Fisondrotry ny vidin-javatra — Ny vokany eo amin’ny olombelona
Avy amin’ny solontenan’ny Mifohaza! any Espaina
“Tsy mihinana voatabiha intsony izahay; lafo loatra ireny, hoy ny fisenton’ny vehivavy karana iray mpikarakara tokantrano. Raha ny amin’ny voankazo indray dia tsy tsaroako izay nividianako izany farany.”
“Tsy afaka mba mividy kiraro na fitafiana akory izahay”, hoy ny fitarainan’ny Meksikana iray miasa ao amin’ny fanenoman-damba, izay manan-janaka telo velomina. “Efa-taona lasa izay, kely kokoa ny vola nanananay nefa mora kokoa ny fiainana. Ankehitriny dia tsy takatry ny volanay ny zavatra rehetra.” Nihena 35,4 % ny sandan’ny “peso”, vola any Meksika teo anelanelan’ny 1982 sy 1986.
Mpiambina amin’ny alina any Le Caire i Muhammed el-Ghani. Any Egypta, dia nisondrotra avo roa heny ny vidin’ny zavatra sasany ilaina eo amin’ny fiainana, tao anatin’ny herintaona monja. “Ny hohanina anio ny anay, tadiavina anio, ary ny hohanina rahampitso, tadiavina rahampitso, hoy ny fanazavany, ary misy andro tsy ihinananay aza.”
Tany Brésil, ny lehilahy iray niharan-doza tamin’ny lalamby dia tsy maintsy niandry 20 taona vao nanapa-kevitra ny hanome onitra azy ny fitsarana. Tamin’ny farany, dia nomena fanampiana isam-bolana mitovy amin’ny atsasaky ny karama farany ambany indrindra nisy tamin’ny vanim-potoana nitrangan’ny loza izy. Noho ny fiakaran’ny vidim-piainana, dia mampalahelo fa angamba tsy hahasahana akory ny vidin’ny karatra amin’ny fitanteram-bahoaka tsy maintsy andehanany mba handraisana an’io vola io izany fanampiana izany.
Ny Nizeriana iray efa manan-janaka telo, atao hoe Bala, dia torana rehefa nilazana fa vao teraka kambana telo ny vadiny. Na dia manao asa roa sosona aza izy, dia efa nahita fahasahiranana satria tsy mitsaha-mitombo ny vidin-tsakafo. Noho ny fahatsapany fa tsy ho afaka hanome ny ankohonany na dia izay ilaina eo amin’ny fiainana akory aza izy, dia tapa-kevitra izy ny hanome ireo zazakely hatsangan’ny hafa.
Mitovitovy amin’izany no mitranga etsy sy eroa maneran-tany. Misondrotra tsy hay tohaina ny vidim-piainana. Ho an’ny ankamaroan’ny olona dia nanjary sakafo rendrarendra ny mofo dipaina sy ny ronono, ary fisehoan-javatra maningana ny fihinanana intelo isan’andro. Manambara toy izao ny gazety nizeriana iray: “Ny mofo dipaina izay foto-tsakafon’ny Nizeriana hatramin’izay, dia sakafon’ny mpanan-karena ankehitriny. Tehirizina ho amin’ny andro fety ny vary.”
Raha vitan’ny sasany ny miala amin’izany amin’ny fiasana bebe kokoa, ny hafa kosa dia tojo fahasahiranana, ary tsy manana fahafahana mihitsy aza, mba hahitana asa. Voatery manokana ny androny manontolo izy ireny mba hitadiavana sakafo tsy an-kiato, ary matetika no very maina foana ny fiezahany. Ho azy ireo, izany dia tsy fiatrehana ny vidim-piainana intsony fa fiadiana mba hahavelomana.
Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia ny fihenan’ny sandam-bola, ny fisondrotan’ny vidin-javatra, no mahatonga izany. Marina fa mety hisondrotra koa ny karama, saingy mahalana izany no manaraka ny fizotran’ny vidin-javatra. Ny tena voakasiky ny fisehoan-javatra mafy indrindra, dia ireo efa misotro ronono sy ny tsy an’asa, satria matetika no tsy miova ny fanampiana raisin’izy ireny. Tany amin’ny ankamaroan’ny tany mahantra, ireo taona faramparany dia nisy fitotongan’ny fari-piainana niharihary. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia azo atao ny milaza tsy misy diso fa raha mbola manana fahafahana hampitombo ny harenany ny mpanana, ny mahantra kosa, mifanohitra amin’izany , dia tsy azo lavina fa mihamahantra hatrany. Izany ve no izy eo amin’ny tany misy anao?
Fahasahiranana ara-toe-karena miteraka fikorontanana
Fantatra tsara fa miteraka fihetsiketsehana ho fanoherana maro be izany toe-javatra izany. Ohatra, nisy mpampianatra nanjary nahantra avy any amin’ny fanjakana meksikanin’i Chiapas sy Oaxaca izay nanorin-dasy teo amin’ny tany malalaka lehibe indrindra ao Mexico mba hangataka fitsinjaram-bola ara-drariny kokoa. “Atao tsindry hazo lena ny olona”, hoy ny nambaran’ny iray tamin’ireo mpandray anjara tamin’io fihetsiketsehana mangingina io. Niteraka tabataba ny fiakarana tampoky ny vidin-javatra tany amin’ny tany hafa.
Ny heloka bevava, izay indraindray aseho ho toy ny fihetsiketsehana mangina nefa mampidi-doza ataon’ny mahantra hanoherana ny manan-karena, dia mirongatra tsy misy toy izany ihany koa. Tao amin’ny fivoriana iray nataon’ny pôlisy, ny onjam-pandikan-dalàna izay mitosaka ankehitriny eo amin’izao tontolo izao dia nolazaina fa avy amin’ny toe-draharaha ara-toe-karena sarotra izay mahazo ny ampahany lehibe indrindra amin’ny mponina. Ny fahoriana ateraky ny fahantrana indraindray dia maka endriny miavaka tena mampalahelo. Araka izany, tamin’ny 1987, tany India, dia olona 50 mahery anisan’ny firazanana ambony tao amin’ny tanàna kely roa no novonoin’ny tantsaha an-jatony maro mosarena. Noheverin’izy ireo fa ambakain’ny tompon’ny tany voleny avy amin’io foko io izy.
Iza no homen-tsiny?
Betsaka kokoa ny harena azo tamin’ny taonjato faha-20, tsy toy ny tamin’ny vanim-potoana hafa rehetra. Nony nanakaiky anefa ny faran’ny taonjato dia tsy araka ny niheverana azy fa olona an-tapitrisany maro no tafahitsoka ao anatin’ny fahantrana maharitra. Ireo fampanantenana hoavy tsara, fampisondrotana toe-karena sy karama sahaza ny rehetra, dia matetika mihitsy no fitaka ataon’ny kilasy ara-politika fotsiny.
Iza no tokony homen-tsiny? Maro no manakiana ny fitondram-panjakana ao aminy. Izy io koa dia mety hiampanga ny politika momba ny toe-karen’ny tany hafa. Ny fandehan’ny toe-karena maneran-tany koa aza dia iharan’ny fanakianana mirehitra. Miharihary fa tena sarotra ny olana ary tsy hita ny vahaolana. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka isika no handinika ny sasantsasany amin’ireo anton-javatra lehibe indrindra mahatonga ny fisondrotan’ny vidim-piainana, sy ny antony maha-sarotra aoka izany ny fahitana fanafodin’io toe-javatra io.