FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 28
  • Hoatran’ny Ahoana Izany hoe Ray Mahay Mitaiza?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hoatran’ny Ahoana Izany hoe Ray Mahay Mitaiza?
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona ny andraikitry ny ray?
  • Nahoana no miavaka ny andraikitry ny ray?
  • Ny fifandraisan’ny ray sy ny zanaka vavy
  • Ny anjara asan’ny ray aman-dreny
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Miova ny Tokantrano Rehefa Tonga ny Zaza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Lazao hoe Tianao Izy Ireo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ray Mpandositra Adidy — Tena Afa-Mandositra Tokoa Ve?
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 28
Miara-mandeha eny an-dalana ny ankizivavy iray sy ny dadany sady falifaly.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Hoatran’ny Ahoana Izany hoe Ray Mahay Mitaiza?

Ho hitantsika ato hoe:

  • Inona ny andraikitry ny ray?

  • Nahoana no miavaka ny andraikitry ny ray?

  • Ny fifandraisan’ny ray sy ny zanaka vavy

  • Torohevitra ho an’ny ray

Inona ny andraikitry ny ray?

  • Dieny mbola tsy teraka ny zanakao. Miankina amin’ny fomba itondranao ny vadinao izao no ahitana raha ho ray mahay mitaiza ianao any aoriana. Izao no nolazain’ny boky iray hoe Do Fathers Matter?:

    “Azo antoka kokoa hoe hifandray amin’ny vadiny sy ny zanany vao teraka ny lehilahy iray, raha dieny mbola bevohoka ilay vehivavy dia efa manampy azy izy. Izy, ohatra, no miantsena, dia mitondra ny vadiny any amin’ny dokotera, dia mijery an’ilay zazakely amin’ny ekografia sy mihaino ny fidoboky ny fony.”

    “Tsy tiako hahatsapa ho irery ny vadiko tamin’izy bevohoka, dia mba niezaka nanampy azy araka izay vitako aho. Niara-nanamboatra ny efitranon’ilay zazakely mihitsy aza izahay. Niara-nanomana ny fahatongavan’ilay zanakay izahay. Fotoana tena niavaka be ho anay roa ireny fotoana ireny.”​—James.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.”​—Filipianina 2:4.

  • Rehefa teraka ny zanakao. Lasa misy firaiketam-po eo aminareo mianaka rehefa milalao sy mitrotro azy ianao. Ampio koa ny vadinao hikarakara an’ilay zaza. Misy vokany be amin’ny fitombon’ny zaza ny zavatra ataon’ny dadany ho azy. Asehonao hoe tena sarobidy aminao izy raha miezaka mampisy firaiketam-po eo aminareo mianaka ianao.

    “Ataovy hoatran’ny hoe mbola zaza hoatran’azy ianao ka miaraha milalao aminy. Aza manao matotra be fa manaova zavatra adaladala kely mitovy aminy. Tadidio fa ny zavatra ataonareo aminy no hamaritany voalohany an’izany hoe fitiavana izany.”​—Richard.

    Mandrotsirotsy ny zanany ny lehilahy iray manan-janaka vao teraka.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro, ary valisoa ny aloaky ny kibo.”​—Salamo 127:3.

  • Rehefa mihalehibe ny zanakao. Hitan’ny mpikaroka hoe mahay kokoa ny ankizy any am-pianarana rehefa mifandray akaiky amin’ny dadany. Tsy dia manana olana ara-pihetseham-po izy ireo sady tsy atahorana ho lasa mpidoroka zava-mahadomelina na haditra be. Manokàna àry fotoana mba hifandraisana tsara amin’ny zanakao.

    “Rehefa niala tato an-trano ny zanako lahy dia niteny tamiko izy hoe ny zavatra alahelovany indrindra, hono, ilay izahay niresadresaka teny an-dalana rehefa hanao dia lavitra na rehefa niara-nisakafo. Tao anatin’ireny fotoana tsy noeritreretiko ireny mihitsy izahay matetika no lasa tafaresaka momba ny zavatra lehibe indrindra sasany. Tafaresaka an’ireny zavatra ireny izahay satria niaraka foana.”​—Dennis.

    Falifaly ny ankizilahy iray sy ny dadany mifampiresaka ao anaty sambo.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Mitandrema tsara foana amin’izay ataonareo, mba ho hita hoe hendry ianareo fa tsy adala, ka ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—Efesianina 5:15, 16.

Nahoana no miavaka ny andraikitry ny ray?

Ny raim-pianakaviana taloha no noeritreretin’ny olona hoe mpanome ny zavatra ilain’ny fianakaviana sy mpiaro azy ireo, fa ny reny indray mahay mangoraka kokoa sy miahy ny fihetseham-pon’ny ankohonany. (Deoteronomia 1:31; Isaia 49:15) Arakaraka ny fianakaviana anefa ilay izy, satria misy reny lasa manao ny andraikitra sasany fanaon’ny ray, dia misy koa ray manao ny andraikitra sasany fanaon’ny reny. Milaza anefa ny mpikaroka fa samy manana ny anjara birikiny avy ny Dada sy ny Mama amin’ny resaka fitaizana.a

Nitantara ny zavatra niainany i Judith Wallerstein, mpikaroka momba ny fianakaviana. Nanoratra izy hoe: “Rehefa voadonan’ny aotomobilina ny zanako vavikely 12 taona, dia ny dadany no tiany hitondra an’ilay fiara mpitondra marary, satria ny dadany no natokisany hoe afaka hiaro azy tamin’iny. Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly indray izy, dia izaho no nasainy nipetraka teo amin’ny sisim-pandrianany nandritra ny tontolo andro mba hanambitamby azy.”b

“Mahavita miaro sady andrin’ny fianakaviana ny ray, ary mety ho sarotra amin’ny reny ny hanao an’izany andraikitra izany. Ny reny indray afaka manao izay hahatonga ny zanany hahatsapa hoe tiana, satria mihaino sy mahatakatra ny mahazo azy ireo. Miara-miasa hoatran’ny ekipa iray ny mpivady.”​—Daniel.

Toro lalan’ny Baiboly: “Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, ary aza lavina ny tenin’ny reninao.”​—Ohabolana 1:8.

Ny fifandraisan’ny ray sy ny zanaka vavy

Ianao raim-pianakaviana no tokony hampianatra ny zanakao vavy hoe ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy azy. Amin’ireto zavatra roa ireto no hianarany an’izany:

  • Mandinika ny fomba itondranao ny vadinao izy. Raha tia sy manaja ny vadinao ianao, dia lasa hitany izay toetra tena tokony hojereny rehefa hifidy vady izy any aoriana.​—1 Petera 3:7.

    Faly ny ankizivavy iray mandinika ny ray aman-dreniny miara-misakafo eo ambony latabatra. Mitazona ny tanan’ny mamany ilay dadany sady miara-mihomehy izy mivady.
  • Mandinika ny fomba itondranao azy izy. Lasa manaja tena ny zanakao vavy rehefa manaja azy ianao. Lasa fantany koa hoe hoatr’izany no tokony hitondran’ny lehilahy hafa azy.

    Raha manakiana azy foana anefa ianao, dia lasa mahatsapa tena ho tsy misy vidiny izy, dia hitady fitiavana any amin’ny lehilahy hafa. Mety zavatra ratsy fotsiny anefa no tadiavin’ireny lehilahy ireny any aminy.

    “Raha tianao sy ampianao ny zanakao vavy, dia tsy hatahorana ho raiki-pitia amin’ny lehilahy tsy tsara toetra sy tsy mendrika ny hatao vady izy.”​—Wayne.

a Betsaka ny reny nahavita nitaiza tsara ny zanany na dia irery aza.

b Nalaina tao amin’ilay boky hoe The Unexpected Legacy of Divorce.

Torohevitra ho an’ny Dada

Gregory sy Olivia zanany vavy ary Audrey vadiny.

“Rehefa mihatanora ny zanakao vavy dia vao mainka manokàna foana hiarahana matetika aminy. Ataovy tsapany hoe mbola tianao be hoatran’ny tamin’izy mbola kely izy. Hahatsapa tena ho voaro izy, dia tsy hatahotra ny hiresaka aminao an’izay tiany horesahina, na inona izany na inona. Raha be atao loatra ianao, dia ho tsapany izany, dia hitady olon-kafa hihaino azy izy.”​—Gregory sy Olivia zanany vavy ary Audrey vadiny.

Famerenana: Hoatran’ny Ahoana Izany hoe Ray Mahay Mitaiza?

  • Miezaha handray andraikitra dieny mbola tsy teraka ny zanakao. Miankina amin’ny fomba itondranao ny vadinao amin’izao izy bevohoka izao no ahitana raha ho ray mahay mitaiza ianao rehefa teraka ny zanakao.

  • Miezaha mifandray am-po amin’ny zanakao amin’izao izy mihalehibe izao. Mahay kokoa ny ankizy mifandray tsara amin’ny dadany, rehefa any am-pianarana. Tsy dia manana olana ara-pihetseham-po izy, sady tsy atahorana ho lasa mpisotro toaka sy mpidoroka zava-mahadomelina.

  • Miezaha ho vady tsara. Raha tia sy manaja ny vadinao ianao, dia mampianatra ny zanakao vavy hoe hoatr’izany koa no tokony hitondran’ny lehilahy azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara