FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 118
  • Ahoana no Hialako Amin’ilay hoe Mody Hendry Fotsiny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hialako Amin’ilay hoe Mody Hendry Fotsiny?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe mody hendry?
  • Tena olon-dratsy ve aho raha mody hendry?
  • Ahoana no hialako amin’ilay hoe mody hendry fotsiny?
  • Ry zatovo, tandremo ny fananana fiainana roa sosona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Tokony Hitsotra ve Aho hoe Maditra?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Fananana Fiainana Roa Sosona — Inona no Maha-ratsy Izany?
    Mifohaza!—1994
  • Ahoana no Ahafahako Miala Amin’ny Fiainana Roa Sosona?
    Mifohaza!—1994
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 118
Sary mifanohitra mampiseho ny zavatra ataon’ny anabavy iray. 1. Miaraka amin’ny tanora hafa ilay anabavy, ary ny sasany misotro sy mifoka. Misy ankizilahy iray misakambina azy. 2. Ao amin’ny Efitrano Fanjakana indray ilay anabavy, ary manao akanjo maotina tsara sy miara-mihira amin’ny fiangonana.

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hialako Amin’ilay hoe Mody Hendry Fotsiny?

Lasa saina indraindray ny mpanompon’Andriamanitra sasany hoe sao dia mba voa mafy àry izy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. (Salamo 73:2, 3) Mitaky fotoana sy hery mantsy izany. Mety hanomboka hanao zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’i Jehovah mihitsy aza ry zareo. Miezaka manafina ny ratsy ataony izy avy eo, amin’izay voafitaka ny mpanompon’i Jehovah hafa.

Natao hanampiana an’izay efa manana fomba fiaina hoatr’izany nefa te hiova ity lahatsoratra ity.

Ho hitantsika ato ireto:

  • Inona no atao hoe mody hendry?

  • Tena olon-dratsy ve aho raha mody hendry?

  • Ahoana no hialako amin’ilay hoe mody hendry fotsiny?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Inona no atao hoe mody hendry?

Mody hendry ianao raha ohatra ka manao zavatra efa fantatrao hoe ratsy rehefa tafaraka amin’ny olona tsy mankatò an’i Jehovah, nefa miseho hoe te hanompo an’i Jehovah rehefa tafaraka amin’ny mpiara-manompo . Hoatran’ny hoe manana fiainana roa samy hafa ianao, dia misy zavatra afeninao foana amin’izy roa.

“Rehefa mody hendry ianao, dia tsisy mahafantatra ny tena maha izy anao satria manafin-javatra foana ianao. Mamitaka ny olon-drehetra ianao, raha ny marina.”​—Erin.

Fantatrao ve? Mody hendry koa ianao raha manao zavatra efa fantatrao hoe tsy tian’i Jehovah rehefa tsy misy mahita.

“Nanomboka nijery sary vetaveta tao amin’ny Internet aho, tamin’izaho 14 taona. Rehefa eny imason’olona aho, dia ataoko hoatran’ny hoe tsy tiako maizina ny sary vetaveta. Tsy izay mihitsy anefa no tena tao am-poko.”​—Nolan.

Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy misy mahavita manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hataony tsinontsinona.”​—Matio 6:24.

Tena olon-dratsy ve aho raha mody hendry?

Tsy voatery. Misy aloha ny olona tonga dia tsy te hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly mihitsy eo amin’ny fiainany. Fa ianao ve tena hoatr’izany? Sa misy antony hafa mahatonga anao ho mody hendry, ohatra hoe:

  • Tsy mampahazo aina anao ilay hoe miavaka amin’ny tanora hafa.

  • Mahatsapa ianao hoe betsaka kokoa ny zavatra itovizanao amin’ny mpiara-mianatra aminao, noho ny zavatra itovizanao amin’ny mpiara-mivory aminao.

  • Mahatsapa ianao hoe tsy vitanao tsotra izao fotsiny ilay manaraka ny didin’Andriamanitra rehetra.

“Hitako hoe mahazo aina kokoa ireny tanora mody hendry ireny rehefa miaraka amin’ny olona tsy manaraka ny fitsipika kristianina. Ry zareo tsinona mba te hitovy amin’ny hafa fotsiny, na iza io na iza.”​—David.

Mazava ho azy fa tsy natao hanalana tsiny an’izay mody hendry akory ireo antony ireo, fa entina hanazavana fotsiny hoe fa maninona no mety ho voafandrika koa na dia ny olona tsara aza. Raha izany no mahazo anao, dia inona no azonao atao?

Ahoana no hialako amin’ilay hoe mody hendry fotsiny?

  1. 1. Diniho amin’ny saina tsy miangatra ny fomba fiainanao. Eritrereto hoe: ‘Tena te ho lasa hoatr’izao ve aho? Ahoana no hiafarako raha tohiziko foana izao?’

    Toro lalan’ny Baiboly: “Mahatsinjo ny loza ny malina ... , fa izay tsy dia nahita fiainana kosa mbola miroso ihany ka voa.”​—Ohabolana 27:12.

  2. 2. Tsory ny marina. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny namana matotra iray manaja ny lalàn’i Jehovah. Azo antoka fa ho faly ry zareo hoe nangataka fanampiana taminy ianao sady te hanao ny tsara!

    Tovolahy iray latsaka ao anaty lavaka, miezaka manakatra ny tanan’ny lehilahy iray vonona hanampy azy.

    Hoatran’ny hoe latsaka ao anaty lavaka lalina be ianao rehefa mody hendry fotsiny, ka mitadiava fanampiana

    “Anisan’ny mafy indrindra tamiko ilay hoe nitsotra ny ditrako tamin’ny hafa. Vao vitako anefa ilay izy, dia maivamaivana be aho.”​—Nolan.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.”​—Ohabolana 28:13.

  3. 3. Ekeo ny vokany. Tadidio fa lasa sarotra amin’ny ray aman-dreninao sy amin’ny fiangonana ny matoky anao raha nanafin-javatra tamin-dry zareo ianao. Mety hisy zavatra tsy havelan’ny ray aman-dreninao na ny anti-panahin’ny fiangonana hataonao àry aloha mandritra ny fotoana kelikely. Ekeo izany vokany izany, dia miezaha amin’izay “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” manomboka eo.​—Hebreo 13:18.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Henoy ny torohevitra ary raiso ny anatra, mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.”​—Ohabolana 19:20.

  4. 4. Miezaha ho resy lahatra tanteraka hoe tia anao Andriamanitra. Tia antsika i Jehovah, ka tsy misy miafina aminy ny tsirairay amin’ny zavatra ataontsika. Raha mody hendry fotsiny àry ianao, dia fantany izany ary malahelo izy. Na izany aza, dia vonona hanampy anao hanitsy ny dianao izy ‘satria miahy anao.’​—1 Petera 5:7.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, satria izy te hampiasa ny heriny mba hanampiana an’izay manompo azy amin’ny fo manontolo.”​—2 Tantara 16:9.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Macy.

“Nisy fotoana aho mba te hitovy tamin’ny mpiara-mianatra tamiko ihany. Niezaka ninamana be tamin’ny Kristianina hafa anefa aho, dia izany no nanampy ahy. Nihanitovy tsikelikely tamin’ny olona tia an’i Jehovah aho, dia farany lasa tsy te hitovy tamin’ny mpiara-mianatra amiko intsony.”​—Macy.

Alban.

“Tena efa nalaim-panahy hanao mody hendry mihitsy aho. Hoatran’ny nahafinaritra be daholo tsinona ny ankizy, tamin’izaho mpianatra tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, sady hoatran’ny falifaly foana ny fahitako an-dry zareo. Lasa mpifoka rongony sy mpisotro toaka anefa ny ankamaroan-dry zareo tatỳ aoriana. Tena adala kay ry zareo fa mody hoe nahafinaritra fotsiny.”​—Alban.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia vakio ny tantaran’i Elie sy Lisa: Tanora roa mody niseho ho hendry fotsiny taloha, nefa niverina tamin’i Jehovah ihany tatỳ aoriana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara