OSCE — Inona moa Izy Io? Hahomby ve Izy Io?
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Portogaly
TAORIAN’NY nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nipoitra ny ady fahefana teo amin’ny tany kapitalista demokratika tandrefana sy ny vondrona sovietika komonista tatsinanana. Samy nanangana ny fikambanany manokana itandrovana ny filaminana ny vondrona tsirairay: ny Dinan’i Atlantika Avaratra (OTAN) tatỳ Andrefana sy ny Dinan’i Varsovie tany Atsinanana.
Tamin’ny 1975, dia nalefaka ny Ady Mangatsiaka mba hahafahan’ny Fanjakana 35, anisan’izany i Etazonia sy i Rosia, hanao sonia an’ilay nanjary nantsoina hoe Dinan’i Helsinki. Teraka ny Kaonferansy Momba ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa atỳ Eoropa (CSCE). Fitaovana nifandraisan’ny firenena maromaro ho amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampiraharahana teo amin’ny vondrona roa tonta izy io.
Tany amin’ny Fihaonana An-tampony tany Budapest tamin’ny 1994, dia novana hoe Fikambanana Mikendry ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa atỳ Eoropa (OSCE) ny anaran’ny CSCE. Fanjakana mandray anjara miisa 54 no mahaforona azy io amin’izao andro izao, anisan’izany i Etazonia, i Kanada, sy ny firenena rehetra tao amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha.
Ny zava-kendreny
Ny zava-kendren’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OSCE dia ny hiantoka ny filaminana atỳ Eoropa, ary koa ny hampandroso ny fampiharana ny zon’olombelona, ny fampihenana fitaovam-piadiana, ny fahalalahana demokratika, sy ny fahaiza-mandamina adim-paritra.
Nisy fihaonana an-tampon’ny OSCE natao tany Lisbonne, eto Portogaly, tamin’ny 2 sy 3 Desambra 1996. Teo am-boalohany, dia nafantoka tamin’ny OTAN ny saina, satria mpikambana maromaro ao amin’ny OTAN, anisan’izany i Etazonia, no manohana ny fanitarana ny OTAN mba hampidirana ao firenena maro kokoa avy any Eoropa Afovoany sy Atsinanana. Tsy manohana ny fanalehibeazana ny OTAN mba hampidirana ny mpiray dina taminy taloha any Atsinanana anefa i Rosia sy ny sasany amin’ireo mpiray dina taminy taloha any Atsinanana, fa maniry kosa ny hahatongavan’ny OSCE ho fitaovana ifampidinihana momba ireo raharaha mahakasika ny filaminana atỳ Eoropa.
Hoy i Viktor Chernomyrdin, praiminisitra rosiana, tao amin’ilay fivoriana: “Tohananay ny fanatanjahana ny OSCE, ilay hany toerana atỳ Eoropa ahafahan’ny Fanjakana rehetra miara-miasa. Izy io no toerana iraisam-pirenena tsara indrindra ho amin’ny fiaraha-midinika momba ny filaminana sy ny fiarovana.”
Toa namorona rivo-piainana nahavelom-panantenana ny rehetra teo am-pifaranan’ilay fihaonana an-tampony ny masoandro nibaliaka tamin’ilay tolakandro, na dia teo aza ny fanamarihana nataon’ny mpilaza vaovao mikasika ny hoe tsy nazava tsara ny vokatr’ilay fihaonana. Na inona na inona fahombiazana na tsy fahombiazana mety hotontosain’ny OSCE, dia afaka mahazo antoka ny olona tia fiadanana hatraiza hatraiza fa ho tontosa tsy ho ela haneran-tany ny tena fiadanana sy filaminana, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Salamo 72:1, 7, 8.
[Sary, pejy 31]
Ny Foibe Ara-kolontsaina any Belém, any Lisbonne, Portogaly, izay nanaovana ilay kaonferansy