FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 31
  • Ahoana no Atao mba Tsy ho Saro-piaro Be Loatra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Atao mba Tsy ho Saro-piaro Be Loatra?
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana izany hoe saro-piaro?
  • Inona no mety hahatonga ny olona iray ho saro-piaro be loatra?
  • Inona no azonao atao mba tsy ho saro-piaro be loatra ianao?
  • Mandresy ny Fialonana sy ny Fahasarotam-piaro Tsy Araka ny Tokony ho Izy ny Fiti
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Saro-piaro, Fahasarotam-piaro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nialona An’i Josefa Ireo Rahalahiny ka Nampijaly Azy
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Tokony ho Saro-piaro ve ny Kristianina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 31
Vehivavy tezitra be mijery ny vadiny miresaka amin’ny vehivavy iray any amin’ny fiaraha-mikorana iray.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO

Ahoana no Atao mba Tsy ho Saro-piaro Be Loatra?

Tsy ho vanona mihitsy ny tokantrano raha tsy mifampatoky ny mpivady. Ahoana àry no azon’ny mpivady atao mba tsy ho saro-piaro be loatra?

Ho hitantsika ato hoe:

  • Ahoana izany hoe saro-piaro?

  • Inona no mety hahatonga ny olona iray ho saro-piaro be loatra?

  • Inona no azonao atao mba tsy ho saro-piaro be loatra ianao?

  • Ahoana raha saro-piaro ny vadinao?

  • Fanontaniana azon’ny mpivady iaraha-midinika

Ahoana izany hoe saro-piaro?

Betsaka no mety ho dikan’ilay teny hoe “saro-piaro.” Ny hoe “saro-piaro” horesahina ato dia fihetseham-po tsapan’ny olona iray rehefa mieritreritra izy hoe misy olona hafa raiki-pitia amin’ny vadiny na rehefa raiki-pitia amin’olon-kafa ny vadiny. Mety hahatsapa isika hoe tandindomin-doza ny tokantranontsika. Raha tena izay tokoa no izy, dia ara-dalàna raha saro-piaro isika. Ny fanambadiana rahateo no fifandraisana akaiky indrindra eo amin’ny olona anankiroa, ary tokony hanao an’izay rehetra azony atao ny mpivady mba hiarovana azy io.

Torolalan’ny Baiboly: “Tsy roa intsony izy ireo, fa nofo iray ihany. Aoka . . . izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”​—Matio 19:6.

“Mety ho hoatran’ireny fampitandremana rehefa misy afo ireny ny hasarotam-piaro raha tandindomin-doza ny fanambadianao. Mampitandrina anao amin’ny loza izy io sady mandrisika anao hanao zavatra mba tsy ho voan’ilay loza.”​—Benjamin.

Saro-piaro be loatra anefa ny olona anankiray raha tsy misy antony mari-pototra akory mahatonga azy hiahiahy ny vadiny na hatahotra. Tsy ho saro-piaro hoatr’izany isika raha manana ny tena fitiavana. (1 Korintianina 13:4, 7) Izao no nosoratan’ny Dr. Robert L. Leahy: “Vao mainka mety hanimba an’ilay fifandraisana tianao harovana ny zavatra ataonao rehefa saro-piaro be loatra ianao.”a

Inona no mety hahatonga ny olona iray ho saro-piaro be loatra?

Mety ho lasa saro-piaro be loatra ianao raha efa nanambady taloha nefa nampirafy anao ilay vadinao. Na mety hoe nisaraka ny ray aman-dreninao na nikorontana be ny tokantranony satria nampirafy ny anankiray, dia matahotra ianao sao dia ho tratran’izany koa.

“Nampirafy an’i Neny i Dada tamin’izaho mbola kely, dia lasa sarotra be amiko ny matoky olona. Nisy vokany be tamin’ny fihetseham-poko ilay izy, dia indraindray lasa sarotra amiko na ny matoky ny vadiko aza.”​—Melissa.

Ankoatra an’izay, dia mety hiahiahy foana ianao hoe mitady hanimba ny tokantranonao ny hafa raha ohatra ianao ka tsy matoky tena. Mety ho resy lahatra mihitsy aza ianao any anatinao any hoe raha mahita hirika ny vadinao dia hilaozany ianao dia hanambady olon-kafa izy.

“Nisy naman’ny vadiko izay natao mariazy, dia nasain’io namany io nanao anjara manokana tamin’ilay mariazy izy. Raha nanao an’ilay izy izy dia tsy maintsy hoe niara-nandihy na niara-nandeha tamin’ny vehivavy hafa. Tena tsy tiako mihitsy izany, dia tsy maintsy nanda izy.”​—Naomi.

Tsy mitovy ny zavatra fanaon’ny olona rehefa misy mariazy, ary tsy maintsy manaraka ny torolalan’ny Baiboly foana ny Kristianina. Ara-dalàna ihany ve anefa ny zavatra tsapan’i Naomi? Rehefa mandinika izy amin’izao, dia milaza fa saro-piaro be loatra izy tamin’izany. Hoy izy hoe: “Tsy natoky tena mihitsy aho tamin’izany. Nieritreritra aho hoe nampitaha ahy tamin’ny vehivavy hafa ny vadiko. Tsy nanao an’izany akory anefa izy.”

Na inona na inona antony, dia mety hahatonga anao hiahiahy ny vadinao na hahatonga anao hanendrikendrika azy hoe mampirafy mihitsy aza ny hasarotam-piaro be loatra. Raha tsy matoky ny vadinao ianao dia hiteraka olana eo amin’ny tokantranonareo izany, ary mety hanimba ny fahasalamanao mihitsy aza.

Torolalan’ny Baiboly: “Ny fialonana ... dia tahaka ny homamiadana.”​—Ohabolana 14:30, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara.

Inona no azonao atao mba tsy ho saro-piaro be loatra ianao?

Miezaha hatoky ny vadinao. Aza mitady famantarana hoe mampirafy izy, fa eritrereto kosa izay zavatra efa nataony ka tokony hahatonga anao hatoky azy.

“Ny toetra tsaran’ny vadiko no eritreretiko. Raha misy olona karakarainy tsara dia satria izy tena miahy an’ilay olona fa tsy hoe misy antony mampiahiahy ao ambadika. Mila mitadidy foana aho hoe raha tsy sambatra ny tokantranon’i Dada sy Neny dia tsy midika akory izany hoe tsy ho sambatra koa ny tokantranoko.”​—Melissa.

Io vehivavy io ihany faly be mijery ny sary mariaziny. Misy Baiboly misokatra eo anoloany.

Torolalan’ny Baiboly: “Ny fitiavana ... mino ny zava-drehetra.”​—1 Korintianina 13:4, 7.

Aza tonga dia mieritreritra hoe marina ny zavatra ahiahianao. Izao no nosoratan’ny Dr. Leahy, voaresaka tetsy aloha: “Mino isika indraindray hoe matoa ny zavatra iray eritreretintsika dia tena marina ilay izy izay. Mieritreritra isika fa raha mino fotsiny isika hoe marina ny zavatra iray, dia izay no porofo hoe tena marina ilay izy. Tsy marina anefa ny hoe raha mino ny zavatra iray isika dia midika izany fa tena marina ilay izy, ary tsy porofo azo raisina mihitsy ny zavatra tsapantsika.”b

“Raha alefantsika lavitra be ny saintsika rehefa misy zavatra mitranga dia mety hiteraka olana tsy tokony hisy akory ilay izy.”​—Nadine.

Torolalan’ny Baiboly: “Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.”​—Filipianina 4:5.

Resaho amin’ny vadinao izay zavatra mampiahiahy anao. Na inona na inona antony mahatonga anao ho saro-piaro, dia resaho amin’ny vadinao izay zavatra mampiahiahy anao. Ho afaka hamaritra tsara ianareo mivady amin’izay hoe inona no tokony sy tsy tokony hataon’ny tsirairay mba hahatonga anareo tsy hifampiahiahy sady hahazo aina tsara foana. Aza atao tafahoatra loatra anefa ny zavatra faritanareo fa mahaiza mandanjalanja foana.

“Rehefa mifandinika hoatr’izany ianareo mivady dia tadidio foana hoe tsy te handratra anao ny vadinao sady miezaka handray fanapahan-kevitra tsara foana. Aza mieritreritra mihitsy hoe ratsy saina izy. Mety hoe ianao no sarotiny loatra na mitaky be loatra aminy. Na koa mety tsy tsapany hoe mbola tianao haneho fitiavana kokoa aminao izy.”​—Ciara.

Mipetraka eny an-tokontany miaraka amin’ny vadiny ilay vehivavy, ary milaza aminy ny fihetseham-pony.

Torolalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady foana an’izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany.”​—1 Korintianina 10:24.

a b Avy ao amin’ilay boky hoe The Jealousy Cure.

Ahoana raha saro-piaro ny vadinao?

Aza mieritreritra fotsiny hoe tsy tokony ho saro-piaro izy. Miezaha kosa hanampy azy hahita hoe inona no mahatonga azy ho saro-piaro. Milaza ny Baiboly hoe rehefa mifandray amin’ny vadiny ny lehilahy dia tokony hiezaka “hahazo tsara ny fihetseham-pony.” (1 Petera 3:7) Mihatra amin’ny vehivavy koa io torohevitra io. Tena ilainao ny mihevitra ny fihetseham-pon’ny vadinao, indrindra raha efa nisy namitaka izy taloha na tsy matoky tena.

Diniho amin’ny saina tsy miangatra koa ny tenanao. Tsy mampiahiahy ve ny fomba ifandraisanao amin’ny lehilahy na vehivavy hafa, na mivantana izany na ao amin’ny Internet? Sa ianao mitady hiadaladala amin’olon-kafa? Hitovy hevitra aminao ve ny vadinao raha anontaniana momba an’izany koa izy? Aza avela hisy na inona na inona hahatonga ny vadinao hieritreritra hoe mampirafy ianao na tsy tena tia azy.

Fanontaniana azon’ny mpivady iaraha-midinika

Raha saro-piaro be loatra ny iray aminareo mivady, dia diniho mitokana aloha ireto fanontaniana ireto. Rehefa mety ny fotoana, dia iaraho midinika amin’ny vadinao ny valin-teninao. Miezaha foana anefa “ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny.”​—Jakoba 1:19.

  • Inona avy ny toe-javatra tena mahatonga anao ho saro-piaro?

  • Mieritreritra ve ianao hoe manao zavatra mahatonga anao ho saro-piaro ny vadinao? Raha eny, inona ilay zavatra ataony?

  • Misy zavatra hafa ve mahatonga anao ho lasa saro-piaro, ohatra hoe ny zavatra efa nitranga taminao taloha?

  • Anisan’ny mahatonga an’ilay olana ve ny zavatra ataon’ny vadinao ao amin’ny Internet, ohatra hoe ao amin’ny tambazotran-tserasera?

  • Inona avy ny fanovana tianao hataon’ny vadinao?

  • Ahoana no azonao anomezana toky ny vadinao hoe tena tianao izy ary tsy mivadika aminy ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara