FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/2 p. 13
  • Ny tsintsina sy ny afobe mirehitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny tsintsina sy ny afobe mirehitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Fody
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Zava-miafina Momba ny Fody any Grande-Bretagne
    Mifohaza!—2001
  • Mpandinika Mihevitra Antsika ho Sarobidy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Miezaha Hahay Hangoraka toa An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/2 p. 13

Ny tsintsina sy ny afobe mirehitra

Indray maraina, raha nivory ireo miasa ao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower, dia nodinihana ny andinin-teny ao amin’ny Matio 10:29-31. Milaza toy izao tenin’i Jesosy manaraka izao izany andinin-teny izany: “Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.”

Ilay nitarika ny fiaraha-midinika dia nitodika tany amin’ny mpianatra iray tao amin’ny sekolin’ny misionera an’ny Fikambanana Watchtower ary nanontany azy hoe: “Ahoana no ho azo ampiasana an’io andinin-teny io amin’ny fifanakalozan-kevitra ny amin’ny fampianarana momba ny afobe mirehitra?” Ahoana no ho navalinao?

Tsy nisalasala na dia kely akory aza ilay mpianatra fa niditra nanao fanazavana. Asehon’io andinin-teny io fa miahy tokoa ny zava-boariny izy, na dia ny tsintsina kely aza. Koa satria mahay mampiseho fangoraham-po lehibe toy izany Andriamanitra, dia mazava ho azy fa tsy afaka mankasitraka ny fampijaliana olombelona izy, na ao anatin’izao fiainana izao na ao amin’ny fiainana hafa. Nanamafy ny fanazavany tamin’izao fanambarana manaraka izao, voasoratra ao amin’ny Ezekiela 18:23 izy: “Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy?” “Mivavaka amin’ny Andriamanitra tia sy mangora-po iray isika, hoy ny teny nanampiny. Enga anie isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hanomezana taratr’ireo toetrany!”

Nanandra-peo toy izao ilay mpitari-draharaha: “Mampiharihary mazava izany fa nahazo fampianarana tsara ireo mpianatra ho misionera!” Nanaiky izany tamin’ny fo manontolo izay rehetra teo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara