Imagination World/stock.adobe.com
Hafatra avy ao Amin’ny Baiboly—Fanantenana ho An’ny Mpitsoa-ponenana
Olona an-tapitrisany isan-taona no tsy maintsy mandositra dia miala ny tranony. Raha anisan’ireny ianao dia matokia hoe tsy voatery hiady irery fa mampanantena Andriamanitra hoe mbola ho tsara be ny fiainana. Izany no ampianarin’ny Soratra Masina.
Hoy i Christos Stylianides, ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina:a “Tsy hoe mila ampiantsika haingana fotsiny ny mpitsoa-ponenana sy ny olona nafindra toerana,b fa mila ... omena fanantenana koa ry zareo.” Tsy kivy ny olona manana fanantenana fa vonona hiatrika ny fiainana. Ankoatra ny fanantenana anefa, dia mila fampiononana koa ny mpitsoa-ponenana.
“Mafy be tamiko ilay hoe tsy maintsy niala tany aminay sy nandao ny fianakaviako. Natahotra be aho sady nalahelo sy niady saina.”—Emmanuel, any Haïti.
Hoatr’izany koa ve no tsapanao satria tsy maintsy niala tany aminareo ianao? Mila fampiononana sy fanantenana ianao raha izany. Afaka manampy anao ny Baiboly.
Mampionona anao ny Baiboly
Hoy ny Baiboly: “Tia vahiny [i Jehovah].”c—Deoteronomia 10:17, 18.
Midika izany hoe tsy miady irery ianao. Fantatr’i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra ny Baiboly, ny zavatra iainanao. Tiany ianao ary tena mitady an’izay hahasoa anao izy.
Hoy ny Baiboly: “Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah.”—Salamo 145:18.
Midika izany hoe mihaino anao i Jehovah rehefa mivavaka aminy ianao. Afaka manampy anao hilamin-tsaina izy. Manoro hevitra anao koa izy ao amin’ny Baiboly mba hanampiana anao hiaritra.
Hoy ny Baiboly: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy ... Tsy mba mamadika ny rariny ilay Mahery Indrindra.”—Joba 34:10, 12.
Midika izany hoe tsy Andriamanitra no mahatonga anao hijaly. Tsy hoe manasazy anao izy na hoe ataony manana olana ianao mba hitsapana anao.
Manome fanantenana anao ny Baiboly
Resahin’ny Baiboly hoe inona no hataon’Andriamanitra ho antsika amin’ny hoavy. Manome fanantenana ho an’ny olona nandositra sy niala ny tranony izany.
Hoy ny Baiboly: “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:4.
Midika izany hoe tsy hijaly intsony isika. Mampanantena Andriamanitra hoe hovahany ny olana rehetra mahatonga antsika tsy hanana fanantenana.
“Kely sisa dia hesorin’Andriamanitra ny tsy rariny sy ny zava-dratsy rehetra. Manantena an’izany aho dia lasa mieritreritra foana hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa tsy hijaly intsony isika.”—Karla, any Salvadaoro.
Hoy ny Baiboly: “Tsy hotsaroana intsony ny zavatra taloha, sady tsy handreraka fo.”—Isaia 65:17.
Midika izany hoe tsy hankarary ny fontsika intsony ny zavatra ratsy niainantsika taloha. Tsy havelan’Andriamanitra hampalahelo anao mandrakizay ireny.
“Mampanantena ny Baiboly hoe na ny zavatra nampijaly sy nafointsika taloha aza tsy hotsaroana intsony, ka na sarotra aza ny fiainanay dia vitako ny miatrika azy satria manantena aho hoe kely sisa dia hiova izao.”—Natalia, any Ukraine.
Hoy ny Baiboly: “Hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra. ... Dia hotorotoroin’io fanjakana io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo.”—Daniela 2:44.
Midika izany hoe fanjakana lavorary iray any an-danitra no hitondra ny tany. Kely sisa dia hesorin’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona rehetra ary ny fanjakany any an-danitra no hitondra. Tena hiadana ny olon-drehetra, amin’izay, ary tsy ho ory na inona na inona. Hanjaka koa ny rariny sy ny fandriampahalemana.—Mika 4:3, 4.
“Mampahery ahy ny mahalala hoe tsy hisy intsony ny fampijaliana sy ny fanavakavahana, sady tsy hisy olona hifampiahiahy intsony. Kely sisa dia hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olana hoatran’ireny.”—Mustafa, any Moyen-Orient.
Hampionona anao ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly
Manome fahendrena ny Baiboly
Misy torohevitra manampy anao ao amin’ny Baiboly mba hahatonga anao hanaiky tsikelikely ny zava-misy. Afaka manampy anao hiatrika fiovana koa ilay izy, ohatra hoe raha very fananana ianao. Ireto izao misy torolalana vitsivitsy mahasoa ny mpitsoa-ponenana:
Hoy ny Baiboly: “Na manan-javatra be dia be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—Lioka 12:15.
Nahoana io tenim-pahendrena io no manampy anao? Azo inoana hoe tampoka be taminao ilay izy, sady malahelo be ny fananana nafoinao ianao. Raha maka fotoana hisaintsainana anefa ianao hoe tena sarobidy ilay hoe mbola velona, dia hanampy anao tsy halahelo be loatra an’izay zavatra nafoinao izany.
“Mbola zava-dehibe noho ny fananana ny aina. Tsy afaka manampy akory ny vola sy ny fananana amin’ny toe-javatra sasany.”—Natalia, any Ukraine.
Hoy ny Baiboly: “Aza miteny hoe: ‘Fa maninona re no tsara noho ny amin’izao ny taloha e?’”—Mpitoriteny 7:10.
Nahoana io tenim-pahendrena io no manampy anao? Sahirana be angamba ianao izao. Raha miezaka tsy mampitaha ny fiainanao taloha sy amin’izao anefa ianao, dia tsy ho tezitra na halahelo be.
“Tsy kivy be aho satria efa ekeko hoe hoatr’izao indray izany izao ny fiainako.”—Eli, any Rwanda.
Hoy ny Baiboly: “Rehefa manana sakafo sy fitafiana isika, dia hianina amin’izany.”—1 Timoty 6:8.
Nahoana io tenim-pahendrena io no manampy anao? Rehefa manana an’izay tena ilaina eo amin’ny fiainana ianao dia miezaha ho afa-po amin’izany. Rehefa mahay mianina mantsy ianao dia azo inoana hoe tsy hitebiteby be fa ho tony kokoa.
“Manampy ahy ny Baiboly mba hahay hisaina tsara fa tsy hifantoka amin’ny zavatra nafoinay. Faly izahay mivady hoe samy mbola velon’aina sady amin’ny toerana azo antoka.”—Ivan, any Ukraine.
Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12.
Nahoana io tenim-pahendrena io no manampy anao? Azo inoana hoe hahay hifandray amin’olona ianao raha miezaka be mba hanam-paharetana sy ho tsara fanahy. Mety ho mora amin’ny olona koa ny handray anao sy tsy hitsaratsara anao raha miezaka hoatr’izany ianao.
“Matetika no faly ny olona rehefa manaja sy tia azy ary tsara fanahy aminy ianao. Lasa mifandray tsara amin’ny tompon-tany ianao rehefa manao an’izany.”—Angelo, any Sri Lanka.
Hoy ny Baiboly: “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra ... no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”—Filipianina 4:6, 7.
Nahoana io tenim-pahendrena io no manampy anao? Mivavaha amin’Andriamanitra dia resaho aminy daholo izay tsapanao, izay ilainao, izay mampahatahotra anao, ary izay mampanahy anao. Hihena ny fanahianao, amin’izay, sady ho tony kokoa ianao rehefa mizatra ny fiainanao vaovao.
“Mivavaka amin’Andriamanitra foana aho rehefa manana olana, dia mamaly ahy izy. Mahatonga ahy hilamin-tsaina ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly.”—Yol, any Soudan Atsimo.
“Ny torohevitry ny Baiboly no manampy ahy hiatrika an’izao zavatra sarotra iainako izao, satria lasa milamin-tsaina aho.”—Valentina, any Ukraine.
“Mampanantena i Jehovah Andriamanitra hoe ho tsara be ny fiainana, dia mampahery ahy izany.”—Emmanuel, any Haïti
Mampionona sy manome fanantenana ny Baiboly. Te hahafantatra misimisy kokoa momba an’izany ve ianao, sy hoe nahoana izany no azo antoka? Asaivo mitsidika anao àry ny Vavolombelon’i Jehovah fa ho faly hanampy anao ry zareo.
a Vaomiera eo Anivon’ny Vondrona Eoropeanina Misahana ny Asa Fanasoavana sy Fiatrehana Krizy.
b Araka ny famaritan’ny fikambanana iray eo anivon’ny ONU, ny hoe mpitsoa-ponenana dia izay olona tsy maintsy niala ny fonenany ka nifindra any an-toeran-kafa, na any amin’ny firenen-kafa, nefa tsy mahafeno fepetra ara-panjakana ho mpitsoa-ponenana.
c Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”