FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/11 p. 12-13
  • Inona no ao Ambadiky ny Filalaovana Ody?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no ao Ambadiky ny Filalaovana Ody?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zavatra ilaina tsy mahazo fahafaham-po
  • Tena fahafaham-po ara-panahy marina — Avy aiza?
  • Inona no Fantatrao Momba ny Filalaovana Ody?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Izay Tokony ho Fantatrao Momba ny Filalaovana Ody
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fanenjehana Mpamosavy Tany Eoropa
    Mifohaza!—2014
  • Ny Marina Momba ny Famosaviana sy Fanaovana Ody
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/11 p. 12-13

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Inona no ao Ambadiky ny Filalaovana Ody?

“MPILALAO ody”. Mampahatsiahy anao inona izany teny izany? Vaviantitra ratsy tarehy izay milaza ozona famosaviana, sa vehivavy ratsy fitondran-tena miray tetika amin’i Satana? Mifanohitra amin’izany fomba fijery raikitra izany fa olona maro maoderina, milaza tena ho mpilalao ody, no toa toy ny olon-drehetra ihany. Ny sasany dia mpiasa matihanina hajaina, toy ny mpisolovava, ny mpampianatra, ny mpanoratra, ary ny mpitsabo mpanampy. Maneran-tany, dia nipoitra indray ny fihetsiketsehana ara-pivavahana, izay toa mifanahantsahana amin’ny asan’ny maizina, toy ny fivavahana amin’ny natiora sy ny fanompoan-tsampy amin’ny endriny vaovao.a “Afaka mandeha na aiza na aiza eto Rosia ianao, amin’izao andro izao, ka [hahita fa] anisan’ny fiainana andavanandro ny filalaovana ody”, hoy ny polisy iray ao amin’io tany io. Any Etazonia, dia tombanana ho 50 000 ka hatramin’ny 300 000 ny mpilalao ody, na “Wiccans”,b araka ny iantsoan’ny sasany ny tenany.

Matetika no ampiasaina amin’ny heviny malalaka ilay teny hoe “mpilalao ody” amin’izao andro izao, ary samy hafa ny dikany arakaraka ny olona. Toa mifandray voalohany indrindra amin’ny karazana fivavahana amin’ny andriamani-bavy, fivavahana miorina amin’ny natiora, miaraka amin’ny finoana mafy an’ireo hery ivelan’ny tontolon’ny olombelona, ny fitomboan’ny filalaovana ody amin’izao andro izao. Milalao ody irery ny olona sasany — manao ny fombafombany irery, mandinika ny fiovan’ny fizaran-taona, ny fisehon’ny volana, ary ny zava-mitranga hafa araka ny natiora. Misy hafa manao andiany iray, fitambarana mpilalao ody 13 mazàna, rehefa mivavaka sy manao ny ozony famosaviana.

Marina fa, any Andrefana, dia tena hafa be noho ny fihetsiky ny olona izay nampirisika ny handoroana ireo mpilalao ody tamin’ny Moyen Âge ny fiheveran’ny besinimaro momba ny filalaovana ody, amin’izao andro izao. Mbola misy fipoahan-kerisetra tsy ahoan-tsy ahoana ampiharina amin’ny mpilalao ody ihany anefa tsindraindray. Tamin’ny fiandohan’ny volana Oktobra 1998, ohatra, tany Indonezia, dia olona maherin’ny 150 nahiahina ho mpilalao ody no nahanton’ny andian-jiolahy nitondra kalaza. Voalaza fa teo anelanelan’ny 1990 sy 1998, tatsy Afrika Atsimo, dia in-2 000 mahery no nitrangan-kerisetra tamin’ny mpilalao ody, anisan’izany ny vonoan’olona 577. Eo anoloan’ireo fihetsika mifanohitra be toy ireo — manomboka amin’ny fahalianana amin’ny filalaovana ody ka hatramin’ny fankahalana mpilalao ody — ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ilay raharaha?

Zavatra ilaina tsy mahazo fahafaham-po

Inona no manosika ny olona hilalao ody amin’izao andro izao? Fanajana ara-pivavahana ho an’ny natiora sy ho an’ny fiainana no antony iray, araka ny voalazan’izy ireo. Raha ny marina, dia dodona erỳ ny sasany hanazava fa tsy misy fanaovana sorona biby ny fombafomba amin’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. Ny hafa milaza fa mikaroka olona azon’izy ireo iresahana amim-pahatsorana sy itokisana ary ilazana zava-mahaliana ara-panahy iombonana izy ireo, ka mirotsaka ao amin’ny filalaovana ody. “Sariaka sy feno fahatsorana avokoa izay rehetra fantatro ao amin’ny fihetsiketsehan’ny mpanompo sampy (...) Olona mahafinaritra izy ireo”, hoy ny vehivavy iray mpilalao ody maoderina. Ary maro no mitsipaka ny hoe mifandray amin’i Satana ny tenany, ka manizingizina fa tsy misy andriamanitra tena ratsy fanahy ao amin’ny rafi-pivavahany.

Ho an’ny maro aminy, ny antony voalohany nahatongavany ho mpilalao ody dia ny fahatsapana fahabangana ara-panahy sy fahadisoam-panantenana amin’ireo fivavahana lehibe. Hoy i Phyllis Curott, mpisoronabe vavy wiccan, rehefa miresaka momba ny andiany misy azy: “Samy tsy afa-po tamin’ny fampianarana sy fanaon’ireo fivavahana nahabe anay avokoa izahay rehetra.” Araka ny fanazavan’i Curott, ny mpilalao ody maoderina dia miezaka mamaly fanontaniana toy ny hoe: ‘Ahoana no ahafahantsika mahita indray ny zavatra masina?’ Ny filalaovana ody ve anefa no mitondra ho amin’ny tena fahafaham-po ara-panahy?

Tena fahafaham-po ara-panahy marina — Avy aiza?

Asehon’ny Baiboly mazava fa i Jehovah no ilay hany Andriamanitra marina sy Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao. (Salamo 73:28; 1 Petera 1:15, 16; Apokalypsy 4:11). Manasa ny olona rehetra hitady azy sy ‘hahita azy tokoa’ izy. (Asan’ny Apostoly 17:27, NW ). Noho izany, dia tsy azo atao ny mahita tena fahafaham-po ara-panahy raha tsy amin’ny fandraisana fahalalana araka ny marina an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Amin’ny alalan’ny fianarana ny Teniny, ny Baiboly Masina, no azo anaovana izany. “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”, hoy ny fanomezan-tokin’i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, ho antsika. — Jakoba 4:8.

Mampitandrina ny amin’ny loharano iray feno hasomparana, izay iavian’ny fahafaham-po ara-panahy ratsy anefa ny Tenin’Andriamanitra. (1 Jaona 4:1). Lazainy fa i Satana Devoly, ilay fahavalo lehibe indrindran’i Jehovah, sy ireo demoniany, no loharanon’ny ankamaroan’ny fahafaham-po ara-panahy diso toerana, izay miely patrana amin’izao andro izao.c ‘Nanajamba ny sain’ny’ maro i Satana, araka ny voalazan’ny Baiboly. Raha ny marina, i Satana dia “mamitaka izao tontolo izao”, anisan’izany ireo izay milalao ody — na milaza ny tenany ho manompo ny Devoly izy, na tsia. Nahoana no izany no izy? — 2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 12:9.

Manaitra fa mitovy amin’ireo lafiny mifono zava-miafina amin’ny fivavahana amin’i Satana ny ankamaroan’ny fomba fanao sy ny fombafomba mifandray amin’ireo filalaovana ody maoderina. Noho izany, dia afaka mitarika mora foana ho amin’ny fanaovana ny asan’ny maizina, na dia izay lazaina fa fahalianana tsotra ta hahafanta-javatra aza. Maro tokoa no efa lasa rembin’ny hery mitaona ratsin’i Satana tamin’izany fomba izany.

Tsy tokony hodian-tsy hita ny hoe indraindray dia voasarika ho amin’ny filalaovana ody maoderina ny olona, satria liam-pahefana na mitady hamaly faty. “Misy olona afaka miantso ny tenany hoe mpilalao ody sy mampiasa ody ho amin’ny zava-kendrena faran’izay feno halozana”, hoy i Jennifer, mpilalao ody maoderina. Na ahoana na ahoana, dia samy rahonan’ny loza ho tonga eo ambany fifehezan’i Satana sy ireo demonia tanteraka na ny mpilalao ody tsy manan-java-kendrena ratsy na ny mpilalao ody mitady hamaly faty. Mety handa ny fisian’ny zavaboary ara-panahy ratsy toy izany ny mpilalao ody sasany, nefa izany dia vao mainka mahatonga azy ireo ho mora voan’ny famitahan’izy ireny. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 10:20, 21.

Manameloka ny fanaovana sikidy, ny famosaviana, ny fanaovana majika, ny fanaovana ozona famosaviana, ary ny fanandramana rehetra hifandray amin’ny maty, ny Baiboly. Milaza mazava toy izao izy: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany”. (Deoteronomia 18:10-12). Mazava ho azy fa tapa-kevitra ny “hanao soa amin’ny olona rehetra” ny Kristianina, ary efa nanampy olona maro izy ireo, teo amin’ny fanompoana nataony, mba hanafa-tena amin’ny spiritisma amin’ny endriny rehetra. (Galatiana 6:10; Asan’ny Apostoly 16:14-18). Ny Kristianina marina anefa dia manalavitra izay mety ho fifandraisana amin’ny fivavahan-diso, anisan’izany ny filalaovana ody amin’ny endriny rehetra. — 2 Korintiana 6:15-17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny hoe “fivavahana amin’ny natiora” dia manondro ny finoana fa anisan’ny andriamanitra ny tany sy ny zavamiaina rehetra, ka manana herim-piainana toy ny an’andriamanitra; ny hoe “fanompoan-tsampy amin’ny endriny vaovao” dia manondro ny fanompoam-pivavahana amin’ireo andriamanitra talohan’ny Kristianisma.

b Ny Wiccans dia mpanaraka ny Wicca, izay “fivavahana amin’ny natiora, miharo fanompoan-tsampy, niandoha avy tany Eoropa andrefana talohan’ny Kristianisma”, araka ny voalazan’ny The American Heritage College Dictionary.

c Ny fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly”, tao amin’ny Mifohaza! dia namaly fanontaniana toy ny hoe “Le Diable existe-t-il vraiment?” (8 Janoary 1990, frantsay, pejy 12-13) sy hoe “Tena Misy ve ny Demonia?” (8 Aprily 1998, pejy 18-19).

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Picture Book of Devils, Demons and Witchcraft/Ernst and Johanna Lehner/Dover

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara