Ny Fangatahana Andro Lava — Ilay Mpangalatra Fotoana
“Ny fangatahana andro lava no mpangalatra fotoana.” — Edward Young, 1742 tany ho any.
AOKA aloha! Aza apetraka itỳ lahatsoratra itỳ! Fantatrao izay mety hitranga. Mety hametraka azy itỳ ianao ka hanao hoe: “Lohateny mahaliana izy izany, kanefa tsy manam-potoana hamakiana azy aho izao. Hovakiko any aoriana izy itỳ.” Kanefa mety tsy hanam-potoana mihitsy ianao any aoriana.
Aza mangataka andro hamaky lahatsoratra iray momba ny fangatahana andro lava! Isao ny fotoana holaninao amin’izany. Azo inoana fa ho afaka hamaky itỳ lahatsoratra itỳ ao anatin’ny dimy minitra eo ho eo ianao. Hahavita ny tokony ho 10 isan-jaton’itỳ gazety manontolo itỳ ianao amin’izay! Jereo ny famantaranandronao ka manomboha manisa ny fotoana amin’izay. (Efa nahavita ny 5 isan-jaton’itỳ lahatsoratra itỳ sahady ianao!)
Fangatahana andro lava ve izany?
Raha mampiandry izany ianao — mampihemotra izay azonao atao na tokony hataonao izao — dia mangataka andro ianao amin’izay. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mampiandry ho amin’ny ampitso izay azonao atao izao, anio, ianao. Ny olona iray mpangataka andro lava dia mampihemotra ny fanaovan-javatra rehefa fanaovan-javatra ilaina izany.
Mangataka tatitra amin’ny mpiasa iray ny mpampiasa iray; mangataka ny zanany hanadio ny efitranony ny ray aman-dreniny; mangataka ny vadiny hanamboatra ny raobine ny vehivavy iray. “Sahirana loatra aho”, na “Hadinoko”, na “Tsy nanam-potoana aho” no fialan-tsiny omena mba tsy hanaovana izany. Ny zavatra tena izy dia izao: vitsy amintsika no tia ny manao tatitra na manadio efitrano na manamboatra fantsona rehefa misy zavatra mahafinaritra kokoa azo atao. Koa mampiandry izany isika, mampihemotra ny fanaovana izany isika.
Kanefa, fantatrao ve fa indraindray dia tsy fangatahana andro lava ny fampiandrasantsika ny fanaovana zavatra iray? Ny vehivavy mpandraharaha iray izay naharay fangatahana iray ka tsy nahafantatra izay tokony hatao tamin’izy io dia nampirina azy io tao amin’ny fitoerana iray misy soratra hoe “mbola miandry”, teo ambonin’ny latabany. Rehefa afaka herinandro vitsivitsy, dia namerina nijery ireo zavatra tsirairay tao izy ka nahita fa tsy nila fanaovan-javatra ny antsasak’izy ireo. Nilamina ho azy izy ireo na tsy notakina intsony. Raha tsy azonao antoka na tokony hampihemotra ianao, na hanao zavatra, dia andramo fantarina izay hitranga raha tsy manao mihitsy ilay zavatra ahemotrao ianao. Azo inoana ve fa ho tsara kokoa ny fiafaran-javatra raha mamita azy io ianao sa ho ratsy kokoa?
Raha toa ka afaka sady tokony hanao zavatra isika izao ary mety hiteraka olana maro kokoa any aoriana ny fanemorana ilay fanaovan-javatra ilaina, amin’izay ilay fanemorana dia fangatahana andro. Ohatra, ny fanasana lovia aorian’ny nipetrahany naharitraritra dia manasarotra kokoa ny fikosehana azy ireo hadio. Ny fanemorana ny fikojakojana ny fiarakodia dia mety hiteraka fanamboarana handaniana be any aoriana. Ny fahatarana amin’ny fandoavana faktiora iray dia mety hiteraka fandoavana lafo kokoa na famoizana ireo fanampiana. Nanao asa marika ny vehivavy iray fa ny sazy azony tamin’ny fifamoivoizana tsy naloany ara-potoana sy ny cassettes vidéo nohofany ary ny boky nindraminy tsy naveriny ara-potoana dia nahatontaly 46 dolara (≈188 600 FMG) noho ny fahatarana! Izany dia ho an’ny iray volana monja!
Fisamborana ilay mpangalatra
Ataovy izay hahatakarana ny antony mahatonga anao hangataka andro lava. Manaova topy maso amin’ireto antony manaraka ireto, ary jereo raha afaka mamantatra ianao hoe iza amin’ireo no mifanitsy amin’ny tetik’asa iray amin’izao fotoana izao izay mbola tsy natombokao na mbola tsy vitanao:
Fahazarana:
Raha miandry hatramin’ny minitra farany aho, dia hanana antony manosika bebe kokoa hamitana azy io.
Tiako ilay fahataitairana tsapako amin’ny fanaovana azy io amin’ny minitra farany indrindra.
Handrasako ny fampahatsiarovan’ny lehibe ahy indroa, amin’izay dia ho fantatro fa zavatra tena tiany ho vita izy io.
Be dia be aoka izany ny zavatra hataoko, hany ka ireo zavatra ao anatin’ny krizy ihany no misarika ny saiko.
Toe-tsaina:
Tsy manana faniriana na antony manosika hanao io asa anendrena io aho.
Tsy manao ireo zavatra aho raha tsy rehefa ta hanao izany.
Ta hanao zavatra hafa aho.
Tsy ampy fahaiza-manitsy tena aho.
Tahotra:
Tsy azoko antoka hoe afaka manao azy io aho.
Tsy manam-potoana ampy hanaovana azy io aho.
Tetik’asa lehibe loatra izy io. Mila fanampiana aho.
Ahoana raha tsy mahomby na tsy mahavita aho?
Tsy maintsy manana ireo fitaovana mba hamitana ilay tetik’asa aho.
Matahotra aho sao hokianina na ho sanganehana.
Mangataka andro lava eo amin’ny ambaratonga samy hafa ny olona samy hafa. Ny sasany mangataka andro lava alohan’ny hanombohana, satria mihevitra ilay tetik’asa ho lehibe loatra izy ireo. Ny hafa manomboka, kanefa rehefa tokony ho eo amin’ny fisasahany, dia mihena ny risi-po ka mampiandry ny famitana azy io izy ireo. Ankoatra izany, ny hafa dia madiva hamita azy io saingy manomboka tetik’asa hafa, ka mamela ilay voalohany ho tsy vita. (Tsetsatsetsa tsy aritra ihany, fa tsara dia tsara ny ataonao. Efa eo amin’ny fisasahan’itỳ lahatsoratra itỳ sahady ianao.)
Ireo antony mahatonga anao tsy hanomboka na tsy hamita tetik’asa iray dia mety ho tafiditra ao amin’ireo sokajy telo rehetra ireo. Ao amin’ny boky The Now Habit, i Neil Fiore dia nanoratra hoe: “Ireo lafiny telo lehibe indrindra izay fototry ny ankamaroan’ny olana momba ny fangatahana andro lava dia: ny fahatsiarovan-tena ho iharam-pahavoazana sy ny fahakiviana ary ny tahotra sao tsy hahomby.” Na inona na inona antony, raha afaka mamantatra ireo antony mahatonga ny fangatahanao andro lava ianao, dia hanakaiky kokoa ny vahaolana.
Raha tsy azonao antoka ny antony angatahanao andro lava, dia manaova fandraisana an-tsoratra ireo zavatra ataonao mielanelana antsasak’adiny mandritra ny herinandro iray. Fantaro ny fomba andanianao ny fotoana. Afaka manaitra tokoa ny mahita ny habetsahan’ny fotoana lanintsika amin’ny zavatra tsy dia lehibe loatra eo anelanelan’ny raharaha lehibe roa. Kanefa ahoana rehefa avy eo?
Hevero ny ho vokany
Ny fanantenana fa hisy zavatra ho vita tsy misy fanaovana ny ezaka amin’izany dia afaka miteraka fahatsapana ho tsy metimety. Arakaraka ny anakekezanao ilay daty farany antenaina, dia manomboka mahatsapa fanerena sy tebiteby ianao. Arakaraka ny itomboan’ireo fihetseham-po ireo, dia mety ho voasakantsakana ny fahaizanao mamoron-javatra. Tsy mirona hamantatra na hanombana ireo fomba maro samihafa hanatratrarana ilay tanjona ianao, fa liana voalohany indrindra kosa ny amin’ny fahavitan’izy io.
Ohatra: Voatendry hanao famelabelarana iray ianao. Ny alina mialoha, dia nipetraka ianao mba hanoratra teny vitsivitsy teo amin’ny taratasy. Tsy nandany fotoana ampy mba hanaovana fikarohana momba ilay foto-kevitra hovelabelarinao ianao, koa nataonao kitoatoa ilay izy. Angamba raha nampiana ezaka amboniny kely fotsiny, dia ho afaka nampiditra fanandraman-javatra, fanazavana manohana izany, na tabilao, ianao mba hanampiana ny mpihaino anao haka sary an-tsaina ilay foto-kevitra.
Ny vokany hafa iray izay miseho rehefa mampihemotra tetik’asa iray isika dia ny tsy fahafahantsika miala sasatra rehefa manam-potoana malalaka. Izany dia satria isika manana fahatsapana sorisory (na misy olona iray manorisory izay mampahatsiahy antsika) fa namela tetik’asa iray ho tsy vita isika.
Inona no azoko atao?
Manaova lisitra. Ataovy ny alina mialoha izany. Soraty eo amin’ny taratasy ireo zavatra tianao hotontosaina ny ampitso. Amin’izay fomba izay no tsy hanadinoanao zavatra, ary ho hitanao ny fandrosoanao arakaraka ny anamarihanao ireo zavatra vita. Eo an-kavanan’ny zavatra hatao tsirairay, dia soraty ny habetsahan’ny fotoana tombananao fa hanatontosanao ilay asa anendrena. Raha manao lisitra iray momba ny ‘Tokony Hatao’ ho amin’ilay andro ianao, dia mampiasà minitra. Raha manao lisitra iray momba ny tetik’asa iray ianao, dia mampiasà ora. Ataovy ny alina mialoha io lisitra io. Makà minitra vitsivitsy mba hanomanana ny lisitrao ho amin’ny ampitso. Ataovy talaky maso ny kalandrie iray ahitana ireo volana. Arakaraka ny anekenao fanendrena, dia soraty eo izany.
Rehefa mamerina mijery ireo asa ho amin’ny ampitso ianao, dia ataovy manaraka laharam-pahamehana ireo zavatra hatao eo amin’ny kalandrienao, asio hoe A, B, D, sy ny sisa eo akaikin’ny zavatra tsirairay tokony hotontosaina. Manao asa tsara kokoa ny olona sasany amin’ny maraina, ny hafa amin’ny tolakandro na ny hariva. Apetraho eo amin’ny fotoana hahavitanao zavatra tsara indrindra ireo tetik’asanao lehibe indrindra. Ny tsy mahafinaritra firy dia apetraho eo alohan’ny asa mahafinaritra.
Tsinjarao ny fotoana. Raha tara foana ianao, mihazakazaka ara-bakiteny satria tara, dia mianara maninjara fotoana. Ny hevitr’izany dia hoe manaova faminavinana araka ny marina ny amin’ny habetsahan’ny fotoana hilainao mba hanaovana raharaha iray. Ampio minitra vitsy amboniny ilay raharaha mba havela ho an’ny “sampona” mety hitranga. Aza hadinoina ny mamela fotoana eo anelanelan’ireo fotoana nifanaovana. Mila manampy amin’ny fotoana hivezivezena ianao. Tsy afaka mamarana fivoriana iray amin’ny 10 ora maraina sy ho any amin’ny fivoriana hafa amin’ny 10 ora maraina ianao, na dia ao amin’ny efitra anila aza ilay izy, tsy resahina intsony ny hoe hamakivaky tanàna. Mamelà fotoana ampy eo anelanelany.
Manankìna asa. Matetika isika dia miezaka hanao ny zava-drehetra samirery na dia mety tsy hila hanao izany foana aza. Mety ho afaka hanatitra fonosan’entana iray ho antsika ny olon-kafa iray raha fantatsika fa handeha ho any amin’ny paositra izy.
Zarazarao izany. Indraindray isika dia tsy manomboka tetik’asa vaovao iray noho ny halehibeny. Nahoana no tsy mizarazara ilay asa lehibe ho kely kokoa maromaro? Arakaraka ny amitantsika ireo raharaha kely kokoa no hahitantsika ny fandrosoantsika sy hahazoantsika fampirisihana mba hamita ilay ambaratonga manaraka.
Manomàna fiatoana. Misy foana ny fiatoana amin’ny asantsika — antso an-telefaonina, mpitsidika, olana, taratasy tonga. Irintsika ny hiasa amin’ny fomba mandaitra, izay mahafaoka fiaraha-miasa amin’ny olon-kafa manana daty farany hotratrarina koa. Raha tsy miahy afa-tsy ny amin’ny hiasana amin’ny fomba hahitam-bokatra isika, dia hanjary ho sosotra rehefa mampiato ny zavatra ataontsika ny hafa. Noho izany, dia manomàna fiatoana. Mamelà fotoana isan’andro ho an’ny fisehoan-javatra tsy nomanina. Rehefa mipoitra izany, dia afaka miatrika izany ianao, amin’ny fahafantarana fa namela fotoana ho amin’izany ianao.
Valisoa. Rehefa manao ny fandaharam-potoananao ianao, dia tokony hiomana ho amin’ny fanaovan-javatra mafy na ifantohana be mandritra ny 90 minitra eo ho eo. Aza hadinoina ny manokana fotoana ho amin’ny fanomanana ilay asa. Aorian’ny nanombohanao marina ilay asa sy niasanao nandritra ny adiny iray sy sasany teo ho eo, dia mety hila ny hiala janona kely ianao. Raha miasa amin’ny birao ianao, dia miatoa, atsory izay mivonkimbonkina, ary makà saina milamina. Raha miasa eny ivelany ianao, dia makà tohan’aina sasany. Omeo valisoa ny tenanao noho ny asanao. — Mpitoriteny 3:13.
Hevero fotsiny ange e, nahavita itỳ lahatsoratra itỳ tao anatin’ny dimy minitra teo ho eo ianao taorian’ny namakianao ny lohateniny. Mety ho eo an-dalam-pahasitranana ianao!