FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/10 p. 24-25
  • Fanalahidin’ny Fahendrena ve ny Fampijalian-tena?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanalahidin’ny Fahendrena ve ny Fampijalian-tena?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miorina amin’ny fiheveran-diso
  • Tsy ilaina ny fampijalian-tena
  • Ny taratasy ho an’ny Kolosiana, loharanon’ny torohevitra feno fahendrena momba ny finoana sy ny fitondrantena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mahafaly An’Andriamanitra ve ny Mahita Antsika Mijaly?
    Mifohaza!—1995
  • Tena Azo Inoana ny Hisian’ny Paradisa eto An-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Kolosianina, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/10 p. 24-25

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Fanalahidin’ny Fahendrena ve ny Fampijalian-tena?

“NANAO gadra vy, rojo vy, sikina nisy tsilotsilo, sy fehivozona maranitra, ireo mpitoka-monina (...). Ny hafa nikodiadia teo amin’ny tsilo sy ny amiana, ninia nisarika ny bibikely hanaikitra azy, nandoro tena tamin’ny afo ary namela ny feriny hanararaotra mandra-pivoakan’ny nana tsy an-kijanona. Koa satria efa fanao mahazatra ny tsy fihinanana afa-tsy sakafo faran’izay kely, ny sasany dia nanitatra ka tsy nihinana afa-tsy sakafo lo, na raha tsy izany, dia sakafo naharikoriko.” — The Saints, nataon’i Edith Simon.

Ireny no atao hoe mpampijaly tena. Nahoana izy ireo no nampahory tena toy izany? Hazavain’ireo mpanoratra ilay boky hoe For the Sake of the World—The Spirit of Buddhist and Christian Monasticism, fa “efa hatramin’ny andron’i Socrate (taonjato fahadimy al.f.i.), fara faharatsiny, no fahazoan-kevitra niely hatraiza hatraiza ny hoe zavatra nilaina mba hahazoana ny tena fahendrena ny fiainana tsy nisy afa-tsy izay tena nilaina, tsy voahelingelin’ny haitraitran’ny filan’ny nofo sy ny zavatra hita maso”. Nihevitra ny mpampijaly tena fa hampitombo ny fahatsapany zavatra ara-panahy ny fampijaliana ny vatana, ka hitarika ho amin’ny tena fahazavan-tsaina.

Sarotra ny mamaritra hoe inona marina no atao hoe fampijalian-tena. Ho an’ny sasany, izy io dia midika fotsiny hoe fahaiza-manitsy tena na fandavan-tena. Nihevitra ireo hatsaran-toetra ireo ho sarobidy ny Kristiana tany am-boalohany. (Galatiana 5:22, 23; Kolosiana 3:5). Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy no nanoro hevitra ny amin’ny tokony hananana fiainana tsotra tsy voahelingelin’ireo fanahiana entin’ny fomba fiaina miahy fatratra ny zavatra ara-nofo. (Matio 6:19-33). Matetika kokoa anefa no ampifandraisina amin’ny fomba fanao henjana lavitra sady matetika no tafahoatra, toy ireo voalazalaza etsy ambony, ny fampijalian-tena. Moa ve tena fanalahidin’ny fahendrena tokoa ireo fanaon’ny mpampijaly tena ireo, indrindra fa ireo amin’ny endriny tafahoatra kokoa?

Miorina amin’ny fiheveran-diso

Anisan’ireo filôzôfia nampipoitra ny fampijalian-tena ilay hevitra hoe ireo zavatra ara-nofo sy fahafinaretana ara-batana mihitsy no ratsy ka, noho izany, dia sakana ho an’ny fandrosoana ara-panahy. Fiheverana hafa koa izay nitarika ho amin’ny fampijalian-tena ilay finoana ekena hatraiza hatraiza hoe voaforon’ny vatana sy ny fanahy (âme) ny olombelona. Inoan’ireo mpampijaly tena fa managadra ny fanahy (âme) ny vatana ary fahavalon’ny fanahy (âme) ny nofo.

Inona no lazain’ny Baiboly? Asehon’ny Soratra Masina fa rehefa nahavita ny famoronany ny tany Andriamanitra, dia nilaza fa ny zavatra rehetra nataony — ny zavatra noforoniny hita maso rehetra — dia “tsara indrindra”. (Genesisy 1:31). Ny nokendren’Andriamanitra ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy tao amin’ny saha Edena dia ny hankafizany zavatra ara-nofo. Ilay anarana mihitsy hoe Edena dia midika hoe “Fahafinaretana”. (Genesisy 2:8, 9). Lavorary i Adama sy i Eva ary nanana fifandraisana tsara tamin’ny Mpamorona azy, mandra-panotany. Nanomboka tamin’izay fotoana izay, dia nanjary sakana teo anelanelan’Andriamanitra sy ny olona ny tsy fahalavorariana. Kanefa, tsy afaka miteraka sakana na oviana na oviana eo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny mpivavaka aminy ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny olombelona ara-dalàna na ny fankafizana fahafinaretana ara-nofo nomen’Andriamanitra, rehefa atao mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ara-pitondran-tena izany! — Salamo 145:16.

Fanampin’izany, dia ampianarin’ny Baiboly mazava tsara fa ny olona, izay noforonina avy tamin’ny vovoka sy natao ho nofo, dia fanahy (âme). Samy tsy tohanan’ny Soratra Masina na ilay fiheverana hoe karazan-javatra tsy hita maso sy tsy mety maty voatana ao anatin’ny vatana ny fanahy (âme) na ilay hevitra hoe misakana ny olona iray tsy hanana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra ny nofo. — Genesisy 2:7.

Mazava àry fa filazalazana voaolana momba ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra ny fiheverana momba ny fampijalian-tena. Nampitandrina ny apostoly Paoly fa aleon’ny Kristiana anarana sasany ny filôzôfian’olombelona mamitaka toy izay ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. (1 Timoty 4:1-5). Mikasika ny sasany nanana io fomba fiheverana io, dia hoy ny mpahay tantara ara-pivavahana iray: “Ny finoana hoe ratsy ny zavatra ara-nofo (...) ary tsy maintsy afahana amin’ny fangejan’ny zavatra ara-nofo ny fanahin’ny olona, dia niteraka fampijalian-tena mafy nandrara ny fihinanan-kena, ny firaisana ara-nofo sy ny toy izany, ary tsy nisy naharaka izany afa-tsy ireo ‘lavorary’ notsongaina na perfecti, izay nanaovana fombafomba manokana nandraisana azy ho toy izany.” Tsy manana fototra ao amin’ny Baiboly izany fomba fisaina izany ary tsy ninoan’ny Kristiana tany am-boalohany. — Ohabolana 5:15-19; 1 Korintiana 7:4, 5; Hebreo 13:4.

Tsy ilaina ny fampijalian-tena

Tsy mpampijaly tena i Jesosy sy ireo mpianany. Niaritra fisedrana sy fahoriana maro isan-karazany izy ireo, kanefa tsy izy ireo velively no nampihatra ireny fahoriana ireny tamin’ny tenany. Nananatra ny Kristiana ny apostoly Paoly mba hitandrina sao ho voataonan’ny filôzôfian’olombelona mamitaka hiala amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, ka ho voatarika ho amin’ny fanao tsy araka ny antonona, tafahoatra. Notononin’i Paoly indrindra indrindra ny “fampahoriana ny tena”. Hoy izy: “Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.” (Kolosiana 2:8, 23). Tsy mitarika ho amin’ny fahamasinana manokana na ny tena fahazavan-tsaina ny fampijalian-tena.

Marina aloha fa mitaky fikelezana aina mafy sy fahaiza-manitsy tena ny lalan’ny fankatoavana kristiana. (Lioka 13:24; 1 Korintiana 9:27). Tsy maintsy miezaka mafy ny olona iray mba hahazoana ny fahalalana an’Andriamanitra. (Ohabolana 2:1-6). Afa-tsy izany koa, ny Baiboly dia mananatra mafy mba tsy handevozin’ny “filana sy ny fahafinaretana” sy mba tsy ho ‘tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra’. (Titosy 3:3; 2 Timoty 3:4, 5). Kanefa, tsy manohana ny fampijalian-tena ireo andalan-teny ao amin’ny Soratra Masina ireo. Nankafy fotoana nahafinaritra nahitana sakafo sy zava-pisotro sy mozika ary dihy i Jesosy Kristy, izay lehilahy lavorary. — Lioka 5:29; Jaona 2:1-10.

Mahalala ny antonona ny tena fahendrena, fa tsy manao zavatra tafahoatra. (Jakoba 3:17). Noforonin’i Jehovah Andriamanitra ho afaka hankafy fahafinaretana maro eo amin’ny fiainana ny vatantsika. Tiany ho sambatra isika. Hoy ny Teniny amintsika: “Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” — Mpitoriteny 3:12, 13.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Masindahy Jérôme ao Anaty Zohy/The Complete Woodcuts of Albrecht Dürer/Dover Publications, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara