MANONTANY NY TANORA
Maninona Aho no Tokony Hiala Tsiny?
Inona no hataonao amin’ireto?
Mibedy anao eo imason’ny mpiara-mianatra ny mpampianatra satria nitabataba ianao.
Mieritreritra ianao hoe izy no sarotsarotiny. Mbola tokony hiala tsiny ihany ve ianao na izany aza?
Milaza aminao ny namanao hoe nampalahelo azy ny zavatra noteneninao momba azy.
Ianao anefa mahita hoe marina ilay zavatra nolazainao. Mbola tokony hiala tsiny ihany ve ianao na izany aza?
Tezitra tamin’ny dadanao ianao dia namalivaly azy.
Mieritreritra ianao hoe ny zavatra nataony no nahatonga an’ilay izy. Mbola tokony hiala tsiny ihany ve ianao na izany aza?
Eny daholo ny valin’ireo fanontaniana ireo. Nahoana anefa ianao no tokony hiala tsiny, na dia mieritreritra aza ianao hoe tsy ianao irery no diso?
Nahoana ianao no tokony hiala tsiny?
Ho hita hoe matotra ianao. Raha miaiky ianao hoe tsy nety ny zavatra nolazainao na nataonao, dia misy toetra tsara lasa anananao. Ilainao foana ireny toetra ireny rehefa lehibe ianao.
“Raha manetry tena sy manam-paharetana ianao, dia hahavita hiala tsiny sy hihaino an’izay lazain’ilay olona.”—Rachel.
Ho afaka hifandray tsara amin’ilay olona indray ianao. Rehefa miala tsiny ianao dia asehonao hoe ny hihavana no zava-dehibe aminao, fa tsy ny hanaporofo hoe ianao no marina ary ilay olona no diso.
“Ny hihavana foana no tokony ho tanjonao na dia mieritreritra aza ianao hoe tsy diso. Tsy sarotra be ny miteny hoe ‘azafady’, nefa manampy anao hinamana amin’ilay olona indray izany.”—Miriam.
Hahatsiaro ho maivamaivana ianao. Hoatran’ny hoe mitondra enta-mavesatra ianao, rehefa mahatsapa hoe nampalahelo olona ny zavatra nolazainao na nataonao. Vao avy miala tsiny anefa ianao dia hahatsiaro ho maivamaivana.a
“Nisy fotoana aho nasiaka tamin’i Dada na tamin’i Neny. Nanenina aho avy eo, nefa sarotra be tamiko ny niala tsiny. Isaky ny niala tsiny anefa aho dia nahatsiaro ho maivamaivana. Nihavana tsara indray mantsy izahay.”—Nia.
Hoatran’ny hoe mitondra enta-mavesatra ianao, rehefa mahatsapa hoe nampalahelo olona ny zavatra nataonao. Vao avy miala tsiny anefa ianao dia hahatsiaro ho maivamaivana
Sarotra ve ny miala tsiny? Ie! Imbetsaka, ohatra, ny tovovavy iray atao hoe Dena no niala tsiny tamin’ny mamany satria nasiaka taminy. Izao no nolazainy: “Tsy mora ny miala tsiny. Hoatran’ny hoe kenda izany ianao, dia tsy mahavita miteny.”
Ahoana no hatao rehefa miala tsiny?
Miezaha hiresaka mivantana amin’ilay olona, raha azo atao. Ho hitan’ilay olona amin’izay hoe tena manenina ianao. Mety tsy hino kosa izy raha SMS no alefanao, na dia asianao sarin’olona malahelo (émoticône) aza miaraka amin’ilay izy.
Soso-kevitra: Raha tsy afaka miala tsiny mivantana ianao, dia antsoy amin’ny telefaonina izy na andefaso karta kely. Na inona na inona anefa ataonao, dia eritrereto tsara izay zavatra holazainao na hosoratanao.
Toro lalan’ny Baiboly: “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.”—Ohabolana 15:28.
Aza miandry ela. Raha mangataka andro ianao dia mety hitatra ilay olana. Hiharatsy koa ny fifandraisanao amin’ilay olona.
Soso-kevitra: Manaova tanjona. Ohatra hoe: ‘Androany aho no hiala tsiny aminy.’ Fidio hoe rahoviana ianao no hiala tsiny, dia tena ataovy ilay izy.
Toro lalan’ny Baiboly: “Mifandamìna haingana.”—Matio 5:25.
Ataovy amin’ny fo ilay izy. Tsy miala tsiny ianao raha miteny hoe: “Azafady raha malahelo ianao.” Hoy ny tovovavy iray atao hoe Janelle: “Hanaja anao ilay olona raha hitany hoe miaiky ny fahadisoanao ianao.”
Soso-kevitra: Aza manisy fepetra rehefa miala tsiny. Aza miteny hoe ‘hiala tsiny aho raha miala tsiny izy.’
Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ... isika hiezaka hampisy fihavanana.”—Romanina 14:19.
a Raha nanary na nanimba zavatr’olona ianao, dia tsy ampy ny miala tsiny. Tsara raha manonitra na manamboatra an’ilay izy koa ianao.