Paradisa Tsy Hisy Korontana — Nofinofy Fotsiny ve?
“MILAMINA erỳ etỳ izany!” Zavatra tony tokoa no taza-maso avy eny amin’ny alan-kazo kesika, eny ambonin’ny Farihy Redfish, ao amin’ny Fanjakan’i Idaho, Etazonia. “Izao mihitsy no fiheverako izany atao hoe paradisa izany”, hoy ny mpandeha iray.
Nibaliaka ny masoandro teo amin’ny moron-tsiraka atsimon’ny nosy Chypre, any Mediterane. Niparasaka moramora teo amin’ny torapasika ny onja. Nipetraka teo amin’ny hotely iray teny an-tampon-kavoana ahatsinjovana an’io faritra taza-maso io ny mpitsidika iray ary nihiaka hoe: “Izany ka paradisa!”
Maro amintsika no mankamamy fahatsiarovana toerana toy ireo. Ireo mponina eo an-toerana anefa dia mahatakatra fa matetika ny faritra manodidina miendrika paradisa no manafina ny zava-misy henjan’ny fiainana andavanandro: doro tanety eo amin’ny havoana feno hazo eo am-pototry ny Tendrombohitra Rocky, fandotoana ny ranomasina misy fiantraikany eo amin’ny hazandrano, ary amin’ny farany, eo amin’ny olombelona — raha tsy hiresaka ny amin’ny ady iraisam-pirenena sy ny ady eo amin’ny antokon’olona samy hafa, dia ady mandrahona ny aina, aza isika.
Paradisa — Inona moa izy io?
Sarin’inona no tonga ao an-tsainao amin’ny hoe paradisa? Ny diksionera The New Shorter Oxford English Dictionary dia manolotra izao manaraka izao, ho famaritany voalohany: “Ny Saha Edena voalazalaza ao amin’ny Gen[esisy] 2, 3.” Izany dia manisy firesahana ny amin’ilay filazalazana ao amin’ilay boky voalohany ao amin’ny Baiboly, ny amin’ilay faritra nametrahan’Andriamanitra an’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Tao amin’izany Paradisa voalohany izany, dia nisy hazo betsaka “maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana”. — Genesisy 2:9.
Ny famaritana faharoa omen’io diksionera io dia mampifamatotra ny hoe “paradisa” amin’ny hoe “Lanitra, ao amin’ny teôlôjia kristiana sy silamo”, nefa manampy toy izao izy io avy eo: “Ankehitriny izy io dia ampiasaina amin’ny heviny poet[ika] indrindra indrindra.” Ho an’ilay mpandeha sy mpitsidika noresahintsika anefa, dia “faritra faran’izay tsara tarehy na feno fahafinaretana indrindra” ny paradisa, ary izay koa no famaritana fahatelo omen’ilay diksionera.
Ilay mpitondra fanjakana ambony britanika, Sir Thomas More, tamin’ny taonjato faha-16, dia nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe Utopia (Toerana Fanaperana), ary ao amin’izy io izy dia nilazalaza firenena iray an’eritreritra fotsiny izay ahitana lalàna sy fitondram-panjakana ary toe-piainana sosialy tonga lafatra. Toa tena tsy hety hisy mihitsy izany, hany ka amin’izao fotoana izao ny diksionera Webster’s New Collegiate Dictionary dia manolotra famaritana iray ny atao hoe “Toerana Fanaperana” ho “fandaharan’asa tsy azo ampiharina momba ny fanatsarana sosialy”.
Ho an’ireo mpanara-dia an’i Jim Jones, mpitarika ilay sekta Tempolin’ny Vahoaka, ny Toerana Fanaperana dia toerana malalaka iray tao anaty ala mikitrok’i Guyana. Mampalahelo fa tamin’ny 1978, io toerana nantenaina ho lasa paradisa io dia nanjary ny toerana nisehoan’ny fahafatesana ho an’ny 900 tamin’ireo mpanara-dia azy io — tena nofy ratsy tokoa izany! Ho vokany, ny olona matetika dia mampifamatotra ny hevitra ny amin’ny paradisa amin’ireo sekta hafahafa izay manaraka fomba manafintohina sy manakorontana.
Ao amin’ny tontolo iray rahonan’ny heloka bevava sy ny herisetra, izay misy aretina mandrahona ny olon-dehibe sy ny ankizy koa, ary ahitana fankahalana sy tsy fitoviana ara-pivavahana mampisaratsaraka ny fiaraha-monina ao, ny faritra manodidina kanto matetika dia tsy inona fa fisehoana ivelany mamitaka fotsiny. Tsy mahagaga raha toa ny olona ka mihevitra ny paradisa ho tsy inona fa nofinofy fotsiny! Kanefa izany tsy nahasakana ny olona sasany tsy hanandrana hitady na hanao mihitsy aza paradisa ho an’ny tenany. Hatraiza no nahombiazan’izy ireo?