FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/1 p. 9-11
  • Misy fanantenana ve ny hanarenana ny toe-karena?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy fanantenana ve ny hanarenana ny toe-karena?
  • Mifohaza!—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpitantana ny toe-karena maneran-tany
  • Tsy ho ela ny faran’ny fahasahiranana lehibe ara-toe-karena
  • Nahoana no misondrotra toy izao ny vidim-piainana?
    Mifohaza!—1990
  • Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?
    Foto-kevitra Hafa
  • Fisondrotry ny vidin-javatra — Ny vokany eo amin’ny olombelona
    Mifohaza!—1990
  • Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Hahantra Intsony!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/1 p. 9-11

Misy fanantenana ve ny hanarenana ny toe-karena?

Tantaraina fa tany Frantsa, teo ambany fanapahan’i Louis Xvi, ny mpanjakavavy Marie-Antoinette indray andro dia toa hoe nanontany ny lehiben’ny mpanara-maso ny Vola ny amin’izay heveriny hatao momba ny fatiantoka. Toa namaly azy izy fa tsy hanao na inona na inona, satria tena “lehibe loatra” ny raharaha.

NA dia niova aza ny fotoana, dia toa mbola mihatra foana io filôzôfia miavaka io. Marina fa hitan’ireo mpitondra fanjakana sy manam-pahaizana momba ny toe-karena ny maha-ratsy ny trosa goavana iraisam-pirenena, ny tsy fifandanjana lehibe ara-toe-karena eo amin’ireo firenena manankarena sy ny firenena mahantra, toy izany koa ny fahoriana manjombona mamely any amin’ny tany maro be. Nefa dia tsy nisy na inona na inona na saika tsy nisy natao na hatao mba hialana amin’ny fahasahiranana lehibe: lehibe loatra ny raharaha. Marina ve ny fihetsika toy izany raha ny amin’ny toe-karena?

Ny teny hoe “économie” (toe-karena) dia avy amin’ny teny grika hoe oïkonomos, izay manondro tonia na mpiadidy iray. Amin’ny fotony àry, ny fikarakarana ny toe-karena maneran-tany dia fianarana mitantana ny tranobe iray, dia izao tontolo izao. Ahoana no isehoan’izany fitantanana izany?

Aoka hohazavaintsika ny toe-draharaha amin’ny fampitahana ny tany amin’ny faritanàna iray izay ny fianakaviana no firenena tsirairay raisina mitsitokantokana. Ny iray amin’ireo mponina mpanankarena indrindra dia mpandanilany foana tsy azo atao na inona na inona. Manam-bola aminy daholo saika ny mpifanila trano aminy rehetra, saingy noho izy mpividy aminy mahafatra-po indrindra, dia misalasala ny hitaky aminy ireo tompon-trosa. Vesaran-trosa aoka izany ireo fianakaviana mahantra sasany ka voatery misambo-bola mba handoavana ny zanabolan’ny trosany. Mandritra izany, ny raim-pianakaviana mahantra indrindra ao amin’ilay faritanàna dia manao sakafo be miaraka amin’ireo sakaizany, nefa matin-kanoanana ny ankamaroan’ny zanany.

Mihinam-be ireo fianakaviana manankarena ary manary sakafo betsaka any amin’ny fanariam-pako mihitsy aza. Mandany vola be kokoa amin’ireo biby ompiany ho namana izy ireny, mihoatra noho izay azon’ireo fianakaviana mahantra atao ho an’ireo zanany. Misy fivorian’ny faritanàna alamina indraindray mba handinihana ny olana misy eo an-toerana, nefa toa tsy misy na inona na inona misongadina mba vita. Mitombo ny fihenjanana eo amin’ny fianakaviana manankarena sy ny fianakaviana mahantra. Miharihary fa toa misy kilemany lehibe ny fitantanana an’io faritanàna io.

Mpitantana ny toe-karena maneran-tany

Tsy afa-misaraka ny fitantanana tsara sy ny fanarahana fitsipi-pitondrantena tsara. Araka ny nahitantsika azy, ny fitiavan-tena sy ny faniriana mihoa-pampana hita eo amin’ny ambaratonga rehetra, na firenena, na fikambanana, na isam-batan’olona, dia mandray anjara amin’ny fomba tsy azo odian-tsy hita amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana, indrindra any amin’ireo tany mahantra. Raha ny marina, ny tsy rariny ara-toe-karena, dia tsy inona fa taratry ny tsy rariny tsotra izao izay mampiavaka ny fitambaran’ny fandehan-javatra ankehitriny.

Aoka hiaiky isika fa tsy misy vahaolana mora. Maro loatra ny zava-manahirana ka tsy hain’ny firenena iray monja ny mandresy izany, ary tsy misy fikambanana iraisam-pirenena na dia iray aza manana fahefana ampy mba hanafoanana izany. Ankoatra izany, dia omen-tsiny ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao noho ny tsy fananany finiavana ara-politika mba handraisana an-tanana ny raharaha.

Nitana ny soritry ny mpitondra iray izay niahy manokana ny toe-piainana mampalahelo nisy ny malemy ara-toe-karena anefa ny Tantara. Namoaka ho azy ireo, lalàna voafaritra natao hiarovana sy hanampiana azy ireo hahita izay ilainy izy io.

Io mpitondra io dia tsy iza fa ilay nanafaka ny Isiraelita avy tany Egypta efa ho 3 500 taona izay, ary namahana azy mana tamin’ny fomba mahagaga nandritra ireo 40 taona nivahinian’izy ireo tany an’efitra. Nanao izay hananan’ny tsirairay fivelomana io mpanjaka tsy hita maso io. — Eksodosy 16:18; jereo 2 Korintiana 8:15.

Tatỳ aoriana, rehefa niditra tao amin’ny Tany nampanantenaina ny Isiraelita, dia hita fa fiarovana ho an’ireo olo-mahantra ny lalàna nomen’Andriamanitra. Afaka nisambotra tsy nisy zanabola ireo izay tratry ny fahasahiranana ara-bola. Nomen-dalana hitsimpona any an-tsaha, any an-tanim-boankazo ary any an-tanim-boaloboka ireo mahantra. Tsy maintsy namela zavatra ho an’ny mpitsimpona hatrany ny tompon’ny saha. Ambonin’izany, dia nilaza tamin’ireo Isiraelita nanana kokoa Andriamanitra mba ‘hanokatra ny tanany amin’ireo mahantra ao amin’ny taniny.’ — Deoteronomia 15:7-11.

Nanapaka ny taranak’Isiraely Andriamanitra mba hambinina ny fireneny manontolo raha toa ka nankatò ny toromarika nomeny ny Isiraelita. Ireo solontenany, toa an’i Solomona mpanjaka, dia tokony hanahaka ny Ohatra nomeny. Manambara toy izao ny amin’io mpanjaka io ny salamo iray: ‘Hanome rariny ny olona ory eo amin’ny vahoakany izy ary hamonjy ny zanaky ny mahantra (...). Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy izy; sy ny ory tsy manan-kamonjy akory; hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana izy, (...) ary ho saro-bidy eo imasony ny ran’izy ireny.’ — Salamo 72:4, 12-14, Fandikan-teny katolika.

Taorian’izay anefa, dia nasain’Andriamanitra nambara tao amin’ny Teniny fa tsy maintsy hiatrika fahasahiranana tena lehibe ara-toe-karena ny olombelona. Toy izao no ilazalazan’ny Baiboly izany toe-piainana sarotra hanjaka izany: “Vary iray kilao no azon’ny karama indray andro maninjitra.” (Apokalypsy [na Fanambarana] 6:6, Français courant). Izany indrindra no toe-javatra hitan’ireo mahantra maro be maneran-tany amin’izao andro izao. Tsy ahazoan’izy ireo sakafo tsotra akory ny karama indray andro maninjitra.

Tsy ho ela ny faran’ny fahasahiranana lehibe ara-toe-karena

Vahaolana iray monja no misy ho an’ny toe-piainana mampahonena misy ny izao tontolo izao ara-barotra. Tamin’izao teny izao no nampahatsiahivan’i Willy Brandt, nahazo ny loka Nobel, izany: “Tokony ho tsapa kokoa hatrany fa ireo tany mahantra sy ireo tany manankarena (...) dia voafatotry ny tombontsoa iombonana iray ihany, dia ny fahavelomana, ary tsy ho hita ny vahaolana raha tsy heverina indray amim-pahiratan-tsaina ny toe-draharaha amin’ny ambaratonga maneran-tany.”

Fiheverana indray amim-pahiratan-tsaina ny toe-draharaha amin’ny ambaratonga maneran-tany: izany indrindra no kendren’i Jehovah. Andriamanitra dia manana ny finiavana sy ny fomba hoenti-manafoana ny fahasahiranana lehibe ara-toe-karena maneran-tany, tsy toy ireo mpitondra olombelona.

Miresaka ny amin’ny mpitondra iray voatendrin’Andriamanitra mba hanafaka amin’ny toe-javatra misy koa ny faminaniana izay nanambara mialoha ireo fahasahiranana ara-toe-karena. Lazalazaina ho mitaingina soavaly “fotsy” izy io ary ‘mivoaka ho mpandresy’. Tsy iza fa i Jesosy Kristy izy io. Tsy ho ela dia hahazo fandresena izy ka izany no hamela azy hanitatra ny fanapahan’Andriamanitra etỳ an-tany sy hanao ny Fanjakany, ho ny hany fitondram-panjakana ho an’ny olombelona. Izany Fanjakana izany, miaraka amin’i Jesosy Kristy filohany, no fomba nomanin’Andriamanitra mba hanafoanana, ankoatra ny zavatra hafa, ny zava-manahirana momba ny vidim-piainana. — Apokalypsy 6:2; jereo Daniela 2: 44.

Araka ny fampanantenan’Andriamanitra, dia ireto avy ny toe-piainana hanjaka eo ambany fanapahan’io Fanjakana io, izay oharin’ny faminanian’Isaia amin’ny “lanitra vaovao”: “Tsy ho very maina foana ny fisasarany, tsy hitera-jaza ho tra-doza izy.” “Hihinana ny mpanompoko, (...) hisotro ny mpanompoko (...)! Hihobin-kafaliana ny mpanompoko.” — Isaia 65: 13, 14, 17, 23, Votre Bible.

Ireo olona an-tapitrisany maro izay miasa tsy mahazo vokatra amin’izao androntsika izao dia afaka mandray am-po ireo teny ireo. Tsy ho orin-javatra ilaina eo amin’ny fiainana intsony noho ny loza lehibe toy ny fahasahiranana ara-toe-karena ireo ankizy, ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Hosoloan’ny fifaliana miaina ireo fahoriana vokatry ny vidim-piainana.

Mieritreritra ve ianao fa nofinofy fotsiny izany fahatsinjovan-javatra izany? Nahoana no tsy resahina amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah izany amin’ny manaraka rehefa tonga eo am-baravaranao izy ireo? Ho faly izy ireo hampiseho aminao, ao amin’ny Soratra Masina, izay manome antoka antsika fa hofaranan’Andriamanitra ny fahasahiranana ara-toe-karena.

[Sary, pejy 10]

Ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra, dia tsy hisy ho noana na hahantra intsony

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara