Gabon—Toerana Iarovana ny Bibidia
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GABON
ERITRERETO hoe eny amoron-dranomasina ianao, ary mahatazana elefanta miraoka ahitra sy hipopotama milomano. Hitanao mifanaretsaka eny afovoan-dranomasina ny trozona sy ny feso. Morontsiraka mirefy 100 kilaometatra no ahitana zavatra toy izany, atsy Afrika.
Tena mila arovana io morontsiraka tsy manan-tsahala io, mba holovain’ny taranaka ho avy. Soa ihany fa namoaka didy ny filoham-pirenen’i Gabon tamin’ny 4 Septambra 2002, hoe hatao valan-javaboary ny 10 isan-jaton’ny tanin’i Gabon, anisan’izany ny morontsiraka midadasika mbola tsy simban’ny olona.
Misy zavaboary mahavariana isan-karazany any amin’ireny faritra ireny, ary 30 000 kilaometatra toradroa eo ho eo ny velarany. Hoy ny Filoha Omar Bongo: “Azo inoana fa hahasarika an’ireo tia zavaboary avy any amin’ny vazan-tany efatra i Gabon, satria mbola ahitana zavaboary mahatalanjona tsy nosimban’ny olona.”
Nahoana no tena sarobidy ireo tahirin-javaboary any Gabon? Mbola rakotra ala ny 85 isan-jaton’i Gabon, ary tsy hita na aiza na aiza eto an-tany ny 20 isan-jato mahery amin’ireo zavamaniry ao aminy. Toerana ialokalofan’ny rajako isan-karazany sy ny elefanta ary ny biby hafa efa ho lany tamingana ny ala any. Lasa toeram-piarovana manokana ho an’ny biby sy ny zavamaniry atỳ Afrika àry i Gabon, noho ireo valan-javaboary naorina tany vao haingana.
Torapasika hafakely any Loango
Ny Valan-javaboarin’i Loango angamba no iray amin’ireo toerana miavaka indrindra ahitana bibidia eto Afrika. Voaro ao ny torapasika midadasika mbola tsy nosimban’ny olona, ary misy farihy sy ala mikitroka eny akaikiny. Ny tena mampiavaka ny torapasik’i Loango anefa, dia ireo biby mandehandeha eny ambony fasika, toy ny hipopotama, elefanta, ombidia, leopara ary rajako.
Nahoana ireo biby ireo no voasarik’ilay torapasika? Misy kijana azon’ny hipopotama sy ny ombidia iraofana eny amin’ny torapasika fotsin’i Loango. Misy palmie mamoa be dia be koa eny. Tena tian’ny elefanta ny voan’izy io, toy ny itiavan’ny ankizy ny vatomamy. Ny fahanginan’ilay toerana anefa no tena manintona an’ireo biby. Tsy ahitana afa-tsy ny dian-tongotr’izy ireo eny amin’ilay torapasika.
Mifidy ny hanatody eny amin’io torapasika mangina io, ny karazana soka-dranomasina iray efa ho lany tamingana. Tia manao akany eny koa ny tsikirikirioka. Vorona maromaro izy no miray akany. Miala lavidavitra kely amin’ny faritra farany isondrontan’ny ranomasina no andavahany ny akaniny. Mandritra ny vanin-taona mafana, dia arivo mahery ny trozona misy trafo tonga mba hivady eo amin’ilay ranon’i Loango tsy misy mpanakotaba.
Misy farihy lehibe roa manasaraka ny torapasik’i Loango amin’ilay ala mikitroka. Fonenana mety tsara amin’ny voay sy ny hipopotama ireo farihy ireo. Feno trondro izy ireo, ary ahitana hazo honko ny morony. Manidintsidina mitady sakafo eny amin’ireo farihy ny karazana voromahery mpihinan-trondro. Mitady trondro eny amin’ny rano marivo kosa ny vintsy mareva-doko isan-karazany. Ny elefanta tia rano indray faly erỳ milomano mamakivaky ilay farihy, mba hamonjy ny torapasika misy ilay voankazo tiany indrindra. Mambosibosika erỳ izy ireo rehefa tonga eo.
Ahoana kosa ny ao anatin’ilay ala? Mitsambikimbikina eny an-tendron-kazo ny gidro, ary manidintsidina eny amin’ny tara-pahazavan’ny masoandro ny lolo mareva-doko. Ireo ramanavy mpihinam-boankazo kosa matory eny ambony hazo mandritra ny andro, ary manao asa tena lehibe mandritra ny alina, izany hoe manely masomboly manerana ilay ala. Eny amoron’ilay ala indray, dia ahitana soy marevaka mitsentsitra mamimbony avy amin’ny vonin’ireo hazo. Tsy mahagaga àry raha lazaina fa i Loango no “toerana tena ahitana ny hakanton’i Afrika akaikin’ny Ekoatera.”
Lopé, fonenan’ny rajako
Ahitana alan’ny tany mafana mbola tsy nosimban’ny olona ny Valan-javaboarin’i Lopé. Misy tany lava volo sy ala maniry amoron-drano ny faritra avaratra amin’izy io. Toerana mety tsara ho an’ireo tia zavaboary eto, mba hijereny rajako isan-karazany ao amin’ny fonenany voajanahary. Rajako goavana 3 000 ka hatramin’ny 5 000 no miriaria manerana ilay toerana arovana, izay mahatratra 5 000 kilaometatra toradroa.
Tompon’andraikitra tao amin’ny valan-javaboary iray i Augustin taloha. Nifanena tamin’ny rajako goavana izy, tamin’ny 2002. Hoy izy: “Nifanena tamin’ny rajako efa-mianaka aho, indray mandeha, tao anaty ala. Nijoro teo anoloako ilay rajako lahy lehibe, tokotokony ho 35 taona. Miloko volondavenona ny lamosiny. Intelon’ny lanjako ny lanjany, fara fahakeliny. Araka ny fanao, dia nipetraka avy hatrany aho, nanondrika ny lohako, ary nijery ny tany ho mariky ny fanekena azy. Nanatona ilay rajako, ary nipetraka teo anilako sady nametraka ny tanany teo an-tsoroko. Noraisiny ny tanako avy eo, ary nodinihiny ny felatanako. Rehefa azony antoka fa tsy hampidi-doza ny fianakaviany aho, dia nandeha moramora nankany anaty ala izy. Tsy hohadinoiko mihitsy io andro io. Tsapako tamin’izay hoe manao ahoana izany mifanena amin’ny bibidia ao amin’ny fonenany voajanahary izany. Misy mamono rajako mba hatao sakafo, na mamono azy noho ny fiheverana fa mampidi-doza izy ireny. Biby malemy fanahy anefa izy ireny, ka tokony harovantsika.”
Manao andiany kosa ny babakoto ao Lopé, ary maherin’ny arivo ny isany indraindray. Izy ireo no manao andiany be indrindra amin’ny rajako, ary mikotaba be. Hoy ny mpitsidika iray avy any Cameroun, rehefa nifanena tamin’ny andiany lehibe toy izany:
“Nahita ny toerana misy ireo babakoto ny mpitarika anay, noho ny fitaovana elektronika napetaka tamin’ireo biby. Nankeo amin’ny lalana handalovan’izy ireo izahay, nanangana tranokely fiafenana, ary niandry ny fahatongavany. Nandritra ny 20 minitra teo ho eo, dia ny hiran’ireo vorona sy bibikely tao an’ala no renay. Tapaka tampoka anefa ilay fahanginana, rehefa nihananatona ilay andiana babakoto. Toy ny feon’oram-baratra mananontanona ny fandrenesako ny feon’ny rantsankazo sy ny tabataban’ireo biby. Rehefa nahatazana an’ireo rajako mpialoha lalana anefa aho, dia toy ny miaramila misava lalana ny fahitako azy. Ireo babakoto lahy lehibe no mitari-dalana, manao dia maika etỳ ambany. Ny vavy sy ny zanany kosa miampitampita eny ambony hazo. Niato tampoka ny iray tamin’ireo babakoto lahy, ary nijery manodidina, toy ny hoe nisy zavatra nampiahiahy azy. Hay nisy babakoto kely nahita anay avy teny ambony hazo, ka nanao feo fampitandremana. Nanafaingana ny diany àry ilay andiany, ary vao mainka nitabataba noho ny fahasorenany. Lasa daholo izy rehetra, rehefa afaka kelikely. Nilaza ilay mpitarika anay fa babakoto 400 teo ho eo no nandalo teo.”
Misy karazana rajako iray mpitabataba koa sarotra hita, satria mitsoriaka eran’ny ala foana mitady sakafo. Ny gidro mavo orona matetika no hitan’ny mpitsidika. Mazàna izy ireny no eny amin’ny tany lavavolo manamorona ny ala. Misy karazana gidro iray koa tsy hita na aiza na aiza afa-tsy ao Lopé. Izy io angamba no gidro tia mitoka-monina indrindra, ary vao 20 taona lasa izay no nahafantarana azy.
Misy vorona lehibe mareva-doko koa ao amin’ilay ala. Fantatra amin’ny feony mafy izy ireo. Voalaza fa 400 eo ho eo ny karazam-borona ao amin’ilay valan-javaboary, ka izany no tena itiavan’ny mpijery vorona an’ilay toerana.
Toerana iroboroboan’ny zavaboary
Roa monja amin’ireo valan-javaboary 13 any Gabon i Loango sy Lopé. Ny valan-javaboary sasany, natao hiarovana ny hazo honko sy ny zavamaniry tsy fahita firy, ary fijanonan’ny vorona mpifindra monina. Hoy i Lee White, miasa ao amin’ny Fikambanana Mpiaro ny Bibidia: ‘Ahitana toerana faran’izay tsara iroboroboan’ny zavamaniry sy ny biby, manerana an’i Gabon. Tsy ny halehiben’ny toerana fotsiny no misongadina fa ny hatsarany koa. Tao anatin’ny fotoana fohy monja tamin’ny 2002, dia vitan’i Gabon ny nanangana valan-javaboary faran’izay tsara. Hita ao avokoa ny biby sy zavamaniry manerana ilay firenena.’
Mazava ho azy fa mbola maro ny olana tsy voavaha, araka ny tenin’i Filoha Omar Bongo. Hoy izy: ‘Ny zavamaniry sy biby maneran-tany mihitsy no tiantsika harovana. Tena ilaina ny ezaka mitohy fa tsy ezaka miserana fotsiny, raha tiantsika ny hitahiry ny hakanton’ny natiora mba holovain’ny taranaka fara mandimby.’
[Sarintany, pejy 17]
(Jereo ny gazety)
AFRIKA
GABON
Ireo valan-javaboary 13 any Gabon
Lopé
Loango
[Sary, pejy 16, 17]
Trozona misy trafo sy Loango jerena avy eny ambony
[Sary nahazoan-dalana]
Trozona: Wildlife Conservation Society
[Sary, pejy 16, 17]
Babakoto (ankavia) sy rajako (ankavanana)
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
Robert J. Ross