Ny Zava-miafina Momba ny Fody any Grande-Bretagne
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
ILAY karazam-boronkely toy ny fody misy hatraiza hatraiza, mora fantatra amin’ny fikiakiakany sy ny kiririokany, dia fahita manerana an’i Grande-Bretagne efa hatramin’ny ela. Madiva ho lany tamingana anefa izy io izao — matetika tampoka be — eny amin’ny faritra an-tanàn-dehibe, ary tsy misy mahalala hoe nahoana. Vola £5000 (49 000 000 FMG eo ho eo) ny loka natolotry ny gazety Independent mivoaka ao Londres, ho an’izay olona manoratra ny lahatsoratra ara-tsiansa voalohany afaka manazava ilay zava-miafina. Ny Fikambanam-panjakana ho Amin’ny Fiarovana ny Vorona sy ny Fikambanana Britanika Momba ny Fandinihana ny Vorona no voatendry ho mpitsara amin’izany. Ampoizina haharitra roa taona, fara fahakeliny, vao ho vita, ilay tetik’asa.
Ahariharin’ireo fanadihadiana natao, fa ireo tanàna sy tanàn-dehibe manerana an’i Grande-Bretagne dia nahita fihenana mahatsiravina eo amin’ny isan’ireo fody anglisy. Lany tamingana izy ireny any amin’ny faritra sasany. Mbola misy maro amin’io karazana fody io anefa, any amin’ny tanàn-dehibe eoropeanina hafa, toa an’i Paris sy i Madrid. Hoy ny Pr. Denis Summers-Smith, manam-pahaizana fanta-daza eran-tany momba ny fody anglisy: ‘Iray amin’ireo zava-miafina mendri-komarihina indrindra momba ny bibidia, tao anatin’ny 50 taona lasa, izany.’
Heverina fa ny fihenana 65 isan-jato eo amin’ny isan’ireo fody anglisy any amin’ny faritra ambanivohitra dia, voalohany indrindra, noho ireo fomba fambolena ampiasaina mba hahazoana vokatra faran’izay betsaka. Nisy fihenana lehibe nitovy tamin’izany koa teo amin’ny karazam-borona hafa, tany ambanivohitra. Tsy manazava ny fanjavonan’ny 92 isan-jaton’ireo fody anglisy any amin’ny faritra an-tanàn-dehibe anefa izany. Nanatsoaka hevitra i Michael McCarthy, mpiaro ny tontolo iainana, fa ny fanjavonana manaitra mafy hita eo amin’ny fody anglisy “dia famantarana azo antoka fa nisy zavatra tena tsy nandeha tsara teo amin’ny fifampiankinan’ny fody anglisy sy ny tontolo iainana. Tsy nandeha tsara koa angamba ny fifampiankinantsika sy ny tontolo iainana”. Antenaina fa mbola ho hita marina ny hoe inona no tsy nandeha tsara ary manao ahoana ny halehiben’izany.