FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 108
  • Teny An-dalana ho any Damaskosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Teny An-dalana ho any Damaskosy
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifidy An’i Saoly i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Afaka Miova ve Ireo Nanao Zava-dratsy?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Notoherina i Saoly Satria Nitory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 108

TANTARA 108

Teny An-dalana ho any Damaskosy

FANTATRAO ve io olona mitsotra eo amin’ny tany io? I Saoly io. Tadidio fa izy no ilay niambina ny kapaotin’ireo lehilahy nitora-bato an’i Stefana. Jereo io hazavana mamirapiratra io! Inona no mitranga eto?

Taorian’ny nahafatesan’i Stefana, i Saoly dia nitarika ny fanenjehana an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy mba hitondra fahavoazana ho azy. Nandeha nitety trano izy ary nisarika azy sy nanipy azy tao an-tranomaizina. Maro tamin’ny mpianatra no nandositra tany amin’ny tanàna hafa ary nanomboka nitory ny “vaovao tsara” tany. Nefa nankany amin’ny tanàna hafa i Saoly mba hahita ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Eny an-dalana ho any Damaskosy izy izao. Nefa, teny an-dalana, dia izao no zava-mahatalanjona nitranga:

Tampotampoka teo dia nisy hazavana avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina an’i Saoly. Nianjera tamin’ny tany izy, araka ny hitantsika eto. Avy eo dia nisy feo nanao hoe: ‘Saoly, Saoly! Nahoana ianao no manenjika ahy?’ Nahita ny hazavana ireo lehilahy niaraka tamin’i Saoly ary nahare ny feo, nefa tsy afaka nahazo ny hevitr’izay notenenina.

‘Iza moa ianao, Tompoko?’, hoy ny fanontanian’i Saoly.

‘Izaho no Jesosy, izay enjehinao’, hoy ilay feo. Nilaza izany i Jesosy satria rehefa nanenjika ny mpanara-dia an’i Jesosy i Saoly, i Jesosy dia nahatsiaro tena ho toy ny nenjehina.

Nanontany izao i Saoly hoe: ‘Inona no tokony hataoko, Tompoko?’

‘Mitsangàna ary mandehana ho any Damaskosy’, hoy i Jesosy. ‘Any dia holazaina aminao izay tokony hataonao.’ Rehefa nitsangana i Saoly ary nanokatra ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy. Jamba izy! Koa notantanan’ireo lehilahy niaraka taminy izy ary nentiny ho any Damaskosy.

Izao dia niresaka tamin’ny iray amin’ny mpianany tao Damaskosy i Jesosy, nanao hoe: ‘Mitsangàna, ry Ananiasy. Mandehana any amin’ny lalana atao hoe Imahitsy. Tadiavo ny lehilahy atao hoe Saoly ao an-tranon’i Jodasy. Efa nifidy azy ho mpanompoko manokana aho.’

Nankatò i Ananiasy. Rehefa nahita an’i Saoly izy, dia nametra-tanana taminy ary niteny hoe: ‘Efa naniraka ahy ny Tompo mba hahiratan’ny masonao indray ary mba ho feno ny fanahy masina ianao.’ Niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony, ary afaka nahita indray izy.

Nampiasaina tamin’ny fomba nahery i Saoly mba hitory amin’ny olona avy amin’ny firenena maro. Nanjary fantatra ho ny apostoly Paoly izy, ary hianatra zavatra betsaka momba azy isika. Nefa, aoka aloha hojerentsika izay nanirahan’Andriamanitra an’i Petera mba hatao.

Asan’ny Apostoly 8:1-4; 9:1-20; 22:6-16; 26:8-20.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara