FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/12 p. 12-14
  • Nitsidika Rajako Izahay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nitsidika Rajako Izahay
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitsidihana Ireo Rajakon-tendrombohitra
    Mifohaza!—1998
  • Gabon—Toerana Iarovana ny Bibidia
    Mifohaza!—2008
  • Nampianatra Zavatra Maro Anay ny Pygmées
    Mifohaza!—2003
  • Rajakokely Mitoreo
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 10/12 p. 12-14

Nitsidika Rajako Izahay

[Sary, pejy 12]

MISY ala mbola tsy nosimban’olona any atsimoandrefan’ny République centrafricaine, eo anelanelan’i Cameroun sy ny Repoblikan’i Congo. Misy zava-tsarobidy mbola tsy be mpahita ao. Te hahita an’ilay izy izahay, ka nandeha fiara nandritra ny adiny 12 mba hahatongavana tao amin’ny Valan-javaboary Dzanga-Ndoki. Tao no nahitanay an’ilay rajako atao hoe Makumba sy ny fianakaviany.

Sarintanin’ny République centrafricaine

Vehivavy atao hoe Bara no nitarika anay, ary tsy navelany nisaratsaraka izahay. Nilaza izy fa tokony ho mailomailo izahay, satria fandalovan’ny elefanta nitady sakafo ilay lalana nandehananay. Tsy elefanta ihany anefa no natahoranay. Nanoro hevitra àry izy hoe: “Raha vao misy rajako tamy, dia aza mihetsika fa miondreha. Tsy haninona anareo izy fa hitabataba fotsiny. Aza mijery azy eo amin’ny masony. Ny ahy akimpiko fotsiny ny masoko.”

Lehilahy avy amin’ny foko BaAka no nanampy anay hahita lalana. Misy mihevitra fa Pygmée ry zareo noho ny paoziny sy ny hafohiny. Efa tena zatra izy ka fantany foana raha vao misy biby, na dia ireo mahay miafina indrindra aza. Fantany ilay biby na dia zara raha hitany aza, ary na fofona sy feo kely fotsiny aza no reny. Feno andian-tantely koa nanodidina anay. Hain’ilay lehilahy erỳ ny nanavatsava an’ilay ala matevina, ka nila tsy ho arakay izy.

Tsy ela izahay dia tonga tao amin’ny ala iray mbola tsy nisy nanimba. Vitsy ny vazaha efa nitsofoka tao. Nijanona tampoka ilay lehilahy, ary nanondro toerana malalaka teo akaikin’ilay lalana nisy anay. Kirihitra efa tapatapaka sy bozaka efa milamaka no hitanay, satria nisy zanaka rajako nilalao teo. Nisy ambinkambina rantsankazo avy nohanin-dry zareo koa teo. Vao mainka izahay tsindrian-daona.

Rajako

Mety hirefy 1,8 metatra sy hilanja 200 kilao mahery ny rajako any Afrika Andrefana

Nandeha niadana ilay lehilahy rehefa afaka telo kilaometatra teo ho eo. Nanao feo mipoapoaka tamin’ny lelany izy, amin’izay tsy matahotra ireo rajako. Nandre feo mibetroka kely izahay sady nandre sampan-kazo tapatapaka. Nasain’i Bara nandroso moramora ny rehetra ary tsy navelany niteny intsony. Nasainy nininginingina izahay ary nanondro tany amin’ireo hazo izy. Io fa tazanay i Makumba, tokony ho valo metatra avy teo aminay.

Lasa nangina tampoka ny tao anaty ala, ka ny fidoboky ny fo sisa no re. Nanahy izahay sao hanatona anay i Makumba. Nitodika tany aminay ihany izy, ka hitanay ny endriny matevin-koditra. Rehefa avy nandinika anay kelikely izy dia nanoaka be. Soa fa tsy naninona anay izy!

Midika hoe “Mailaka” ny hoe Makumba amin’ny fiteny aka. Tsy hoatr’izany mihitsy anefa i Makumba tamin’io maraina io, fa variana nisakafo miadana. Nisy zanaka rajako roa nifampitolontolona sy nifanitikitika teo akaiky teo. Nilalao teo akaikin’i Mopambi reniny kosa i Sopo, ilay rajako kely bebe maso vao folo volana. Nosintonin-dreniny moramora izy, raha vao nitady handeha lavidavitra. Ny hafa indray nihinana ravinkazo sy laingon-kazo na niara-nilalao. Nijery kely anay ry zareo ary nilalao indray avy eo.

Tsy maintsy nandeha izahay rehefa afaka adiny iray. Hita koa hoe efa leo anay i Makumba, ka nitrerona indray mandeha izy dia nitsangana ary lasa tany anaty ala. Vetivety dia lasa daholo izy rehetra. Hotsaroanay mandritra ny taona maro ireo zavaboary mahavariana ireo, na dia vetivety ihany aza no nahitanay azy.

Rajako iray sy ny fianakaviany

NY FIAINAN’NY RAJAKO

Tsimoka sy sampan-kazo ary ravin-kazo no iveloman’ny rajako, hoy i Bara. Mihinana bibikely sy voankazo koa izy, ary mahavita dia an-tongotra hatramin’ny efatra kilaometatra isan’andro rehefa mitady sakafo. Matory amin’ny tany na ao anatin’ny tranony eny ambony hazo ny rajako. Rajakolahy iray no lehiben’ny fianakaviana. Lasa volondavenona ny lamosin’izy io rehefa antitra izy. Mazàna izy no matory eo amin’ny tany, mba hiarovana ny fianakaviany.

Mila tsidihina isan’andro mandritra ny dimy taona, fara fahakeliny, ny rajako mba ho zatra olona, ka ireo Pygmée mpitari-dalana no manao izany. Aorian’izay ny mpizaha tany vao afaka mitsidika azy ireo. Mampidi-bola izany ka ampiasaina hanaovana fikarohana ilay vola na hikarakarana an’io biby atahorana ho lany tamingana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara