Paradisa Tsy Hisy Korontana — Tena Hisy Tsy ho ela
“HIARAKA amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” Tena nanome toky indray an’ilay mpanao heloka bevava teo aloha ireo teny ireo! Tsy nihevitra akory izy fa ho afa-mandositra ny fandehanana ho any amin’ny afobe mirehitra iray ka hankany an-danitra rehefa maty. Ilay mpangalatra teo anilan’i Jesosy kosa dia nanovo fampiononana avy tamin’ny fanantenana fa hatsangana ho velona indray izy, rehefa haverina amin’ny laoniny indray ny Paradisa eto amin’itỳ planeta itỳ. Mariho, aza fady, hoe iza no nanao izany fanambarana miavaka momba ny Paradisa izany — i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy. — Lioka 23:43, NW.
Inona no nanosika an’i Kristy hampanantena Paradisa? Niangavy toy izao ilay mpangalatra: “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao.” (Lioka 23:42). Inona moa io Fanjakana io, ary inona no ifandraisany amin’ny paradisa iray eto an-tany? Ahoana no iantohan’izy io fa tsy hisy korontana ilay Paradisa?
Ilay hery hampisy ilay Paradisa
Hanaiky ianao fa tsy afaka ny ho tonga eto an-tany ny tena paradisa iray raha tsy rehefa lasa avokoa ny korontana rehetra amin’izao andro izao. Tsy nahomby ny ezaky ny olombelona hanesorana azy ireny hatramin’izao, araka ny anaporofoan’ny tantara azy tsara. Niaiky toy izao ilay mpaminany hebreo atao hoe Jeremia: “Jehovah ô, fantatro fa tsy (...) an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Iza àry no afaka manafoana ny korontana rehetra amin’izao andro izao?
Toetr’andro Ratsy Izaitsizy sy Fandotoana. Rehefa nisy tafio-drivotra nahery nampanonja mafy ny Ranomasin’i Galilia ka natahorana ho rendrika ny sambo iray, ireo tantsambo dia nanaitra ny namany niara-dia taminy tamin’ny torimasony. Izy io indray kosa nilaza fotsiny tamin’ny ranomasina hoe: “Mangìna, mitsahara.” Mitantara izay nitranga ny fitantaran’ny Filazantsaran’i Marka hoe: “Nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.” (Marka 4:39). Tsy iza io namana niara-dia taminy io fa i Jesosy. Nanana ny fahefana hifehy ny toetr’andro izy.
Io Jesosy io ihany no nilaza mialoha tamin’ny alalan’ny apostoly Jaona fa ho avy ny fotoana ‘hanimban’Andriamanitra izay manimba ny tany’. (Apokalypsy 1:1; 11:18). Tsy hoe zavatra mahatalanjona tsy azo tanterahina izany ho an’Ilay nanaisotra tontolo iray tsy tia an’Andriamanitra tamin’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. — 2 Petera 3:5, 6.
Heloka Bevava sy Herisetra. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:9, 11). Eto indray koa, dia i Jehovah Andriamanitra no mampanantena fa hanaisotra ny heloka bevava sy ny herisetra rehetra, ka hanokana ny Paradisa ho an’ny mpandefitra.
Fahantrana sy Hanoanana. Noho ny tsy rariny amin’izao andro izao no mampisy fitondram-panjakana ao amin’ny faritra iray eto amin’izao tontolo izao hitahiry ambim-bava tondraka, raha mbola mitolona amin’ny fahantrana ireo tany mahantra etsy an-kilany. Miezaka ireo masoivohon’ny vonjy rano vaky, tohanan’ny olona feno fiahiana maneran-tany, hanome ireo zavatra ilaina fototra, nefa matetika no tsy mahomby izy ireo, rehefa rava noho ny tsy fisian’ny lalàna sy ny filaminana ny fandaharam-pizarana. Ampitahao amin’izay nosoratan’i Isaia mpaminany toy izao izany: “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.” (Isaia 25:6). Tsy midika ve izany fa tsy hisy mosary sy hanoanana intsony? Izany dia izany tokoa.
Ady. Hita fa tsy nahomby ny fanandramana hitondra itỳ gilaoby itỳ amin’ny alalan’ny fahefana iray iraisam-pirenena. Tsy nahasakana ny fipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa ny Fikambanam-pirenena, naorina tamin’ny 1920, ary nirodana. Ny Firenena Mikambana, hobina matetika aoka izany ho fara fanantenana fandriampahalemana, dia miezaka mafy hampisaraka ireo antoko mpifanandrina any amin’ny faritra misy ady. Na dia teo aza ny ezaka nataony mba hisian’ny fandriampahalemana, ezaka natao fantatry ny rehetra, dia tsy anerany ny ady, na ady an-trano na ara-poko na ao amin’ny fiaraha-monina. Mampanantena ny fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra fa hanaisotra ireo ankolafiny miady amin’izao andro izao ary hampianatra ny olom-peheziny ao amin’ny lalan’ny fiadanana. — Isaia 2:2-4; Daniela 2:44.
Faharavan’ny Fianakaviana sy Fikororosiana Ara-pitondran-tena. Mihanaka ny faharavan’ny fianakaviana. Tsy anerany ny ditran’ny ankizy. Miely hatraiza hatraiza amin’ny ambaratonga rehetra ao amin’ny fitambaran’olona ny fahalotoam-pitondran-tena. Kanefa, nitoetra ho tsy niova ny fari-pitsipik’Andriamanitra hatramin’ny voalohany. Nasehon’i Jesosy mazava fa “ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (...). Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona”. (Matio 19:5, 6). Nandidy toy izao koa i Jehovah Andriamanitra: “Manajà ny ray sy ny reninao (...) mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany”. (Efesiana 6:2, 3). Hanjaka eto an-tany izany fari-pitsipika izany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Aretina sy Fahafatesana. “Jehovah (...) no hamonjy antsika”, hoy ny fampanantenan’i Isaia mpaminany, “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. (Isaia 33:22, 24). “Fahafatesana no tambin’ny ota”, hoy ny fieken’i Paoly, apostoly kristiana, “ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy”. — Romana 6:23.
Hanaisotra ireo korontana rehetra ireo i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitondram-panjakany any an-danitra tantanan’i Jesosy Kristy, Zanany. Kanefa, mety hilaza ianao hoe: ‘Toa toy ny nofinofy zavatra fanaperana izany. Azo antoka fa hahafinaritra tokoa izany raha ho tanteraka. Fa ho tanteraka ve anefa izany?’
Zava-misy amin’izao fotoana izao
Ho an’ny olona maro, ny hoe hiaina ao amin’ny paradisa tsy hisy korontana, eto an-tany mihitsy, dia toa tsy fijerena afa-tsy ny lafy tsaran-javatra, fa tsy ny zavatra tena misy. Raha izany no fiheveranao, dia diniho ny porofo fa tena hitranga tokoa izany.
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia fiaraha-monina iraisam-pirenena misy ankehitriny, miisa dimy tapitrisa mahery izy ireo ary efa misy sahady rivo-piainana tsy misy korontana firy ao amin’ireo kongregasionany 82 000 miely any amin’ny tany 233. Azonao atao ny mitsidika ireo fivoriana ataony, na lehibe na kely. Inona no ho hitanao ao?
1) Rivo-piainana Mahafinaritra sy Madio. Nanao teny momba ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Norwich, Angletera, ny mpitantana kianja fanaovam-baolina ary nilaza hoe: ‘Ny rivo-piainana nilamina nanjaka nandritra ireo efatra andro ireo (...) dia mora mifindra. Mahatsapa fahatoniana anaty izay mifanohitra tanteraka amin’ny an’izay mety ho efatra andro hafa ao amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fiainana andavanandro henjana manodidina antsika isika. Tena hafa ny Vavolombelona ary sarotra ny manazava ny antony.’
Nilaza toy izao ny mpanolo-tsaina iray momba ny fampiofanana tao amin’ny indostriam-panorenana iray, izay nitsidika ireo biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Londres: “Samy nahatalanjona tanteraka ahy na izay hitako na izay reko, ary nanohina lalina ny foko ny rivo-piainana feno filaminana sy fahatoniana tanteraka izay misy, tsy ao amin’ireo tranonareo ihany, fa eo amin’ireo [lehilahy sy vehivavy] koa. Heveriko fa manan-javatra betsaka ianarana avy amin’ny fomba fiainanareo sy ny fahasambaranareo izao tontolo izao mikorontana.”
2) Filaminana sy Fandriampahalemana. Izao no nosoratan’ny mpanoratra iray ho an’ny Journal de Montréal any Kanada: “Tsy Vavolombelona aho, fa vavolombelon’ny hoe ireo Vavolombelona dia mampiseho fa mahita vokatra sy tsara fitondran-tena izy ireo. (...) Raha izy ireo no hany olombelona eto amin’izao tontolo izao, dia tsy ho voatery hanidy mafy ny varavarantsika isika amin’ny alina, na hametaka fanairana mpangalatra.”
3) Mampiavaka ireo Vavolombelona ny tsy fivadihana amin’ny Fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mahasorena ny olona sasany ny tsy fomban’izy ireo ny atsy na ny aroa, na dia tsy mahasorena akory aza izany. Tsy hoe tsy ta hanatsara ny fiaraha-monina no antony tsy andraisany anjara amin’ny fandaharan’asa ara-politika natao kitoatoa amin’izao andro izao. Miezaka kosa izy ireo hitondra tena amin’ny fomba izay mampifaly an’ilay manapaka amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana any an-danitra, dia i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny tany.
Misakana an’ireo Vavolombelona tsy ho latsaka ao amin’ny fandrika ho tonga sekta na antokom-pivavahana madinika ny zavatra inoany, izay miorina tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Maneho fahalianana amin-katsaram-panahy amin’ny olon-kafa rehetra, na inona na inona fiekeny ara-pivavahana, izy ireo. Tsy manandrana hanery an’ireny olona ireny hanova ny fiheviny izy ireo. Miezaka mafy izy ireo hanahaka an’i Kristy Jesosy, ilay Mpitarika azy ireo, amin’ny fampisehoana porofo araka ny Soratra Masina ny amin’ilay Paradisa tsy hisy korontana izay haorina tsy ho ela eto an-tany. — Matio 28:19, 20; 1 Petera 2:21.
4) Fahasalamana Ara-panahy sy Fahasambarana. Mifanaraka amin’ny zava-misy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mihambo ho afaka tanteraka amin’ny zavatra manakorontana amin’izao fotoana izao. Tsy mety hisy izany eo anivon’ny olona izay mitondra ny mariky ny ota nolovana avy tamin’i Adama. Kanefa, noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia miezaka hampitombo toetra manokana toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena”, izy ireo. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Ny fanompoam-pivavahan’izy ireo amin’i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy Jesosy no mampiray saina azy ireo sy mahatonga ny fanantenan’izy ireo ho velona hatrany.
Matoky izahay fa ny fitsidihanao ny toeram-pivorian’ireo Vavolombelona eo an-toerana dia hampiaiky anao fa hanova ny tany ho paradisa ara-bakiteny Andriamanitra.
Tsy hisy intsony ireo korontana amin’izao andro izao. Na dia ny tsy fahalavorariana tsy mety miala aza dia hanjavona tsikelikely, arakaraka ny hampiharana ireo soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy amin’ny olombelona mpankatò. Eny, afaka ny ho salama sy ho sambatra tanteraka ianao.
Misy fiomanana tsotra hanampy anao hanana fahatsinjovan-javatra toy izany. Mangataha ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ho anao manokana, amin’ireo Vavolombelona.a Amin’ny alalan’izy io no ahafahanao, ao anatin’ny fotoana fohy, mianatra izay takin’Andriamanitra aminao mba hahafahanao koa hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa tsy hisy korontana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Teny notsongaina, pejy 10]
Misakana an’ireo Vavolombelona tsy ho latsaka ao amin’ny fandrika ho tonga sekta na antokom-pivavahana madinika ny zavatra inoany, izay miorina tanteraka amin’ny Baiboly
[Sary, pejy 8]
Apetraka ankehitriny ny fototry ny paradisa tsy hisy korontana
[Sary, pejy 8, 9]
Hisy maneran-tany ny paradisa ara-bakiteny tsy ho ela