FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 40
  • Inona no Hataoko mba Tsy Hanahy Be Loatra Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hataoko mba Tsy Hanahy Be Loatra Aho?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no mampanahy anao?
  • Ratsy foana ve ny hoe manahy?
  • Inona no azonao atao?
  • Apetraho Amin’i Jehovah Daholo Izay Mampanahy Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Apetraho Amin’i Jehovah ny Fanahianareo Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Fanahiana
    Mifohaza!—2016
  • Afaka Manampy ny Lehilahy Miady Saina ve ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 40
Any am-pianarana ilay ankizilahy ary manahy be

MANONTANY NY TANORA

Inona no hataoko mba tsy hanahy be loatra aho?

  • Inona no mampanahy anao?

  • Ratsy foana ve ny hoe manahy?

  • Inona no azonao atao?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Inona no mampanahy anao?

Hoatran’ireto koa ve ny zavatra tsapanao indraindray?

“Mieritreritra foana aho hoe: ‘Dia ahoana raha...?’ ‘Dia ahoana raha mivadika ny fiara andehanako?’ ‘Dia ahoana raha very any aho?’ Ny zavatra tsy mampanahy ny olona no mampanahy ahy.”​—Charles.

‘Manahy foana aho nefa tsy mahavita na inona na inona akory. Miasa maina hoatran’ny olona misambo-drivotra fotsiny.’—Anna.

“Rehefa misy olona miteny hoe sambatra aho fa mbola mianatra, dia mieritreritra aho hoe ‘raha mba fantany mantsy fa mandreraka be izany mianatra izany.’”—Daniel.

“Hoatran’ny hoe be dia be foana ny zavatra mila enjehiko. Miasa saina foana aho hoe inona no hitranga na hoe inona indray no mila ataoko.”—Laura.

Zava-misy tsy azo lavina: Milaza ny Baiboly fa miaina ao anatin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Tsy ny olon-dehibe ihany àry no manahy fa ny tanora koa.

Ratsy foana ve ny hoe manahy?

Tsia. Milaza ny Baiboly fa ara-dalàna raha manahy ny olona iray, noho izy te hampifaly ny olona mamin’ny fony.—1 Korintianina 7:32-34; 2 Korintianina 11:28.

Mety handrisika anao hanao zavatra koa ny fanahiana. Aoka hatao hoe hanao fanadinana ianao amin’ny herinandro. Raha manahy ianao, dia hianatra lesona amin’ity herinandro ity, ary mety hanampy anao hahazo naoty tsara izany.

Afaka mampitandrina anao ny amin’izay mety ho vokatry ny zavatra ataonao koa ny fanahiana. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Serena: “Mety hanahy ianao rehefa fantatrao hoe tsy mety ny zavatra ataonao, ary mila miova ianao raha te hilamin-tsaina.”—Ampitahao amin’ny Jakoba 5:14.

Zava-misy tsy azo lavina: Mahasoa ny fanahiana raha mampirisika anao hanao zavatra tsara.

Ahoana anefa raha mahatonga anao ho kivy be ilay izy?

Lehilahy manampy tovolahy iray ho tafavoaka amin’ny lalana mifampidipiditra

Hoatran’ny hoe very ao anaty lalana mifampidipiditra isika rehefa manahy. Mety ho afaka hanampy antsika ho tafavoaka amin’izany anefa ny olon-kafa manana fomba fijery hafa noho isika

Ohatra: Hoy i Richard, 19 taona: “Miasa saina be aho rehefa mieritreritra hoe mety ho izao na izao no hiafaran’ny olana anankiray. Lasa be fanahiana aho rehefa mieritreritra foana an’ilay izy.”

Milaza ny Baiboly fa “mamelombelona ny vatana ny fo tony.” (Ohabolana 14:30) Raha be fanahiana kosa ianao dia mety ho voan’ny aretina isan-karazany, ohatra hoe marary andoha, fanina, marary vavony, ary midobodoboka be ny fo.

Ahoana raha misy vokany ratsy eo aminao ny fanahiana fa tsy mahasoa anao?

Inona no azonao atao?

  • Diniho raha tafahoatra ilay fanahiana na tsia. ‘Tsy mitovy ny hoe mieritreritra momba ny andraikitrao sy ny hoe manahy be loatra momba an’ilay izy. Hoatran’ny hoe mitaingina antsavily ianao rehefa manahy. Miezaka be ianao manetsiketsika an’ilay izy nefa tsy lasa lavitra akory.’—Katherine.

    Hoy ny Baiboly: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?”—Matio 6:27.

    Inona no dikan’izany? Hanampy trotraka ny olana efa mahazo anao fotsiny ny fanahiana raha tsy manampy anao hahita vahaolana. Mety ho ilay fanahiana indray aza no ho lasa olana.

  • Ny androany ihany aloha eritreretina. “Diniho tsara hoe: Mbola ho olana be ve ilay zavatra mampanahy anao, rahampitso, na afaka iray volana, na herintaona, na dimy taona?”—Anthony.

    Hoy ny Baiboly: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.”—Matio 6:34.

    Inona no dikan’izany? Tsy hisy dikany raha ny olana mety hitranga rahampitso no mampanahy anao. Mety tsy hitranga akory mantsy ny sasany amin’ilay izy.

  • Ekeo hoe misy zavatra tsy azonao ovana. “Ataovy izay hahatonga anao ho vonona hiatrika ny zava-mitranga rehetra. Ekeo koa anefa fa misy zavatra tsy azonao ovana.”—Robert.

    Hoy ny Baiboly: ‘Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena ary tsy ny mahira-tsaina no mahazo harena, satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.’—Mpitoriteny 9:11.

    Inona no dikan’izany? Tsy azonao ovana ny zava-mitranga eo amin’ny fiainanao indraindray. Azonao ovana kosa ny fomba fijerinao azy ireny.

  • Miezaha hanana fomba fijery voalanjalanja. “Hitako hoe mila mifantoka amin’ilay zava-misy amin’ny ankapobeny aho, fa tsy hiady saina amin’ny tsipiriany madinika. Tsy maintsy jereko hoe inona no zava-dehibe kokoa, dia iny aloha no ataoko.”—Alexis.

    Hoy ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

    Inona no dikan’izany? Tsy hanahy be loatra ianao raha manana fomba fijery voalanjalanja.

  • Miresaha amin’olona. “Tamin’izaho kilasy fahenina, dia niasa saina foana aho isaky ny avy mianatra hoe inona indray no hitranga rahampitso. Niresaka tamin’ny dadanay sy mamanay àry aho dia nihaino tsara ry zareo. Faly erỳ aho. Natoky an-dry zareo aho ka tsy nisalasala niresaka taminy. Nanampy ahy hiatrika ny andro nanaraka izany.”—Marilyn.

    Hoy ny Baiboly: “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony, fa ny teny soa kosa no mahafaly ny fony.”—Ohabolana 12:25.

    Inona no dikan’izany? Mety ho afaka hanome soso-kevitra hanampy anao tsy hanahy be loatra ny ray aman-dreninao na ny namanao.

  • Mivavaha. “Tena nanampy ahy ny nivavaka tamin’ny feo avo. Tsy ao an-dohako fotsiny mantsy ilay fanahiana amin’izay, fa mivoaka amin’ny vavako. Lasa tsapako koa hoe mbola zava-dehibe noho ilay zavatra mampanahy ahy i Jehovah.”—Laura.

    Hoy ny Baiboly: “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.

    Inona no dikan’izany? Tsy fampitoniana saina fotsiny akory ny vavaka. Resaka ifanaovana amin’i Jehovah Andriamanitra izy io. Nampanantena izy hoe: “Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.”—Isaia 41:10.

Ahoana Raha Be Loatra Ilay Fanahiana?

Misy tanora tsy mety afaka amin’ny fanahiana. Hoy ny tovovavy atao hoe Jenna: “Narary foana ny andohako noho ny fanahiana. Tsy afaka nifantoka aho. Na izaho te hatory be foana mandritra ny andro maromaro, na izaho tsy mahita tory mihitsy. Nalain-komana aho indraindray, nefa nisy fotoana tendan-kanina be. Dia kizitina foana koa aho. Na ny olana kely aza hoatran’ny olana lehibe mihitsy tamiko.”

Mety ho tsara kokoa ny manatona dokotera, rehefa mitohitohy na tafahoatra loatra ny fanahianao. Izany no nataon’i Jenna. Hoy izy: “Lasa tsy dia nanahy intsony aho, rehefa nahazo fanafody. Haiko tsara izao ny mitondra ny fiainako.”

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Carissa

“Resahiko amin’i Jehovah izay zavatra mampanahy ahy. Mahita tory tsara àry aho amin’ny alina, satria fantatro hoe efa eo am-pelatanan’i Jehovah ilay izy. Tsy misy fomba tsara kokoa noho izany azoko anankinana ny fiainako sy ny fanahiako.”—Carissa.

Samantha

“Ataoko ao an-tsaina foana hoe ‘Nahoana moa aho no hanahy amin’izay zavatra tsy azoko ovana amin’izao, na tsy ho azoko ovana mihitsy? Dia eritreretiko ny zavatra resahin’ny Matio 6:27. Izany no manampy ahy hiantehitra amin’i Jehovah sy hanaraka ny toroheviny.”—Samantha.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara