FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbv lahatsoratra 31
  • Filipianina 4:8: “Na Inona na Inona Marina, ... dia Hevero Izany”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Filipianina 4:8: “Na Inona na Inona Marina, ... dia Hevero Izany”
  • Fanazavana Andinin-teny
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tian’ny Filipianina 4:8 holazaina?
  • Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Filipianina 4:8?
  • Filipianina 4:13: “Afaka Miatrika Izany Rehetra Izany Aho, Noho i Kristy”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-50 — Filipiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • “Izany Foana Heverina”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Zava-miafina iray nianaran’ny Filipiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Fanazavana Andinin-teny
ijwbv lahatsoratra 31

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Filipianina 4:8: “Na Inona na Inona Marina, ... dia Hevero Izany”

“Ary farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mety, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona mendrika, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana saintsainina.”​—Filipianina 4:8, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.”​—Filipianina 4:8, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Filipianina 4:8 holazaina?

Tena mahaliana an’Andriamanitra ny zavatra eritreretin’ny olombelona, satria misy vokany amin’ny zavatra ataontsika ny zavatra eritreretintsika. (Salamo 19:14; Marka 7:20-23) Tsy tokony hieritreritra zavatra heverin’Andriamanitra fa ratsy àry ny olona iray, raha te hampifaly azy. Zavatra ankasitrahan’Andriamanitra kosa no saintsaininy.

Misy zavatra tsara valo tokony hosaintsainin’ny Kristianina foana, izany hoe tokony hataony fahazarana ny mieritreritra an’ilay izy.

  • “Marina.” Manondro zavatra mahitsy sy azo itokisana io teny io. Ohatra hoe ny fanazavana hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly.​—1 Timoty 6:20.

  • “Zava-dehibe.” Manondro zavatra tena lehibe sy misy lanjany izy io, izany hoe tsy zavatra tsy misy dikany na tsy ilaina. Manampy ny Kristianina ho tapa-kevitra hanao ny tsara ny misaintsaina zavatra hoatr’izany.​—Titosy 2:6-8.

  • “Mety.” Manondro zavatra kasaintsika hatao na zavatra ataontsika izay mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra, fa tsy hoe mety eo imason’ny olona fotsiny.​—Ohabolana 3:5, 6; 14:12.

  • “Madio.” Tsy hoe fahadiovana eo amin’ny resaka firaisana fotsiny no tiana horesahina fa fahadiovana amin’ny lafiny rehetra mihitsy. Anisan’izany izay eritreretintsika sy ny antony mahatonga antsika hanao zavatra.​—2 Korintianina 11:3.

  • “Mahatehotia.” Izay mahatonga ny olona iray hahatsapa fitiavana fa tsy fankahalana, na fahatezerana, na mahatonga azy ho tia ady.​—1 Petera 4:8.

  • “Tsara laza.” Zavatra vao mainka hahatonga olona iray ho tsara laza no tiana holazaina. Manondro zavatra ankasitrahan’ny olona matahotra an’Andriamanitra koa izy io.​—Ohabolana 22:1.

  • “Mendrika.” Manondro zavatra tena tsara sy tsy misy hokianina, raha ny fitsipik’Andriamanitra no jerena.​—2 Petera 1:5, 9.

  • “Mendri-piderana.” Manondro zavatra mendri-piderana, indrindra fa eo imason’Andriamanitra. Tafiditra amin’izany koa ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra izay tokony hosaintsainin’ny olombelona.​—Salamo 78:4.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Filipianina 4:8?

Nigadra tany Roma ny apostoly Paoly tamin’izy nanoratra ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Filipy. Misy mpivaofy teny ara-baiboly anefa milaza fa “taratasim-pifaliana” io taratasiny io. Hita ao amin’izy io mantsy hoe faly izy, ary imbetsaka izy no mampiasa teny mampiseho fitiavana sy firaiketam-po.​—Filipianina 1:3, 4, 7, 8, 18; 3:1; 4:1, 4, 10.

Tsy foin’i Paoly ireo rahalahy sy anabaviny tany Filipy ka tiany raha mba faly sy miadan-tsaina hoatr’azy koa izy ireo. (Filipianina 2:17, 18) Rehefa hamarana an’ilay taratasiny àry izy dia nampirisika azy ireo mba ho falifaly, hahay handanjalanja, hiantehitra amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, ary hifantoka amin’ny zavatra izay hanampy azy ireo hiadan-tsaina sy hihavana amin’Andriamanitra.​—Filipianina 4:4-9.

Vakio ao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Filipianina toko 4. Mora vakina io Baiboly io sady misy raki-peo, fanamarihana ambany pejy, ary fanondroana andininy hafa. Misy Fanazavana Fanampiny koa ao hahitanao sary sy sarintany.

Jereo ity video fohy ity mba hahitanao ny mombamomba ny bokin’ny Filipianina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara