FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 38
  • Inona no Tian’Andriamanitra Hataoko eo Amin’ny Fiainana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Tian’Andriamanitra Hataoko eo Amin’ny Fiainana?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Momba An’ilay Tena Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Inona no Antony Ahavelomantsika?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ataovy Namanao Foana i Jehovah
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Iza i Jesosy Kristy?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 38

Inona no Tian’Andriamanitra Hataoko eo Amin’ny Fiainana?

Valiny ara-baiboly

Tian’Andriamanitra hahafantatra azy ianao, hifandray tsara aminy, ary ho tia sy hanompo azy amin’ny fo manontolo. (Matio 22:37, 38; Jakoba 4:8) Raha mandinika ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany ianao, dia hahafantatra ny fomba hampifaliana an’Andriamanitra. (Jaona 7:16, 17) Tsy nilaza an’izay tian’Andriamanitra hataontsika fotsiny i Jesosy fa nanao an’izany mihitsy. Nilaza mihitsy izy fa ‘tsy ny hanao ny sitrapony’ no tanjony teo amin’ny fiainany, fa ‘ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka azy.’—Jaona 6:38.

Mila mahazo fambara manokana na fahitana ve aho mba hahalalako izay tian’Andriamanitra hataoko?

Tsia, satria efa ao amin’ny Baiboly izay tian’Andriamanitra holazaina amintsika. Efa ao daholo izay ilainao mba hahatonga anao “ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Tian’Andriamanitra hampiasa ny Baiboly ianao sady ‘hampiasa saina’, mba hahafantaranao ny zavatra tiany hataonao.—Romanina 12:1, 2; Efesianina 5:17.

Izaho ve dia hahavita hanao ny sitrapon’Andriamanitra?

Eny, satria milaza ny 1 Jaona 5:3 fa ‘tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra.’ Tsy midika anefa izany hoe mora foana ny mankatò ny didiny. Raha miezaka anefa ianao, dia ho be lavitra noho ny zavatra tsy maintsy ataonao ny tombony ho azonao. Hoy mihitsy i Jesosy: ‘Sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany!’—Lioka 11:28.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara