FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g25 No. 1 p. 4-5
  • Ekeo ny Zava-misy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ekeo ny Zava-misy
  • Mifohaza!—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA IZANY NO ILAINA?
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Mihamidangana ny Vidim-piainana Maneran-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2025
  • Fisondrotry ny vidin-javatra — Ny vokany eo amin’ny olombelona
    Mifohaza!—1990
  • Manàna Fanantenana
    Mifohaza!—2025
Hijery Hafa
Mifohaza!—2025
g25 No. 1 p. 4-5
Sary: 1) Vehivavy mifidy voatabiha eny amin’ny tsena amoron-dalana. 2) Manolotra vola amin’ilay mpivarotra izy.

AHOANA NO HIATREHANA NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA?

Ekeo ny Zava-misy

Rehefa miakatra tsikelikely ny vidim-piainana, indrindra raha miakatra manaraka an’izay ny karamantsika, dia mety tsy dia ho voamaritsika ilay fiovana. Rehefa miakatra be anefa ny vidim-piainana nefa ny karamantsika tsy miova dia mety hanomboka hanahy sy hiady saina isika, indrindra raha mamelom-bady aman-janaka.

Isika aloha tsy afaka manakana ny fiakaran’ny vidim-piainana e! Handray soa anefa isika raha manaiky ny zava-misy.

NAHOANA IZANY NO ILAINA?

Rehefa manaiky ny sain’ny olona iray hoe miakatra foana ny vidim-piainana, dia ho mora aminy ny hanao an’ireto:

  • Tony foana. Rehefa tony isika dia misaina tsara sady hahay hanapa-kevitra kokoa.

  • Izay zavatra tena ilaina no andaniana vola fa tsy zavatra tsy ilaina. Tonga dia aloa, ohatra, ny jiro sy rano.

  • Tsy hifamaly amin’ny ao an-trano amin’ny resaka vola.

  • Mitady hevitra hoe ahoana no ividianana ny zavatra tena ilaina. Mety hilaina ny mampihena ny fandaniana dia mijery hoe inona no tena tsy maintsy hovidina.

INONA NO AZONAO ATAO?

Mahaiza miaina mifanaraka amin’ny zava-misy. Raha azo atao dia aleo mampihena ny fandaniana rehefa midangana be ny vidim-piainana. Tsy te hiova amin’ny fiainana mampiadana be efa nahazatra azy ny olona sasany dia miezaka mitazona an’izay foana. Hoatran’ny olona milomano manohitra renirano mahery be anefa ny olona hoatr’izany. Ho reraka ihany izy amin’ny farany. Raha manam-bady aman-janaka koa ianao dia rariny raha mieritreritra ny fomba hamelomana an-dry zareo. Tadidio anefa hoe ireto no tena ilain’ny vady aman-janakao: Ny fitiavanao sy ny fotoananao ary ny fiahianao an-dry zareo.

“Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na dia kely aza, rehefa manahy?”​—Lioka 12:25.

“Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin’ny rahampitso. Efa ampy ny olana mitranga amin’ny andro tsirairay.”​—Matio 6:34.

Hoatran’ny hoe milomano manohitra renirano mahery be ny olona tsy te hiova amin’ny fiainana mampiadana be efa nahazatra azy

Phazilya.

“Efa nilaza mialoha ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:1 hoe ‘fotoan-tsarotra tsy mora atrehina’ izao. Tsy gaga àry aho rehefa misy olana ara-toe-karena ary miakatra ny vidim-piainana. Mitady hevitra hampihenana ny fandaniako aho dia tsy mividy zavatra tsy dia ilaina.”​—Phazilya, Azerbaïdjan.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara