Ny Fiheveran’ny Baiboly
Mahafaly An’Andriamanitra ve ny Mahita Antsika Mijaly?
NIEZAKA mafy nivesatra lakroa hazo lehibe iray ny lehilahy iray sady tafintohina teny am-pandehanana namakivaky vahoaka be, raha mbola nitete ny ra avy tamin’ny satroboninahitra tsilo teo amin’ny lohany. Nony tonga teo amin’ny ‘toeram-pamonoana’, dia natsotra teo amin’ilay lakroa izy; nalentika mafy teo amin’ny tanany ny fantsika lehibe. Niolanolana noho ny fanaintainana izy teo am-panagorobahan’ny fantsika ny nofo. Rehefa natsangana ilay lakroa, dia nanjary faran’izay mafy ilay fanaintainana. Araka ny voalazan’ny Panorama, gazetiboky iray any Philippines, ny fombafomba mampanaintaina toy izany dia aseho tsy tapaka mandritra ny fankalazana ny Herinandro Masina any Philippines.
Izay vao avy nolazalazaina teo dia fampisehoana amin’ny andro ankehitriny ny fijalian’i Jesosy. Kanefa tsy hoe milalao fotsiny fizarana iray amin’ny tantara iray io lehilahy io. Ny fantsika sy ny ra ary ny fanaintainana — dia zavatra tena izy avokoa.
Any an-toeran-kafa, dia misy Katolika mafana fo azo jerena ampahibemaso mikapoka ny tenany noho izy ta hahatsapa ny fijalian’i Kristy. Nahoana? Manao izany ny sasany noho ny finoana fa hiteraka fahagagana, toy ny fahasitranan’ny olon-tiany marary, ny fijaliany. Manao izany ny hafa mba hanonerana ny fahotany, izay atahorany sao tsy hahazoana famelan-keloka raha tsy ny rany mihitsy no alatsaka. Hoy ny fanazavan’ny boky The Filipinos: “Mpanadio tsara ny saina sy ny fanahy ny fanaintainana. (...) Heverina fa mivoaka avy amin’ilay fanaintainana ilay mpanota, voadio amin’ny fahotana sy afaka amin’ny enta-mavesatra.”
Ny fampanaintainana ny tena anefa, dia tsy voafetra velively ho amin’ny Katolika any Philippines ihany. Olona avy amin’ny fivavahana maro samihafa sy any amin’ny tany samy hafa no mino fa misy vidiny sasany eo anatrehan’Andriamanitra ny fampijalian-tena.
Ohatra, tamin’ny fikarohany ny fahamarinana, i Bouddha, i Siddhārtha Gautama, dia nandao ny vady aman-janany ka nandositra nankany an’efitra, izay nanarahany ny fiainan’ny mpampijaly tena nandritra ny enin-taona. Nanao paozy sarotra be sy nampanaintaina nandritra ny ora maro izy ary nilaza tatỳ aoriana fa nivelona tamin’ny voam-bary iray isan’andro nandritra ny fe-potoana lava be, ka nanjary nahia aoka izany, hany ka hoy izy: “Nanjary niraikitra tamin’ny hazondamosiko ny hodi-kiboko.” Kanefa, na toy inona na toy inona habetsahan’ny fampijaliany tena, dia tsy afaka nitondra ilay fahazavana nokarohiny izany.
Tahaka izany koa, ireo fakirs hindoa any India dia nanao fivalozana maro samihafa izay mafy izaitsizy indraindray — nitsotra teo anelanelan’ny afo, nibanjina ny masoandro mandra-pahajambany, nijoro tamin’ny tongotra iray na tamin’ny fijoro hafa sarotra be nandritra ny fotoana lava be. Noheverina ho lehibe aoka izany ny hasin’ny mpampijaly tena sasany, hany ka hoe afaka niaro tanàna iray tamin’ny fanafihan’ny fahavalo.
Mitovy amin’izany koa, fa resahin’ny Baiboly ny amin’ireo mpivavaka tamin’i Bala izay nitetika ny tenany “araka ny fanaony amin’ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-dra tamin’ny tenany”, tamin’ny fanandramana very maina foana hisarika ny sain’ilay andriamaniny. — 1 Mpanjaka 18:28.
“Hampahory ny tenanareo hianareo”
Na dia marina aza fa nodidian’i Jehovah ny firenena voafidiny hoe: “hampahory ny tenanareo hianareo”, dia heverina amin’ny ankapobeny ho midika hoe mifady hanina izany. (Levitikosy 16:31). Izany fifadian-kanina izany dia fanehoana alahelo sy fibebahana noho ny fahotana na natao rehefa tao anatin’ny toe-javatra nampahory. Noho izany, ny fifadian-kanina dia tsy endri-panasazian-tena iray, fa nampiseho fampietren-tena teo anatrehan’Andriamanitra kosa. — Ezra 8:21, NW.
Nisy Jiosy sasany anefa, nihevitra tamin’ny fomba diso fa nisy vidiny ilay fahoriana mihitsy tafiditra tamin’ny fampijaliana ny fanahy ary izany dia nanery an’Andriamanitra hanome zavatra ho azy ireo ho setriny. Rehefa tsy nisy valisoa toy izany niseho, dia sahisahy ratsy nangataka tamin’Andriamanitra ny fandoavana izay noheveriny fa mendrika ho azy izy ireo: “Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao?” — Isaia 58:3.
Kanefa diso hevitra izy ireo. Ny fifadian-kanina ara-pivavahana araka ny tokony ho izy dia tsy nahatafiditra fampijalian-tena, fampahoriana ny vatana tamin’ny hanoanana, toy ny hoe nisy vidiny tamin’ny naha-izy azy ny fanaintainana na ny fahorian’ny vatana. Nety ho nampihena ny hanoanany ny fientanam-po mafy. Raha toa ny saina ka voatana mafy amin’ny zava-manahirana manery, dia mety tsy haniry sakafo loatra ny vatana. Izany dia manondro eo anatrehan’Andriamanitra ny fihetseham-po faran’izay mafy tsapan’ilay mifady hanina.
Mahafaly an’Andriamanitra ve ny fampanaintainana ny tena?
Moa ve ilay Mpamorona be fitiavana mahita fahasambarana amin’ny fijerena olona mampijaly ny tenany? Na dia marina aza fa indraindray ny Kristiana dia mety ho voatery ho tonga ‘mpiombona fijaliana amin’i Kristy’, dia tsy midika izany fa mitady fahasahiranana na ny toeran’ny maritiora izy ireo. — 1 Petera 4:13.
Azo antoka fa tsy mpampijaly tena velively i Jesosy. Nitaraina ireo mpitondra ara-pivavahana satria tsy nifady hanina ireo mpianany, ary niampanga an’i Jesosy mihitsy aza ho “olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay” izy ireo. (Matio 9:14; 11:19). Nampiseho fahalalana onony tamin’ny zava-drehetra i Jesosy ary tsy nitaky zavatra tamin’ny tenany na tamin’ny hafa nihoatra noho izay antonona. — Marka 6:31; Jaona 4:6.
Na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina dia tsy ahitantsika ny antony hanaovana fampijalian-tena, toy ny hoe hahazoana sitraka amin’Andriamanitra ny fandavana tsy ho an’ny tenantsika ireo zavatra tena ilaina na ireo zavatra mampiadana mihitsy aza eo amin’ny fiainana. Mariho ny tenin’ny apostoly Paoly mikasika ny fanao mampanaintaina toy izany: “Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.” — Kolosiana 2:23.
Nampijalijaly ny tenany ara-bakiteny i Martin Luther, fony izy relijiozy. Tatỳ aoriana anefa, dia nanary ireny fanao ireny izy, tamin’ny filazana fa izy ireny dia nanome hevitra hoe misy lalana roa mankany amin’Andriamanitra, lalana ambony sy ambany, kanefa ny Soratra Masina dia tsy nampianatra afa-tsy lalam-pamonjena tokana — amin’ny alalan’ny fanehoana finoana an’i Jesosy Kristy sy i Jehovah, Rainy. (Jaona 17:3). Etsy an-danin’izany, ny fombafomba nampanaintaina dia noheverin’ny sasany ho endri-pamonjena ny tena.
Hoy ny fanazavan’ny boky Church History in Plain Language momba ny fampijalian-tena: “Ny fanohanana ilay ezaka manontolo dia fomba fihevitra diso momba ny olombelona. Ny fanahy, hoy ny relijiozy, dia voafatotra amin’ny nofo toy ny hoe gadrain’ny vatana. Tsy izany no fomba fihevitra ara-baiboly momba ny fiainan’olombelona.” Eny, ilay hevitra mihitsy hoe afaka mampifaly an’Andriamanitra ny fampanaintainana ny tena dia tsy hita ao amin’ny Soratra Masina. Izy io dia mifototra amin’ny hevi-dison’ny gnostique hoe ratsy ny zava-drehetra mifandray amin’ny nofo ka tokony hampijalina araka izay azo atao mba hahazoan’ny olona iray famonjena.
Koa satria irin’i Jehovah ny hahasambatra antsika, dia tsy raharaha momba ny fahatongavana ho mpampijaly tena ny fanompoana Andriamanitra iray mahafinaritra toy izany. (Mpitoriteny 7:16). Noho izany, na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina dia tsy ilazana isika fa lalam-pamonjena ny fampijalian-tena toy izany. Mifanohitra amin’izany kosa fa asehon’ny Tenin’Andriamanitra mazava fa ny ran’i Kristy, omban’ny finoantsika azy io, no manadio antsika amin’ny ota rehetra. — Romana 5:1; 1 Jaona 1:7.