FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/10 p. 4-7
  • Ny Fitadiavana Paradisa Tsy Hisy Korontana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fitadiavana Paradisa Tsy Hisy Korontana
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitokana-monina ve no vahaolana?
  • Tsy misy heloka bevava ve?
  • Ahoana ny amin’ireo sekta mitory ny fara andro?
  • Paradisa tsy hisy korontana
  • “Hiaraka Amiko ao Amin’ny Paradisa Ianao”
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • “Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Nofinofy Fotsiny ve ny Paradisa An-tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Paradisa Tsy Hisy Korontana — Tena Hisy Tsy ho ela
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/10 p. 4-7

Ny Fitadiavana Paradisa Tsy Hisy Korontana

“NY HANY zavatra tianay hatao dia ny hamorona fomba fiaina tsy ahitan-doza, fomba fiaina tranainy angamba, izay ifampiahian’ny olona”, hoy ny fanazavan’ny mpivady britanika iray. Nanapa-kevitra izy ireo ny hikaroka paradisa eo amin’ny nosy tropikaly iray sy hanorina ao fiaraha-monina anjakan’ny fihavanana. Tsy isalasalana fa takatrao ny fihetseham-pon’izy ireo. Iza moa no tsy hanararaotra ny fahafahana hiaina ao amin’ny paradisa tsy misy korontana?

Fitokana-monina ve no vahaolana?

Manintona olona maro mpitady paradisa ny hevitra ny amin’ny hoe hiaina ao amin’ny nosy iray, satria manolotra filaminana amin’ny fetrany sasany ny fitokana-monina. Ny sasany mifidy ireo nosy tandrifin’ny Moron-tsirak’i Panama, any Pasifika na ireo any Caraïbes, toa an’ireo nosy tandrifin’i Bélize. Ny hafa mitodika any amin’ireo toerana mahafinaritra atỳ amin’ny Oseana Indiana — ny nosy Seychelles, ohatra.

Mampitolagaga ny fampitaovana ny fampiorenana fiaraha-monina mitokana. Na dia misy vola ampy azo ampiasaina aza, ireo lalàn’ny fitondram-panjakana dia mety hametra ny fividianan-tany haingana. Kanefa aoka hatao hoe mety ho azo ihany ilay nosy tropikaly tonga lafatra, ho sambatra ve ianao ao? Tsy hisy korontana ve ao amin’io paradisanao io?

Mponina mihamitombo isa ankehitriny no mipetraka any amin’ireo nosy mitokana manodidina ny moron-tsirak’i Grande-Bretagne. Olona mitady fitokana-monina sy filaminana ny ankamaroan’ireo mponina vao tonga ao. Ny lehilahy iray monina irery any amin’ny nosy Eorsa, mirefy 100 hektara, tandrifin’ny moron-tsiraka andrefan’i Ekosy, dia milaza fa tsy mahatsapa ho manirery mihitsy izy satria manan-javatra betsaka aoka izany atao eo amin’ny fikarakarana ny andiam-bibiny misy ondry zato. Vetivety foana dia manjary mahatsapa ho manirery ny olon-kafa izay nitady ny fitokana-monina ao amin’ny nosy iray. Voalaza fa nanandrana namono tena ny sasany ary nila famonjena.

Olona maro no mino fa paradisa ny nosy tropikaly mahafinaritra. Manintona azy ireo ny hoe honina ao amin’ny toerana manana toe-tany antonontonona izay mahalana no ratsy izaitsizy ny toetr’andro. Nahatonga tebiteby teo amin’ireo mponina anosy maro anefa ny fanahiana momba ny mety hiakaran’ny maripanan’ny tany sy ny fisondrotan’ny ranomasina vokatr’izany. Mahatsapa ho voarahona toy izany koa ireo mponina any amin’ireo nosinakorandriaka ambany toerana izay mahaforona ny faritanin’i Tokelau, any Pasifika Atsimo, ary koa ireo any amin’ireo nosy miparitak’i Maldives, atỳ amin’ny Oseana Indiana. Tsy mihoatra ny roa metatra latsaka kely mantsy ny haavon’ireo nosy Maldives ambonin’ny ranomasina, amin’ny fiakaran’ny samonta.

Fitondram-panjakana efa ho 40 samy hafa no nivondrona tao amin’ny federasionan’ireo Fanjakan’ireo Nosy Kely eo An-dalam-pandrosoana mba hahazoana fanohanana, amin’ny toe-javatra mampahonena misy azy ireo. Na dia ela velona aza ny mponina ao amin’ireo nosy kely, amin’ny ankapobeny, ary vitsy ny isan’ny zaza maty, dia mbola miatrika olana lehibe momba ny tontolo iainana ihany izy ireo. Manimba tsikelikely ny toe-karen’ny nosy sasany ny solika mitsinkafona eny ambonin’ny rano ary koa ny ranomasina voaloto. Ny nosy hafa dia manjary toerana fanariana fako misy poizina avy amin’ireo firenena lehibe kokoa.

Na dia ilay faniriana mihitsy an’ireo nosy mba ho toeram-pialofan’ny mpitady paradisa aza, dia miteraka fandrahonana. Amin’ny ahoana? Miteraka fifanizinana be ary mampihena ny loharanon-karena efa kely dia kely ireo mpizaha tany izay mirohotra mankeny amin’ireo moron-dranomasina mahazo hain’andro. Mampitombo ny olana ny amin’ny fandotoana koa ireo mpitsidika ireo. Any Caraïbes, ohatra, dia ny ampahafolon’ny loto avy amin’ireo mpitsidika miisa 20 tapitrisa isan-taona ihany no voadio.

Mitranga any amin’ny toerana mampientanentana hafa ny zavatra mitovy amin’izany. Raiso, ohatra, izay mitranga any Goa, any amin’ny moron-tsiraka andrefan’i India. “ ‘Manapoizina paradisa’ ny fizahan-tany tambabe”, hoy ny The Independent on Sunday, any Londres. Mampiseho fitomboana avy eo amin’ny mpizaha tany 10 000 tamin’ny 1972 nankeo amin’ny mpizaha tany iray tapitrisa mahery teo am-piandohan’ireo taona 1990, ireo fanombantombanana ofisialy. Mampitandrina ny antokon’olona iray fa atahorana ho simba ny tontolo iainana marefo sy ny kolontsaina tsy manam-paharoan’i Goa noho ireo tompona hotely fatra-pitia vola, izay dodona ny hahazo tombony avy amin’ny fahatongavan’ireo mpizaha tany. Misy tatitra iray avy amin’ny fitondram-panjakana karàna manamafy fa nisy hotely naorina tsy ara-dalàna teny amoron-dranomasina. Nohadina ny fasika, nokapaina ny hazo, ary natao nitovy tantana ny dongom-pasika. Ariana any amoron-dranomasina na mitsika mankany amin’ireo tanimbary eo akaiky eo ny rano maloto, ka mampiely ny fandotoana.

Tsy misy heloka bevava ve?

Manamatroka ny lazan’ny faritra, na dia ny faran’izay milamina aza, ny fisokoan’ny heloka bevava. Misy tatitra iray misy izao matoam-baovao izao azo avy any Barbude, nosy bitik’i Caraïbes: “Fandripahana ao Amin’ny Paradisa”. Nanazava tamin’ny an-tsipiriany ny famonoana nahatsiravina olona efatra tao anaty sambo kely haitraitra izay niantsona tandrifin’ny moron-tsirak’ilay nosy, izy io. Mampitombo ny fanahiana momba ny fielezan’ny heloka bevava manerana ilay faritra ny fisehoan-javatra toy izany.

“Manetsika Adin’andian-jiolahy ao Amin’ny ‘Paradisa’ ny Zava-mahadomelina”, izay no matoam-baovaon’ny tatitra iray tao amin’ny The Sunday Times any Londres, momba ny firenena iray any Amerika Afovoany. Nilaza ny alahelony ny mpanonta iray teo an-toerana noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana intsony, ary nanazava toy izao izy: “Mahazatra ankehitriny ny mahita ankizy 16 taona mitsitra mihosin-dra eo amin’ny arabe, rehefa mifoha ny tena amin’ny maraina.”

Ireo izay mikendry ny hiaina ao amin’ny fiaraha-monina paradisa dia manantena hanintona olona izay hanaiky hiaina ao anatin’ny fihavanana. Inona anefa no zava-misy? Tsy ela dia nipoitra ny tsy fifanarahana raha ny mahakasika ilay mpivady britanika voalaza terỳ am-piandohana. Ny sasany tamin’ireo naniry hiaraka tamin’izy ireo tamin’io fanandraman-javatra amim-pahasahiana io, dia hita mazava fa naniry hahazo vola avy tamin’ilay fandaharan’asa. “Tsy mila mpifehy izahay”, hoy ilay mpandroso ilay volavolan-kevitra. “Ny fikasana dia ny hanakambananay ny fanananay mba hampandeha ny zava-drehetra. Antsoiko hoe fiaraha-monina fanaperana izy io.” Tsy io velively no tetik’asa voalohany toy izany. — Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fanandramana Hanorina Fiaraha-monina Paradisa”.

Inoan’ireo olona hafa sasany mpitady paradisa fa amin’ny alalan’ny fahazoam-bola amin’ny loteria no hahatratrarany ny tanjony. Mahalana anefa ny fahazoam-bola amin’izany fomba izany no mitondra fahasambarana. Tamin’ny Febroary 1995, dia nanao tatitra ny The Sunday Times fa nizaka fisaraham-bazana mangidy ny fianakavian’ilay nahazo vola be indrindra amin’ny loteria hatramin’izao tany Grande-Bretagne; tsy nitondra afa-tsy “fahatezerana sy fifandrafiana maharitra ary fahadisoam-panantenana” ho azy ireo ny fahazoam-bola. Fahita izany ao amin’ny tarehin-javatra toy izany.

Ao amin’ny fandinihana iray momba ny fikatsahan’ny olombelona ny Fanaperana, ilay mpanao gazety atao hoe Bernard Levin dia nanao teny momba ny “nofinofy hahazo harena eo no ho eo”, ary nanantitrantitra hoe: “Mety hanjary ho nofy ratsy mora foana ny nofy maro. Betsaka loatra ny tantara voaporofo fa marina momba ny harena azo eo no ho eo izay mitarika ho amin’ny loza faran’izay ratsy (anisan’izany ny famonoan-tena), ka tsy azo ailika fotsiny ho kisendrasendra izy ireny.”

Ahoana ny amin’ireo sekta mitory ny fara andro?

Nifono heviny ratsy kokoa ny fandaharan’asa hafa hanaovana paradisa. Nanao tatitra momba ny fahirano nataon’ny mpitandro filaminan’ny fitondram-panjakana tany Waco, any Texas, teo amin’ny faritra voafefy nisy ny Antokom-pinoan’ny Davidiana, tamin’ny 1993, ny gazety iray, ary nanao teny momba ilay “fifangaroana niteraka herisetra, dia ilay fifangaroan’ny basy sy ny fanasana atidoha ary ny mpaminany nilaza fara andro” izay nitarika ho amin’ilay loza lehibe. Mampalahelo fa tsy zava-miseho maningana izany.

Ireo mpanara-dia an’i Bhagwan Shree Rajneesh, mpitondra fivavahana karàna, maty vao haingana, dia nanorina fiaraha-monina iray tany Oregon, nefa nanao zavatra nanafintohina an’ireo mpiara-monina taminy izy ireo teo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena. Ny fahatondrahan-karen’ilay mpitarika azy ireo sy ny fanandramana teo amin’ny lahy sy ny vavy fanaon’izy ireo dia nanimba tsikelikely ny fihamboany ho nahorina “fialofana tsara tarehy”.

Mitaky ny hanarahan’ireo mpanara-dia azy fomba hafahafa, izay miteraka fifandonana feno herisetra indraindray, ny antokom-pinoana madinika maro tarihin’olona manantena hanorina paradisa. Manazava toy izao ilay mpanoratra an-gazety atao hoe Ian Brodie: “Ireo antokom-pinoana madinika dia manolotra toeram-pialofana sy fitambaran’olona voalamina, ho an’ireo izay mahatsapa fa miady irery na tsy afaka miatrika ny faneren’ny tontolo tena izy.” Na dia izany aza, ireo teniny ireo dia manaporofo ny hoe olona maro no handray an-tanan-droa ny hoe hiaina ao amin’ny paradisa iray.

Paradisa tsy hisy korontana

Toa tsy misy farany ny lisitr’ireo korontana: fandotoana, heloka bevava, fidorohana zava-mahadomelina, fifanizinana, adim-poko, savorovoro ara-politika — tsy resahina intsony ireo zava-manahirana mpahazo ny olombelona rehetra, dia ny aretina sy ny fahafatesana. Ny fanatsoahan-kevitra dia tsy maintsy ny hoe tsy misy paradisa tena tsy misy korontana mihitsy na aiza na aiza eto amin’itỳ planeta itỳ. Hoy ny fieken’i Bernard Levin: “Misy lesoka eo amin’ny olombelona, ary toa efa teo saika hatramin’ny nisian’ny olombelona izy io. Izany dia ny tsy fahaizan’ny olombelona miara-miaina akaiky amim-pahasambarana amin’olon-kafa raha vao mihoatra ny vitsy dia vitsy.”

Kanefa, hisy paradisa haneran-tany izay tena tsy hisy korontana. Fahefana iray ambony noho ny olombelona no miantoka ny faharetany. Eny tokoa, olona maherin’ny dimy tapitrisa no miasa hahatanteraka io zava-kendrena io dieny izao, ary efa mahita firaisan-tsaina sarobidy sy rivo-piainana tsy misy korontana firy sahady izy ireo eo amin’izy samy izy. Aiza no hahitanao azy ireo? Ahoana no ahafahanao manana koa izany fanantenana sy tombontsoa ananan’izy ireo dieny izao izany? Ary haharitra hafiriana io Paradisa ho avy io?

[Efajoro, pejy 6]

Fanandramana Hanorina Fiaraha-monina Paradisa

Teo am-piandohan’ny taonjato faha-19, ilay sosialista frantsay atao hoe Étienne Cabet (1788-1856) sy ny namany 280 dia nanorina tany Nauvoo, any Illinois, vohitra kely niavaka noho ny fiombonam-pananana sy niorina tamin’izay fari-pitsipiny ny amin’izay atao hoe filamatra. Tao anatin’ny valo taona anefa dia nisy fisaratsarahana nipoitra tao amin’ilay fiaraha-monina, hany ka tsy ela dia rava izy io, ary rava toy izany koa ireo antokon’olona nitovy tamin’izany tany Iowa sy tany Kalifornia.

I Charles Fourier (1772-1837), Frantsay iray hafa, dia namolavola hevitra ny amin’ny fiaraha-monina kaoperativa ara-pambolena. Nanana anjara asa niovaova ny mpikambana rehetra tao aminy. Nandray karama niorina tamin’ny fahombiazan’ilay antokon’olona tamin’ny fitambarany ny isam-batan’olona. Tsy naharitra ela anefa ny fiaraha-monina niorina tamin’ny lalam-pitondran-tena toy izany tany Frantsa sy tany Etazonia.

Tokony ho tamin’izany fotoana izany ihany, i Robert Owen (1771-1858) mpanao fanavaozana sosialy galoà, dia nanolo-kevitra ny hanorenana vohitra kaoperativa izay hiarahan’ny olona an-jatony maro miaina amin’ny fampiasana lakozia sy toerana fisakafoana iombonana. Hipetraka ao amin’ny tranony manokana ireo fianakaviana tsirairay ary hikarakara ireo zanany mandra-pahatongan’izy ireo ho telo taona. Aorian’izany, dia handray an-tanana ny fikarakarana ireo ankizy ilay fiaraha-monina manontolo. Tsy nahomby anefa ny fanandramana nataon’i Owen, ary namoy ny ankabeazan’ny hareny manokana izy.

Nanjary mpanorina ilay fiaraha-monina antsoin’ny The New Encyclopædia Britannica hoe “fiaraha-monina sosialista fanaperana nahomby indrindra teto Etazonia” i John Noyes (1811-1886). Rehefa nialan’ny mpanara-dia azy ny fananana vady tokana ary nomeny lalana ny hanaovana firaisan’ny lahy sy ny vavy raha vao nifanaiky fotsiny izy ireo, dia voasambotra i Noyes noho ny fanitsakitsaham-bady.

I Laissez Faire City, karazana tanàna “kapitalista Fanaperana” tany Amerika Afovoany, dia tanàna nanandramana, vao haingana izay, hamorona fiaraha-monina Fanaperana, hoy ny tatitra nataon’ny The Sunday Times any Londres. Nitady mpampiasa vola ilay tetik’asa. Sodokan’ny fahatsinjovana hiaina tao amin’ny “tanàna mahagagan’ny taonjato faha-21” ireo mpitady paradisa ka nasaina handefa 5 000 dolara amerikana sy handray anjara amin’ny endrika varotra ahazoan-tombony, ka hikaroka olona mitovy hevitra aminy, izay hampiasa ny volany indray kosa avy eo. Voalaza fa ny hany zavatra azo natao tamin’ilay tontalim-bola dia ny nandoavana ny billet amin’ny fiaramanidina mba hitazanana ilay tetik’asa “sao mba misy firenena ho azo resena lahatra hanome toerana azo anorenana, ary mba hisy hotely kely azo aorina eo”, hoy ny tenin’ilay gazety. Tsy misy fanantenana araka ny zava-misy ny amin’ny “paradisa” voaorina any.

[Sary, pejy 7]

Manintona olona maro mpitady paradisa ny nosy. Amin’izao andro izao anefa, ny heloka bevava dia manamatroka na dia ny faritra faran’izay milamina aza

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara