Sekoly Iray Mahomby Izay Misy Maneran-tany
TSY sekoly tsy miankina lafo saram-pianarana be izy io na oniversite malaza izay olom-bitsy voafantina ihany no mahazo miditra ao. Tsia, miasa tsy mitaky saram-pianarana amin’ny mpianatra ao aminy io sekoly io. Azo inoana fa atao any amin’ny toerana iray akaikin’ny misy anao ireo fotoam-pianarana amin’izy io. Antsoina hoe Sekolin’ny Fanompoana Teokratika izy io, ary tarihina any amin’ireo toeram-pivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Olona dimy tapitrisa eo ho eo maneran-tany no manatrika io sekoly io.
Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Inona avy no fepetra takina mba hisoratana anarana amin’izy io? Inona no ampianarina ao amin’ilay sekoly? Ahoana no itarihana azy io? Ary ahoana no andraisan’ny olona soa avy amin’izy io?’
Fepetra takina
Na dia ny olona rehetra aza no raisina an-tanan-droa mba hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, ireo izay misoratra anarana dia tsy maintsy mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny Baiboly, ilay boky fianarana lehibe indrindra amin’ilay sekoly. Takina amin’izy ireo ny hananana fiainana mahafeno ireo fepetra ara-pitondran-tena takin’ny Baiboly. Koa tsy afaka manana fiainana feno faharatsiam-pitondran-tena ireo mpianatra. Tsy mety ho mpangalatra, mpimamo, mpijangajanga, mpifoka sigara na mpihinam-paraky, sy ny toy izany, izy ireo. — 1 Korintiana 6:9-11.
Sekoly maro amin’izao andro izao no namela an’ireo fitsipika momba ny fitafiana, fa antenaina hitafy amim-pahamaotinana akanjo madio kosa ireo mpianatra izay misoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. (1 Timoty 2:9, 10). Tsy misy taona takina ho amin’io sekoly io. Ny ankizy efatra na dimy taona izay mahay mamaky teny dia misoratra anarana ka manana anjara tsy tapaka, toy ny ataon’ny lehilahy sy vehivavy maro eo amin’ny faha-90 taonany.
Firafitra sy zavatra ianarana
Mba hanaovana azy hifanentana amin’ny mpanatrika, dia saika atao foana amin’ny takariva iray eny antenatenan’ny herinandro ireo fotoam-pianarana maharitra 45 minitra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Aorian’ny teny fiarahabana fohy ataon’ny mpampianatra amin’ny sekoly, ny mpandahateny voalohany amin’ilay takariva dia manao lahateny maharitra 10 ka hatramin’ny 15 minitra miorina amin’ny iray amin’ireo boky fianarana amin’ilay sekoly. Avy eo, dia matetika izy no mitarika famerenana am-bava maharitra telo ka hatramin’ny dimy minitra momba ilay foto-kevitra novelabelariny.
Manaraka izany, ny mpampianatra mahay iray dia mamelabelatra hevitra misongadina amin’ny anjara famakiana Baiboly isan-kerinandro, izay amin’ny ankapobeny dia voaforon’ny toko roa ka hatramin’ny efatra avy ao amin’ny Baiboly. Enina minitra no omena ho amin’io famerenana io. Hahavaky ny Baiboly manontolo mandritra ny fe-potoana iray ireo mpianatra izay maharaka an’io anjara enti-mody isan-kerinandro io.
Aorian’ireo hevitra misongadina avy ao amin’ny Baiboly, dia misy famelabelarana ataon’ny mpianatra telo, ka ny tsirairay avy dia voafetra ho dimy minitra. Ny iray dia famakiana Baiboly avy amin’ny ampahany iray amin’ilay anjara enti-mody. Ireo famelabelarana roa hafa dia miorina amin’ny boky fianarana amin’ilay sekoly izay ampirisihana ny mpianatra rehetra mba hovakina ho fiomanana amin’ilay fianarana. Aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay, ilay mpampianatra amin’ilay sekoly dia manolotra teny fiderana ary, matetika, dia fanoloran-kevitra mba hihatsarana.
Miorina amin’ilay zavatra vita an-tsoratra hoe Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, izay antenaina fa ianaran’ny mpianatra tsirairay amim-pitandremana, ny torohevitra omen’ilay mpampianatra amin’ilay sekoly. Mba hihatsarana amin’ny fahaiza-mandaha-teny manokana iray ho amin’ny anjarany manaraka, ilay mpianatra dia mety hasaina hijery indray toko iray avy ao amin’ilay boky, toy ny hoe “Fifandraisana Amin’ny Mpihaino sy Fampiasana Fitadidiana An-tsoratra”, “Fanoharana Mifanentana”, “Famerimberenana sy Fihetsehana”, sy “Fiovam-peo Raha Miteny sy Fiovam-peo Araka ny Hevitra Ambara”.
Any amin’ny faritra sasany, dia manana kilasy fanampiny fianarana mamaky teny sy manoratra sy kilasy fanatsarana ny famakian-teny, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Olona an’aliny maro no nianatra namaky teny na nanatsara ny famakiany teny tao amin’ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra toy ireny. Ohatra, tany Meksika, teo anelanelan’ny taona 1946 sy 1994, dia maherin’ny 127 000 no nampiana hanjary hahay hamaky teny sy hanoratra.
Fanampiana olona an-tapitrisany maro
Manerana ny tany manontolo, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia manohana ny fiezahan’ny ray aman-dreny hanome fampianarana tsara ho an’ny zanany. Hoy i Moriah, 16 taona: “Nianatra nikaroka fanazavana sy namerimberina ny famelabelarako aho. Ankehitriny dia mora amiko ny manao ny anjara rehetra azoko any amin’ny lise.”
Hoy ny fanamarihan’i Matthew, 15 taona, izay nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana fony izy fito taona: “Manana tombony lehibe noho ireo mitovy taona amiko aho raha ny amin’ny zava-bita amin’ny fianarana. Nahazo fahaizana mianatra sy mihaino ary ny fahaizana manao lahateny amin’ny fomba mandaitra aho.” Hoy ny teny nanampin’i Phil rahalahiny, 17 taona: “Nahatonga ahy hatoky tena kokoa ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Fantatro fa raha omena anjara aho, dia afaka manatontosa izany.”
Nampianatra olon-dehibe koa ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Hoy ny fanazavan’i Michael, izay nahatratra tanjona toy ny fanaovana famelabelarana amin’ny mpitantana orinasa: “Faran’izay saro-kenatra aho rehefa nirotsaka tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Tsy menamenatra intsony aho. Nanome ilay rivo-piainana tsy ananana ahiahy sy ilay fahalalana sy fahaizana ary fampaherezana manokana izay nilaiko mba handreseko ny hasarotan-kenatro, ilay sekoly.” Hoy ny fanamarihan’ny raim-pianakaviana iray: “Heveriko fa nanonitra an’ireo fahafahana hianatra tsy nananako fony aho tanora aho.”
Tao amin’ny tanàna kely iray any Amerika Latina, dia nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ireo mpikambana ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fampianarana. Rehefa avy nihaino mpandahateny iray teo an-toerana ny iray tamin’ireo mpitsidika, izay talen’ny sekoly iray, dia nihiaka toy izao izy: “Tsy tokony hahay hiresaka amin’ny fiteny espaniola [fa tsy amin’ny fitenim-paritra fampiasany], indrindra ka hoe hanao lahateny amin’ny mpanatrika, io lehilahy io, izay fantatray foana ho olona tsy nahay taratasy, kanefa dia manao izany izy izao.”
Eny tokoa, iray amin’ny sekoly tsara dia tsara indrindra eo amin’izao tontolo izao ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika! Afaka manampy, na ny tanora, na ny antitra, hahazo fampianarana tsara izy io. Araka ny filazan’ny tanora iray azy dia hoe: “Manoro hevitra ny olona na iza na iza izay mihevitra ny hirotsaka amin’ilay sekoly aho mba hirotsaka avy hatrany.”
[Sary, pejy 13]
Manampy olona an-tapitrisany maro hahazo fampianarana tsara ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika