry zareo aza tsy hoatr’izany akory, dia tsy hisy vokany ny teniny. Fa raha ohatra indray ka hitan’ny ankizy hoe tena azo atokisana ny ray aman-dreniny, dia lasa te hanao hoatr’izany koa ry zareo sady ho faly hoe mba olona azo atokisana koa.”—Joseph sy Lisa vadiny.

Karyn sy Daniel.

“Raha ilay mbola kely iny ny ankizy dia efa miezaka mifandray tsara aminy ny ray aman-dreniny, dia tsy ho sarotra ny hanampy an-dry zareo rehefa mihalehibe. Tokony havelan’ny ray aman-dreny hahaleo tena tsikelikely ny ankizy, sady hazavainy aminy hoe inona no azony atao dia inona no tsy azony atao. Rehefa hitan’ny ankizy mantsy hoe miezaka mahatakatra an-dry zareo ny ray aman-dreniny sady tsy mangeja be azy, dia tsy hamitaka ny ray aman-dreniny izy fa ho azo atokisana tsara.”—Karyn sy Daniel vadiny.

Famerenana: Ahoana Raha Lasa Tsy Atokisanao Intsony ny Zanakao?

  • Mahaiza mifehy ny fihetseham-ponao. Resaho moramora amin’ny zanakao hoe inona no nahatonga an’ilay olana.

  • Ampio izy mba ho tonga saina. Anontanio, ohatra, izy hoe: Inona izany izao no nianaranao tamin’iny? Dia ahoana no hataonao amin’ny manaraka raha mbola mitranga ny hoatran’iny?

  • Sazio izy. Ataovy mifandray amin’ilay zavatra tsy nety nataony ihany ny sazy omenao azy. Ho tsapany amin’izay hoe diso izy, dia tsy hamerina an’ilay izy intsony amin’ny manaraka.

  • Ataovy takany hoe mbola afaka ny hatoky azy indray ianao. Raha mieritreritra ny zanakao hoe tena tsy hatoky azy intsony ianao, dia ho kivy izy, dia tsy hiezaka intsony.

a Nalaina tao amin’ilay boky hoe You and Your Adolescent.

b Na dia ankizilahy aza no tena resahina ato, dia natao ho an’ny ankizivavy koa ity lahatsoratra ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara